Wikitongues: Raketo An-tahiry Ny Tenim-pirenenao

Screenshot from wikitongues.org (11-03-14)

Pikantsary avy amin'ny wikitongues.org (11-03-14)

Wikitongues dia tetikasa vaovao mikendry handrakitra an-tahiry ireo tenim-pirenena 7000 manerana izao tontolo izao.

Miantso ny olona ny tetikasa mba handray anjara amin'ny fanatontosana lahatsary azy ireo manokana izay mampiasa ny tenin-dreniny, mety hoe Alemaina, Urdu, Swahili na hafa izany, ary amin'ny alalan'ny kaonty Youtube no tena hanatontosana sy hizarana izany.

Manangana sehatra ahafahan'ny tsirairay mampiakatra ny lahatsarin'izy ireo manokana ankehitriny ny Wikitongues, manao izany ho tetikasa ifarimbonana- sy ho fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-bola. Manantena izy ireo fa ho tafakatra 100 ireo lahatsary 50 amin'ny faran'ny taona. Mpilatsaka an-tsitrapo antsoina hoe “ambasadaoro” monina any Soisa, Zimbaboe, Afrika Atsimo, Norvezy, Rosia ary Espaina no manampy amin'ny famoronana tahiry ahafahana mahazo fampafantarana mora foana.

Nilaza i Daniel Bogre Udell, mpiara-manorina ny tetikasa fa amin'ny fandraketana an-tahiry ireo olona isan-karazany avy amin'ny faritra samihafa mampiasa teny iray, dia manantena izy ireo hampiseho ny fisian'ny fampiharana ara-kolontsaina ny teny.

Ity ohatra iray amin'ny teny Anglisy, ahitana mpandray fitenenana avy ao Carolina Avaratra, Etazonia sy hafa iray avy ao Afrika Atsimo:



Misy ihany koa ny  sehatra natokana hoan'ireo mahay tenim-pirenena maro, olona miteny mihoatra ny tenim-pirenena iray :


Ahitana ilay antsoina mahazatra hoe “vitsy an'isa” tahaka ny K'iche (Quiché), zana-bondron'ny teny Maya, avy ao Goatemala ihany koa ireo lahatsary. Na dia izany aza, malina kokoa ny vondrona ka tsy mijery ny maha-maro an'isa na vitsy an'isa ny teny ao amin'ny habaka, fa mampifandanja tsara ireo karazana fiteny manokana na firy na firy ny fitambaran'ny isan'ireo mpandray fitenena manerantany.

Misafidy “Tenim-pirenen'ny herinandro” ihany koa ny Wikitongues ao amin'ny bilaogy Tumblr azy ireo, ahitana ireo rohy sy vaovao momba ny teny tsirairay avy. Ny teny Basque ohatra no nosafidiana farany teo.

Azonao arahina ao amin'ny Instagram sy Twitter ny tetikasa – midira aterineto raha hizara ny lahatsarinao manokana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.