Taratasy Nosoratana Iraniana Mpitoraka Bilaogy Voafonja Miresaka Momba Ny Fampijaliana Azy

Jailed since

Nosamborina tamin'ny taona 2010 i Siamak Mehr, Iraniana mpitoraka bilaogy,  ary nigadra nandritra ny 4 taona

I Mohammad Reza Pourshajari, mpitoraka bilaogy voafonja iray fantatra amin'ny anaram-bositra hoe Siamak Mehr, dia nanoratra taratasy misokatra iray azon'ny olon-drehetra vakiana avy any am-pigadrana izay nitantarany ny fampijaliana azy sy ny hamafin'ny fiainana any am-ponja. Niparitaka eraky ny vohikala maro ary naverina navoakan'izy ireo mihitsy aza tany amin'ny faramparan'ny volana Martsa tany ilay taratasy voasoratra tamin'ny faha 6 Martsa 2014.

Manefa sazy 4 taona any am-ponjan'i Hesar, any Karaj, Avaratra Andrefan'i Tehran ilay lahiantitra 52 taona mpitoraka bilaogy. Nosamborina izy ny 12 Septambra 2010 noho ny faniratsirany ny Mpaminany sy tsy fanomezany hasina an'Andriamanitra tao anatin'ny lahatsorany tao amin'ny  bilaoginy.

Nanoratra i Pourshajari tao anatin'ny taratasiny:

  … Vao avy nosamborin'ny mpitandro ny filaminana tao an-tranoko aho, dia nampijaliana, nodarohana ary norahonana hovonoina… Iray anatin'ireo niharan'ny famoretana ataon'ny fanjakana Islamika aho. Voaheloka hisazy an-tranomaizina mandritra ny efatra taona aho nohon'ny nanoratako mikasika ny fisian'ny tsy rariny sy ny tsy fanajàna ny zon'ny olom-pirenena [Iraniana]… Ao anatina trano efajoro mifefy vy mirefy 21 metatra toradroa aho no manoratra amin'izao fotoana izao, miaraka aminà mpiara-mifonja 40 izay mpamono olona, mpanolana vehivavy, ary mpifoka rongony… Tsy manisy lanjany tsotra izao ny zo fototry ny vahoaka ary manafoana ny fahalalahan'ny mponina ny Republika Islamika.

Any amin'ny faran'ny taratasiny, asainy ny vondrom-piaraha-monina iraisam-pirenena sy ireo  governemanta izay mitandro ny zon'olombelona mba hanampy ny vahoaka Iraniana mba hahazo ny zony sy ny fahalalahany.

Nanoratra taratasy ihany koa ny zanany vavy Mitra Pourshajari tamin'ny volana Febroary 2014, nanazava izy fa iharan-doza ny Rainy. Hoy izy:

Tsy nanaiky ny hamindra an'i Andriamatoa Pourshajari ho any amin'ny toeram-pitsaboana ny manam-pahefana ary tsy mamela azy hihinana ny fanafodiny, amin'izay maty haingana izy araka ny fanantenan'izy ireo.  Ho an'[ireo manampahefana mpitantana ny fonja], dia tsy manisy lanjany ny hevitra rehetra avy amin'ny dokotera ; tsy rahirahian'izy ireo akory ireto farany…. Terena hanaiky sy hanaraka ny baikon'ny eo amin'ny fitondrana ny vahoaka Iraniana rehetra.

Nisy pejy Facebook nosokafana ho fanohanana io mpitoraka bilaogy nogadraina io, nampidirina tao ny dika mitovy amin'ny taratasy rehetra nosoratany sy ny vaovao farany mikasika ny zava-drehetra manjo azy.

Ity ambany ity misy horonantsary iray, nampidirina tamin'ny volana Desambra 2011, mampiseho ny sarin'i Siamak Mehr misy rojo vy eo amin'ny tanany fony izy teny an-dàlana ho any amin'ny fitsarana angamba.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.