Ilay Mpiangaly Rap Ja Rule no Endrika 23000 dolara Vaovaon'ny Diamondran'i Botswana

 Jaid Barrymore and Ja Rule in February 2005. Photo released under Creative Commons bz Timothy M. Moore.

Jaid Barrymore sy Ja Rule tamin'ny volana Febroary 2005. Sary navoakan'i Timothy M.Moore tamin'ny alalan'ny zon'ny mpamorona Creative Commons.

Ilay mpiangaly rapy Amerikana Ja Rule no voafidy hanao dokambarotra ny diamondran'i Botsoana, ka nahatezitra mafy ny sasany tamin'ireo mpiserasera ao amin'ny firenena izany.

Nanambara ny Brand Botswana, sampan-draharaha ao amin'ny Fahefana ao Botswana Misahana Ny Fampiasam-bola sy Fampandrosoana ny Fanondranana entana ( BEDIA ), izay miara-miasa akaiky amin'ny governemanta, fa hokaramain'izy ireo vola mitentina 23 000 dolara ity mpiangaly rap ity amin'ny fivarotana diamondra – fanondran'ny firenena voalohany indrindra – fotoana fohy taorian'ny fampisehoana nataon'i Ja Rule tao amin'ny renivohitra Gaborone.

Araka ny tatitra avy amin'ny fampahalalam-baovao, mety hitombo ny totalin'ny vola haloa amin'ity mpanakanto ity satria mandinika izay azo atao amin'ny hanasongadina an'i Botswana ao amin'ny fampisehoan'ilay mpiangaly rap amin'ny fahitalavitra ny Brand Botswana sy Ja Rule. Ny fotoana ihany no hanambara raha hitondra tombombarotra hoan'ny Brand Botswana tokoa ity fampiasam-bola ity.

Fotoana fohy taorian'ny nivoahan'ny vaovao, niditra tao amin'ny Twitter ny olona manerana ny firenena mba haneho ny heviny mikasika ity tranga ity. “Hanakarama gadra teo aloha hanao dokambarotra ny diamondran'i Botswana, ao anatin'ny fotoana izay mampiahiahy izao tontolo izao amin'ny ady diamondra, ny Brand Botswana”, hoy ilay mpisera @vybem nanoratra tamim-pilantoana tanteraka.

Tsy niombon-kevitra tamin'ny fanapaha-kevitry ny Brand Botswana ireo olona marobe hafa:

Fanontaniana mila Valiny; Manakarama an'i Ja Rule 200K ny Brand Botswana Mba Hanao Fitetezana Jwaneng? Mety Hanome vola ny Mpizahantany Ihany koa isika atsy ho atsy! Tsidiho i Botswana & mahazòa vola ..

Hoy i Nuff RT @SibsMacd: Ry namana Brand Botswana; Amin'ny manaraka, Andao Hanome Marika Oliravina Botswana fa tsy i Ja Rule [kilalaonteny angisy]!

Omen'ny Brand Botswana vola P200.000 (23 000 dolara) i Ja Rule, manarama azy mba hanao dokambarotra ireo diamondran'i Botsoana O_O tokoa ve?

@BrandBotswana Fantatray fa mety JERENA ho fampiasam-bola natao tamim-pisainana tokoa izany. Saingy rehefa nodinihana avokoa ny zava-drehetra .. Tena nodinihana Tokoa? Tokoa?

Iriako mba hisy kolontsaim-pihetsiketsehana eto Botswana. Mahafantatra ny BTV (Fahitalavitra Botswana] Andriamanitra. Tsy hanome sombin-tsehatra hiresahana ny fahatezerana tao amin'ny twitter ny vaovao.

Miarahaba, @BrandBotswana. Henjana ihany ny P200000 [Pula Botsoana]  raha foy ho anà kintana lany manja avy any an-tany lavitra, sa tsy izany hoy ianao?

Tiako hazavaina amiko. Ahoana izany ny hanaovan'i Ja Rule zavatra ho antsika?

Ny sasany kosa nisafidy handray ny lafiny tsara amin'izany hoe manana mpiangaly rap hampiroborobo ny diamondran'i Botswana :

!!”@JustMaity: Tsy Ratsy!! “@Mchifo: Nokaramain'ny Brand Botsoana P200 000 izany i Ja Rule””

Mitandrema tsara amin'ny adihevitra ataonareo MANOHITRA ny Brand Botswana mampiasa an'i Ja Rule, misy ireo mpanakanto tena RATSY, ETO AN-TOERANA sy….[iraisampirenena]

Tsy tokony hampisaritaka anareo izany, mety efa nandany vola mihoatra noho izany amin'ny hevitra ratsy kokoa ny brand Botswana! Mifalia fa 200 000 fotsiny no nanombohan'i Ja Rule an'izany tpt

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.