Ady Amin'ny Fitomboan'ny Fanondrahana Asidra Amin'ny Vehivavy Ao Kolombia

[Mankany amin'ny pejy miteny Espaniola avokoa ny rohy rehetra]

Nahatonga an'i Kolombia hanao fanairana ny fitrangan'ireo fanafihana vaovao mampiasa asidra tao anatin'izay herinandro maromaro izay. Na dia teo aza ny fametrahana lalàna tamin'ny taona 2013 izay manasazy izany fihetsika izany, toa hita fa mbola tsy ampy mba hampitsaharana ny fihanak'ity karazana herisetra ity, izay olona 926 no lasibatra tao anatin'izay folo taona izay. Tamin'ny raharaha rehetra momba izany dia olona telo ihany no mba voatsara.

Vao haingana izay no naresaka tamin'ny fampahalalam-baovao ilay fanafihana tamin'ny asidra nihatra tamin'i Natalia Ponce, tovovavy avy amin'ny fianakaviana manankarena iray, nataon'ny olom-pantany ihany, izay voasambotra avy eo. Niteraka fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter sy ny fampahalalam-baovao isan-karazany izany loza izany, izay miombo-kevitra ny rehetra tamin'ny tsy fanekena ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy:

Inadmisible el ataque con ácido a Natalia Ponce! Mañana puede ser cualquier. #NiUnaMás Necesitamos una justicia MÁS FUERTE!

— Mariana Cordoba (@MariCordoba) marzo 29, 2014 

Tsy azo ekena ity hasomparana amin'ny asidra natao tamin'i Natalia Ponce ity! Mety ho olon-kafa indray no hiharan'izany rahampitso. Ary hiampy avy eo. Mila LALANA HENJANA isika.

Que tristeza, que impotencia y que cobardía esos ataques con ácido a las mujeres, es una modalidad que me deja perplejo y sin palabras.

— julian orrego (@julianrocka) abril 1, 2014

Mampalahelo, mampiraviravy tanana sy mahakanosa ity fanondrahana asidra vehivavy ity, fomba iray mahatonga ahy ho sanganehana sy tsy mahaloa-bava.

Después de India y Pakistán, Colombia es el tercer país en el mundo con más ataques a mujeres con ácido.

— Andrea Bernal (@andrebernal26) abril 7, 2014 

Aorian'i India sy Pakistana, i Kolombia no firenena fahatelo ahitana taha ambony indrindra amin'ny fanondrahana asidra ny vehivavy.

Namoaka sary misy ireo vehivavy maromaro izay niharan'ny fanondrahana asidra ny bilaogy Rostros sin Ácido (Endrika tsy misy asidra), tamin'izy ireo nanao fihetsiketsehana, ary “nanapa-kevitra hiseho vahoaka mba hanentanana ny fiarahamonina sy hanao fitakiana amin'ny governemanta mba hahafahan'izy ireo hanana fiainana vaovao indray” :

Gina Potes, de 35 años

Gina Potes, 35 taona

Viviana Hernández, de 28 años

Viviana Hernández, 28 taona

Nubia Espita, de 33 años

Nubia Espita, 33 taona

Na dia izany aza, nampiseho ny bilaogy ¿Quién se beneficia de tu hombría? (Iza no mahazo tombotsoa amin'ny maha-lahy anao ?) fa tsy ireo vehivavy ihany no voakasiky ny olana (lasibatra), ka hoy ny bilaogy nilaza manoloana ny fanavakavahana:

Todo esto resulta llamativo porque de los 926 casos de ataques con ácido registrados en el país durante los últimos diez años, entre las víctimas hay 471 mujeres y 455 varones. Es decir, los hombres constituyen el 49% de los agredidos, pero apenas han recibido atención mediática o política.

Tsara marihana izany rehetra izany, satria amin'ireo tranga 926 nahitana fanondrahana asidra niseho teto amin'ny firenena nandritra ny folo taona, vehivavy avokoa ny 471 ary lehilahy ny 455. Amin'ny teny hafa: 49 % ireo lehilahy niharan'ny herisetra amin'ny asidra, saingy tsy dia nahasarika ireo fampahalalam-baovao sy ny politika izany.

Taorian'ny fanafihana an'i Natalia Ponce, nisy tranga roa hafa koa niseho: voatafika tamin'ny asidra i Sorleny Pulgarín, 23 taona tao amin'ny faritra Engativá, atsimon'i Bogotá tamin'ny 2 Aprily. Taorian'izany, nitranga ihany koa avy ny loza mampalahelo izay nahafaty an'i Alejandro Correa tamin'ny 9 aprily, niharan'ny herisetra tamin'ny asidra izy tao an-tanànan'i Estrella, Antioquia izay voalaza fa noho ny fahasarotam-piaro ny nahatonga izany.
 

Tsikaritry ny manampahefana ny lainga nolazain'i Inés Carrillo, izay nilaza tena fa niharan'ny fanafihana tamin'ny asidra mba hahazoana onitra 75 tapitrisa pesos (eo amin'ny 38.900 dolara €) avy amin'ny governemanta, ka niteraka fahatezerana teo amin'ireo mpiserasera izany:

La ignorancia y avaricia de Ines Carrillo presunta victima de ataque con ácido la podria llevar a la cárcel.

— Wilmar Perea S. (@wilpersi0611) abril 16, 2014
 

Mety hitarika azy any am-ponja ny tsy fahalalana sy ny fitiavam-bola an'i d'Inés Carrillo, lasibatra voalaza fa niharan'ny fanafihana amin'ny asidra.

Tsy voatafika tamin'ny asidra Ramatoa kely Inés Carrillo, may tamin'ny tsy fitandremany tao an-tokantrano izy, te-hahazo onitra fotsiny ny fianakaviany.

Mandritra izany fotoana izany, nisy ny fikambanana natsangana sy fisantaran'andraikitra vaovao nampahafantarina mba hiadiana amin'ity fanondrahana asidra amin'ny olona ity, izay misy fiantraikany amin'ny saina am-panahy sy ny ara-batan'ireo lasibatra. Na dia izany aza, manohy mitaky vahaolana ny olona, tahaka ny ataon'ny “El Profe” tamin'ny fanehoan-keviny tao amin'ny habaka El Líder.com, izay nitakiany ny tokony hamerana ny fivarotana ny asidra mampidi-doza:

Se debe prohibir la venta libre de este producto igual como lo hacen con las armas, su venta es supervisada por el ejercito, se debe tomar registro de los vehículos que se les cambie el acido y la policía debe ser conocedora de estos.
 

Tokony raràna ny fivarotana ity vokatra ity tahaka ny atao amin'ny fitaovam-piadiana izay arahin'ny tafika maso ny fivarotana azy, tokony horaisina an-tsoratra ireo fiara izay manova [nividy] asidra ary tokony ho fantatry ny polisy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.