Shily : Namono Sy Nandrava Ilay Ala Nirehitra Tany Valparaíso

FANITSIANA: Araka ny tatitra nataon'ny gazety Shiliana El Mercurio [es], tamin'ny harivan'ny Alatsinainy 14 Aprily dia 15 no maty, 11.000 tsy manan-kialofana ary velaran-tany 1.140 hektara no kilan'ny afo , trano maherin'ny 2.500 no may araka ny vinavinan'ny manampahefana.

Tamin'ny alin'ny Sabotsy 12 Aprily, trano maherin'ny 500 tao amin'ny havoana amin'ny tanàna amorontsirak'i Valparaiso any Shily no kilan'ny afobe tsy nisy tahaka izany. Nanapa-kevitra ny mpitondra mba hamindra toerana ireo olona 3.000 ary naniraka ny tafika ho any amin'iny faritra iny mba hanampy amin'ilay loza.

Tamin'ny alatsinainy 14 Aprily, trano 2.000 no kilan'ny afo ary olona 17.000 no nafindra toerana. 12 no maty ary 8.000 no tsy manan-kialofana noho ilay afo. Mbola niasa nanao izay hifehezana ny afo izay mbola nihanaka tamin'ny havoanan'ny fitodian-tsambo ireo ekipan'ny mpamonjy voina tamin'ny 15 Aprily 2014. Faritra iraikambin'ny folo no tratran'ny afo ary velaran-tany 850 hektara no may. 

Incendios-infografia

Sary ahitana ny momba ilay afo,  aparitaky ny [es] El Mercurio.

Ao Valparaiso no misy ny kongresy nasionalin'i Shily sy ny iray amin'ireo fitodian-tsambo lehibe ao amin'ny firenena. Nambaran'i UNESCO tamin'ny 2003 fa toeran'ny harenan'izao tontolo izao ity toerana manan-tantara ao amin'ny tanàna izay misy mponina 250.000, tsy tratry ny afo io faritra io.

Ambaran'i Angélica Mora ao amin'ny bilaoginy Notes from a Reporter ( Rakitra avy aminà mpanao gazety) [es], ny nanombohan'ny afo ary manome vaovao misimisy kokoa izy :

El siniestro, que abarca ya unas 270 hectáreas, comenzó como un incendio forestal en el camino La Pólvora, pero el fuerte viento hizo que se propagase a las zonas pobladas de los cerros La Cruz, El Vergel, Las Cañas y Mariposas.
[…]
Una enorme columna de humo, que está causando problemas respiratorios, especialmente a la población infantil y a los ancianos, se puede observar a decenas de kilómetros del lugar. En la extinción del incendio, que comenzó minutos después de las 16 del sábado y que fue creciendo a medida que avanzaba la tarde, trabajan unidades de bomberos de seis provincias, policías y equipos aéreos y terrestres de la Corporación Nacional Forestal y la Oficina Nacional de Emergencia.
[…]
La mayoría de las viviendas de Valparaíso, donde viven unas 250.000 personas, están construidas con material ligero, fácilmente inflamable, lo que unido al viento hace que los incendios sean frecuentes, pero no se recuerda alguno de esta magnitud.

Nanomboka tamin'ny firehetan'ny ala tao amin'ny làlan'i La Pólvora izay nandrakotra velaran-tany 270 hektara  ilay loza, saingy nisy rivotra mahery nampihanaka azy ho any amin'ilay havoana be mponin'i La Cruz, El Vergel, Las Cañas ary Mariposas. 

Andrin-tsetroka matevina, izay niteraka olana ara-pisefoana, indrindra tamin'ny ankizy sy ny antitra, no tazana hatrany amin'ny 10 km mahery. Mpamono afo avy amin'ny faritany enina, mpitandro filaminana ary hatramin'ireo ekipa an'habakabaka sy ety an-tanetin'ny Sampan-draharaham-pirenena momba ny Ala sy ny birao nasionalin'ny mpamonjy voina no niasa namono ny afo nanomboka ny sabotsy taorian'ny tamin'ny 4 ora hariva ary nitombo arakaraky ny fioson'ny tolakandro.
[…]
Matetika vita amin'ny fitaovana mora may, izay rehefa ampian'ny rivotra dia mitera-doza, ny ankamaroan'ny trano onenan'ny mponina 250.000 any Valparaiso, nefa tsy mbola nisy tahaka ity.

