Tsy Mila Sivana Aterineto Hoy Ny Tambajotra Sosialy Rosiana Lehibe Indrindra

Iron Durov. Images remixed by Kevin Rothrock.

Iron Durov. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Nampiasain'i Pavel Durov, mpanorina sady talen'ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte, indray ny kaontiny ho toy ny sehatra iray hikiahana hanoherana ny fanivànana ny aterineto. Ny 16 Aprily 2014, nandefa hafatra fohy nefa mafonja sy maranitra [ru] i Durov, nilazàny fa niatrika faneriterena henjana ny VKontakte mitaky ny hanakatonany ny vondrom-piarahamonina an'i Alexey Navalny manohitra ny kolikoly. Tany aloha kely, nobahanana tany Rosia [tatitry ny Global Voices] ny biloagin'i Navalny ao amin'ny LiveJournal noho ny didy avy amin'ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana, saingy tsy talohan'ny niterahany fahatapahan'ny tolotra nitatra be tany amin'ireo Rosiana rehetra mpampiasa ny LiveJournal. Tao anatin'ny hafatra avy aminy androany dia niteny i Durov fa norahonana koa ny VKontakte fa hoe hobahanana manontolo.

Nadikan'ny RuNet Echo manontolo ny fanambaran'i Durov :

13 марта 2014 года Прокуратура потребовала от меня закрыть антикоррупционную группу Алексея Навального под угрозой блокировки ВКонтакте. Но я не закрыл эту группу в декабре 2011 года и, разумеется, не закрыл сейчас. 

За прошедшие недели на меня оказывалось давление с разных сторон. Самыми разными методами мне удалось выиграть больше месяца, но сейчас настала пора сказать – ни я, ни моя команда не собираемся осуществлять политическую цензуру. Мы не будем удалять ни антикоррупционное сообщество Навального, ни сотни других сообществ, блокировки которых от нас требуют. Свобода распространения информации – неотъемлемое право постиндустриального общества. Это право, без которого существование ВКонтакте не имеет смысла.

Ny 13 Martsa 2014 nangataka ahy hanakatona ny vondrona miady amin'ny kolikoly natsangan'i Alexey Navalny ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana, miaraka amin'ny fandrahonana hibahanana [izay rehetra momba] ny VKontakte. Kanefa, tsy nakatoko io vondrona io tamin'ny Desambra 2011, ary, tsy manan-tsaina hanao izany velively aho amin'izao fotoana izao.

Tato anatin'ny herinandro vitsy lasa dia niatrika faneriterena avy amin'ny lafy rehetra aho. Taminà fomba maro samihafa no niezahako nàka volana iray hisentoana, saingy ankehitriny tonga ny fotoana hitenenana – na izaho, na ireo iray tarika amiko dia tsy hisy handray anjara amin'ny fametrahana sivana ara-politika izany. Tsy hanafona ny vondrom-piarahamonina natsangan'i Navalny manohitra ny kolikoly izahay, na ireo vondrom-piarahamonina anjatony hafa izay iatrehanay fangatahana fanakatonana. Zo tsy azo iadian-kevitra ny fahalalahana hikirakira vaovao anaty fiarahamonina voizin'ny indostria. Raha tsy misy io zo io, tsy misy dikany ny fisian'ny VKontakte.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.