Nahavonjy Zanaka “Loutres” Roa Ao Taiwan ny Mponina

Eurasian otter. Photo by Flickr user David Cook. CC BY-NC 2.0

Loutre Eoraziatika. Saripikan'ny mpisera Flickr David Cook. CC BY-NC 2.0

Voavonjin'ny mponina ao amin'ny nosin'i Kinmen ao Taiwan ny zanaka “loutres” roa, nilaozan-dreniny raha nisy asam-pananganana drafitrasa nandrava ny akaniny. 

Raha mifototra amin'ny fampafantarana [zh] nomen'ny Valan-Javaboarim-Pirenena ao Kinmen, dia hita tamin'ny voalohany avrily 2014 ireo zanaka “loutres” Eoraziatika kely roa. Ilay “loutres” lehibe kokoa dia milanja 530 grama, ary ilay hafa kosa milanja 480 grama. Nanombana ny manampahaizana ao amin'ny Vala fa tokony ho roa herinandro eo ho eo ny taonan'ireto biby roa ireo.

Nafindra ho ao Taipei ireo “loutres” ireo ary hokarakarain'ny Zoo Taipei.

Ao amin'ny nosy lehiben'i Taiwan, lany tarangana ny “loutres” Eoraziatika tamin'ny 1986 [zh] noho ny fandotoana ny renirano.Ao amin'ny nosin'i Kinmen, anefa, mbola misy latsaky ny 100 ny karazan'ity biby ity miaina ao amin'ny Valan-Javaboarim-Pirenen'i Kinmen.

Naharay “loutres” 27 [zh] hitan'ny mponina ny Valan-Javaboarim-Pirenena ao Kinmen hatramin'ny 1992, saingy telo ihany sisa velona.

Liwei Zhong nitatitra ny toe-piainan'ny “loutres” ao amin'ny lahatsary Facebook

金門國家公園管理處的新聞稿出來了
也有附一段照顧的畫面
分享給大家看看

由於金門水獺救傷的紀錄太少
不管是縣府還是金管處 
大家都很努力的想把這珍稀的物種保留下來
或許之前有些不好的經驗
但 還請大家給金管處多點鼓勵
照顧的同仁 聽說一夜沒有闔眼
後續也希望台北動物園接手的夥伴
努力讓他們長大

Miasa mafy ny rehetra mba hiarovana ireo “loutres” tandindonin-doza ireo.

Angamba ratsy fomba fiasa isika teo aloha, saingy miangavy mahaiza mankasitraka ny asa mafy ataon'ny Valan-Javaboarim-Pirenena ao Kinmen. Nahare aho fa tsy nipi-maso mihitsy nandritra ny alina iray manontolo ny ekipa nikarakara ny “loutres”. Manantena izahay fa hanao ny tsara indrindra ihany koa ny ao amin'ny Zoo ao Taipei, izay hiandraikitra ny fikarakarana azy ireo.

Screenshot from Liwei Zhong's Facebook video of the two rescued baby otters.

Pikantsary avy amin'ny lahatsary Facebook an'i Liwei Zhong ahitana ireo zanaka “loutres” voavonjy.

Nanazava [zh] ny fomba hiarovana ireo “loutres” ao Kinmen ihany koa ny Valan-Javaboarim-Pirenena ao Kinmen:

金門各水域水獺活動跡象較以往縮減且有分布破碎化趨勢,金門國家公園管理處林永發處長呼籲相關單位、民眾在工程施工時能多加注意周遭環境

Mihena sy mihakely dia mihakely ny rano ao amin'ny tontolo iainan'ny “loutres”. Miantso ny mponina sy ny departemanta misahana izay asam-pananganana eo amin'ny faritra ny lehiben'ny birao fitantanana ny Valan-Javaboarim-Pirenena ao Kinmen, Yung-Fa Lin, mba hanao ny fanaraha-maso mandritra ny fananganana zavatra iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.