Incendio Valparaíso

Sary ao amin'ny Flickr avy amin'ny mpisera retoricaca (CC BY-NC 2.0)

Nangataka fanampiana ho an'ireo tra-boina ny 4320 blog [es] : 

Herramientas de mano. Guantes y bototos de seguridad. Cascos de seguridad. Chalecos refractantes de seguridad. Carretillas de mano. Planchas para auto construcción. Calaminas. Víveres no perecibles. Pañales para niños y adultos. Ropa de cama. Agua. Artículos de aseo. Ropa para niños (en buen estado). Utensilios para la casa. Artículos de colegio para niños y Otros elementos que ustedes estimen pertinentes.

Ireo fitaovam-piasàna entin-tànana, ny baoty sy ny fiaro tànana. Aro loha. Akanjo fiarovana misy tamberin-kazavana. Borety. Vy ho anà fanorenana. Vy miolana. Sakafo tsy mety simba. Lamban-jaza sy ho an'ny lehibe. Fitaovana handriana. Rano. Trano fidiovana. Akanjon'ankizy (mbola tsara). Fitaovana fampiasa ao an-trano. Fitaovam-pianarana ho an'ny ankizy ary fitaovana hafa izay heverinao fa ilaina.

Mandritra izany fotoana izany no nizaran'i  ARG Noticias [es] ny tenin'ny Filoha Michelle Bachelet: 

La presidenta de Chile, Michelle Bachelet, catalogó la tragedia como “el peor incendio de la historia de Valparaíso” y no descarta que la cifra de víctimas fatales pueda aumentar con el paso de las horas. Asimismo, anunció la suspensión de su gira por Argentina que comenzaría mañana [martes 15 de abril] para poder reunirse con su Gobierno y definir una gestión “eficiente” en el Puerto.
La mandataria encabezó ayer [domingo 13] un comité de emergencia en la ciudad portuaria y, por la tarde, visitó dos albergues habilitados en la Parroquia San Juan Bosco y en el colegio Gaspar Cabrales.

Nosokajian'ny Filohan'i Shily, Michelle Bachelet, ho ” ny afo ratsy indrindra teo amin'ny tantaran'i Valparaiso” iny loza iny ary ahiany fa mbola mitombo ny isan'ny maty arakaraky ny androsoan'ny ora. Nambarany ihany ko any fampiatoany ny fandehanany any Arzantina izay voaomana hanomboka ny ampitso [ Talata 15 Aprily] mba hahafahany mivory miaraka amin'ny governemantany sy hamaritra fitantanana “mahomby” ho an'ny fitodian-tsambo.  Notarihan'ny Filoha ny komitin'ny vonjy taitra ao amin'ny tanànan'ny fitodian-tsambo omaly [ Alahady 13 Aprily] tolakandro, sy ny famangiana ireo toby roa fialofana nametrahana ireo tra-boina ao amin'ny fiangonan’ i San Juan Bosco sy ny sekoly Gaspar Cabrales. 

Marobe ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Twitter, toy ity an'i BioBio Chile ity, mizara ny tantaran'ilay mpamono afo an-tsitrapo iray : 

[PHOTOS] Fijoroana vavolombelon'ilay mpamono afo  an-tsitrapo, maherifon'ny afo mahery vaika tany Valparaiso.

Ireto ihany koa misy fanavaozam-baovao momba ny afo :

Efa nihena ny herin'ny afo fa misy toerana telo mbola tsy maty ny afo any Valparaiso.

Mety ho 20 andro vao maty ny afo any Valparaiso hoy ny fampitandreman'ireo mpamonjy voina Shiliana.

Miantso ireo mpiara-miasa mba hifanampy aminy amin'ny famonjena ireo tra-boina noho ny #afo any Valparaiso ny fikambanan'ny mpitsabo.

Etsy andanin'izany, misy vaovao hafa notaterina mifandraika amin'ny afo : 

RT! Eto no toerana izay azonareo hanaterana ireo fanomezana hanampiana ireo tra-boina noho ny afo tany Valparaiso.

Nokarakarain'ireo tanora mpitsabo biby ireo biby fiompy tratra ny afo tany Valparaiso.

Niafara tamin'ny daroka tsy misy indra fo nanjo ilay mpanararaotra ny fanolanana ankizivavy tao afovoan'ny afo tany Valparaiso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.