Miara-miasa Amin'ny Fikambanana Melton Ny Global Voices Amin'ny Andian'ny Fampianarana Manaraka

Nametraka fiarahamiasa vaovao ny Global Voices sy ny Melton Foundation izay hahitana ekipam-mpanoratra avy ao amin'ny Global Voices hitari-dalana vondrona nahazo vatsy avy amin'ny Fikambanana Melton miompana momba ny bilaogy sy ny fikarohana momba ny media sosialy .

Mandritra ny efa-bolana hoavy, mpianatra enina nahazo vatsy avy amin'ny Melton avy ao Shily, India sy Shina no homena fiofanana amin'ny Aterineto mikasika ny fikarohana sy fanoratana ao amin'ny Global Voices. Ny tanjona dia ny hanasongadinana vahaolana amin'ny tsy fitoviana sy ny fanavakavahana ao amin'ny faritra misy azy ireo, sy ny hahazoana traikefa amin'ny fanoratana hoan'ny mpamaky manerantany.

Fanindroany izao ny Global Voices no hampiofana ireo nahazo vatsy avy amin'ny Melton, taorian'ny andiany voalohany nahitam-pahombiazana tamin'ny 2013.

Ny Fondation Melton dia mampiroborobo ny «maha-olo-manerantany ho fomba iray hahafahan'ny olona sy ny fikambanana hiara-miasa tsy voasakan-tsisintany sy ny fiavahan'ny tena mba hiatrehana ny fanamby manerantany”.

Nanazava izy ireo tao amin'ny habakany fa ny fampielezana fanentanana mikasika ny olan'ny fiarahamonina ao amin'ny forum tahaka ny Global Voices, “no anisan'ny maha-olom-pirenena eto amin'izao tontolo izao.”

This image illustrated an article written on Global Voices by a Melton Fellow in 2013. A customer in Mumbai, India inspects food grains before making his purchase. Image by Prasad Kholkute (CC-BY-SA 2.0)

Ity sary ity dia tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Globa Voices izay nosoratana mpianatra iray nahazo vatsy avy tamin'ny Melton taona 2013. Mpanjifa ao Mumbai, India mijery tsara ireo voamaina alohan'ny hividianana. Sary avy amin'i Prasad Kholkute (CC-BY-SA 2.0)

Ireto avy ireo lahatsoratra tao amin'ny Global Voices nosoratan'ireo nahazo vatsy avy tamin'ny Melton tamin'ny taona 2013:

Maromaro ireo fampiofanana notontosain'ny Global Voices hoan'ireo fikambanana mpiaramiasa tao anatin'ny taona maro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.