Syria: “Roa Taona Aty Aoriana, Mbola Tsy Milamina Izahay “

Asehon'ilay Syriana Hiba Diewati ao amin'ny lahatsoratra tsy maintsy vakiana ao amin'ny  Facebook ny toe-draharaha ao amin'ny fireneny amin'ny tsingerin-taona fahatelon'ny fitakiana fiovàna syriana.

Tsiahiviny ireo andro voalohany tamin'ny fitakiana fiovana, ao anatin'izany ny 4 andro nigadràny noho ny nandavany ny fitondrana :

Te-hizara zavatra mahafinaritra aho androany. Roa taona lasa izay navoaka hiseho amin'ny masoandron'i Damascene izahay ary nanomboka nafàna niaraka tamin'ilay T Shirt  San Fransisco aho ; tsapako tamin'izay ny hatsiaka nandritra ny andro vitsivitsy tao ambanin'ny tany. 

Roa taona lasa izay, noheverinay ho toy ny fety aza ny efatra andro tany am-pigadrana. Ary dia mendrika izany satria fotoana fohy sisa dia handresy ny fitakiana fiovana, azonay hajanona io fiainana roa io, ‘ndao hanova fihetsika, hiaraka hiasa hanangana sy hanatsara an'i Syria araka izay efa nofinofisintsika; demokrasia, fitoviana, fandriam-pahalemana ho solon'ny fandrahonana tsy an-kijanona, ary fahalalahana.

Roa taona lasa izay, nohodidinin'ny namana aho, maro amin'izy ireo no voaroaka tany ivelan'ny lapa fitsarana ary nilazana mba hiandry tao. Teo anivon'ny fifamihinana sy fihomehezana taorian'ny namoahana anay dia nisy iray tamin'izy ireo nananihany ahy sady niteny hoe ” Tsara vintana, vita ny tolona nefa tsy mbola voasambotra aho; tsy rariny izany! “

Dia mbola notohizany :

Roa taona tato aoriana, tsy hita indray ny iray amin'ireo tanora dimy niaraka nosamborina tamiko noho io hetsi-panoherana. Mpianatra ho mpitsabo izy, mpitsabo mandehandeha, ary ratsy sy mampaha tahotra ny fomba hitnana azy efa ho herin-taona izao.

Niparitaka naneran-tany ireo namana izay niandry teo amin'ny Làlana Al-Nasr , na làlan'ny “Fandresena” teo ivelan'ny lapa fitsarana. Any Etazonia ny sasany, ny hafa any Berlin, any Istambul, Iraka, Beyrouth ary Amman raha tsy hiteny afa-tsy ireo aho. Ny sasany mbola any Damaskaosy. Ny sasany mbola any amin'ireo faritra “nohafahana”. 

Toy izao manaraka izao no itantaràny ny toe-draharaha any Syria ao amin'ny lahatsoratra nosoratany :

Roa taona aty aoriana mitsindroka ireo sisan-kanina eny an-dàlana ireo ankizy matin'ny hanoanana any atsimon'i Damaskaosy noho izy ireo tratry ny fahirano. Ravan'ny baomba i Aleppo na izay sisa mijoro aminy. Nodarohan'i Assad baomba ny tanàna mahafinaritr'i Kessab na dia nisy tekelaka mampitandrina aza. Midoboka ao ampovoan'i Damaskaosy ireo baomba izay heverina fa avy amin'ireo mpikomy izay tsy mahalala akory ny ataony. Mpigadra am-polony na betsaka noho izany no matin'ny fampijaliana isan'andro. I Zehran Alloush ao amin'ny “Mandatehezana Islamika” tsy vanona no mitady ny fanadiovana ara-poko ny sisintany. Voasambotra ary ampijalian'ny ISIS ireo mpikatroka mafàna fo avy ao amin'ny fiarahamonim-pirenena. Montsan'ny Syriana ny zava-bita tsara indrindra amin'ny haikanto sy ny isan'ny mpialokaloka. Mandeha amin'ny fiaramanidina mpiady ny mpanao gazety . Eny rehetra eny ireo mpiady ary tsy misy kosa ny sakafo.

Ary mbola nampiany :

Roa taona lasa izay tsy noheverinay fa ho rava izao rehetra izao. Roa taona lasa izay tsy nonofinofisinay izao fihanaky ny fankahalana sy fahaverezana izao.

Roa taona lasa izay, nisy namana Palestiniana nijoro nanoloana ny Anjerimanontolon'i Damaskaosy ary nilaza ny faminaniany momba ny zavatra hiseho. Nanana fahefana izy, ny Koffiya-ny fotsy sy mainty, ny akanjo mateviny vita hoditra, ny sigara manao tohy vakana ary ny loha feno an'i Marx, ny tantara sy ny politika.

“Ho avy hisidina hidaroka baomba antsika eto Damaskaosy anaty fotoana vitsy ny Amerikana. Tsy misy zava-dratsy ohatra izao ataon'ny fitondrana amin'ny Homs amin'izao fotoana izao, fa haharary izany, nefa dia renivohitra isika aorian'ny zava-drehetra. Hisy fahavoazana eo amin'ny roa tonta, angamba ho isika koa aza, nefa ho lasa i Assad ary dia afaka hanomboka ny fanadiovana ireo korontana ireo isika.”

Dia nofaranany:

Roa taona aty aoriana, mbola tsy milamina izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.