SARIPIKA: Fihetsiketsehan'ny Mpianatra Iraniana Nandritra Ny Kabarin'ireo Politisiana Mpandala Ny Mahazatra

Nihiaka teny filamatry ny mpanohitra ny vondrona mpianatra iray ao amin'ny Oniversiten'i Amirkabir ao Tehran, Iran ary nilanja sorabaventy sy nanofahofa sainam-pirenena Iraniana nandritra ny kabary nataon'ilay kandida mpandala ny nentin-drazana resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena sady lehiben'ny fifampiraharahana ara-nokleary teo aloha, Saeed Jalili, tamin'ny 14 Avrily 2014.

Hiakam-Panohanana an'i Mir Hussein Mousavi sy Mehdi Karroubi, lehiben'ny Hetsika Maintso (Green Movement) izay nanozongozona ny firenena taorian'ny nahalany indray an'ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny  taona 2009 ireo hiaka natao ireo. Nolazain'ireo mpanao fihetsiketsehana fa feno hosoka ny valim-pifidianana tamin'izany ka an-tapitrasany ireo nidina an-dalambe mba hanaisotra an'i Ahmadinejad.

Saingy nanomboka nanao famoretana faobe tamin'ny hetsika nanomboka ny 2010 ireo manampahefana, ka notànana tsy mahazo mivoaka ny trano iambenana azy i Moussavi sy i Karroubi, kandida roa nirotsaka hofidiana filoham-pirenena, ary tahaka izany koa ny vadin'i Moussavi, Zahra Rahnavar tamin'ny 14 Febroary 2011.

Hoy ny hiakan'ireo mpianatra eny amin'ny Oniversite AmirKabir hoe: «Hoan'ny praiminisitr'i imam ny safidinay”, izay manondro an'i Moussavi, izay praiminisitra tamin'ny taona 1980 hatramin'ny taona 1988 nandritra ny fitondran'i Ruhollah Khomeini, mpitarika faratampony.

Nandritra fotoana izany, nihiaka hoe “miala i Etazonia” ireo mpianatra mpandala ny nentim-paharazana (kaonservativa) Basiji nipetraka tao amin'ny voalohan-daharana.” Hita amin'ny fiafaran'ity lahatsary Youtube ity izy ireo, raha toa ka ireo mpianatra mpomba ny mpanohitra no hita voalohany amin'izany:

Ny lohahevitra lehibe nataon'i Jalili dia ny zava-bitany ara-nokleary tamin'ny firenena.

Nisioka i Alireza Taba fa niharan'ny sazy eny amin'ny oniversite ny sasany tamin'ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana avy eo:
 

Farafahakeliny, mpianatra sivy nanao fihetsiketsehana nandritra ny kabarin'i Jalili no nampanantsoina tao amin'ny komity misahana ny fitsipi-pipehezana sy ny fanasaziana.

Hanif Z.Kashani nitatitra hoe:

Nahatsindry ny “Antokon'ny Nokleary” sy ny mpianatra Basiji ary ny hiakany ka nampivoaka an'i Saeed Jalili ny mpianatra

Tao amin'ny Twitter, nisioka momba ny fihetsiketsehana i amirHP:

Tonga tamin'ny hetsika andron'ny angovo i Jalili saingy ireo teny filamatra manohana an'i Mousavi no teny filamatra tena nanjakazaka tao.

Mpisera Asame nanoratra hoe:

Tsy maninonaizay eo na [ ny filoha Iraniana ankehitriny] Hassan [Rouhani] na Hussein [Moussavi], mitohy hatrany ny hetsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.