SARIPIKA: Fametrahana Afisy Goavambe Ao Pakistana Lasibatry Ny Drôna Amerikana

From the campaign's website. Photo meant for press use.

Ariel, tazana ao amin'ny afisy. Avy ao amin'ny hetsika antserasera #NotABugSplat. sary natao hampiasain'ny gazety.

Noho ny fanampian'ireo ao an-toerana, nisy fikambanan'ny mpanakanto miaraka amin'ny hetsika manohitra ny drôna (fiaramanidina tsy misy mpanamory) nametraka afisy goavambe ahitana ny sarin'ilay hany velona tamin'ny tifitry ny drôna tao an-tsahan'i Khyber Pakhtunkhwa, faritany manamorona an'i Waziristan, faritra ara-poko ihaodihaodian'ireo drôna Amerikana hatramin'ny taona 2004.

Ny hanomezana endrika maha-olombelona hoan'ireo sivily lasibatra tamin'ny daroka drôna Amerikana no tanjon'ny fisantaran'andraikitra. Araka ny filazan'ny Biraon'ny gazety mpanao fanadihadiana, nanomboka tamin'ny 2004, maherin'ny 380 ireo drôna nanao lasibatra an'i Pakistana, ka farafahakeliny olona 3500 no namoy ny ainy, ary ankizy avokoa ny 200 tamin'izany.

Mikendry ny hamongotra ireo mandatehezan'ny talibana ao Pakistana ny hetsika drôna Amerikana. Niampanga mivantana ny daroka drôna Amerikana ny governemanta Pakistaney teo aloha, saingy nilaza ny ampamoakan'ny Wiki-leaks fa nankatò miafina ny fanafihana izy ireo. Tamin'ny volana Mey 2013, namoaka didy ny fitsarana Pakistaney fa tsy ara-dalàna ireo daroka drôna CIA ao Pakistana.
Niparitaka be tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny diezy #NotABugSplat, anaran'ny hetsika ity sary eto ambany ity. Hita ao amin'ny habak'izy ireo:

In military slang, Predator drone operators often refer to kills as ‘bug splats’, since viewing the body through a grainy video image gives the sense of n ainsect being crushed.

To challenge this insensitivity as well as raise awareness of civilian casualties, an artist collective installed a massive portrait facing up in the heavily bombed Khyber Pukhtoonkhwa region of Pakistan, where drone attacks regularly occur. Now, when viewed by a drone camera, what an operator sees on his screen is not an anonymous dot on the landscape, but an innocent child victim’s face.

Amin'ny tenim-boton'ny miaramila, dia matetika tondroina ho ‘mpampintsana bug (bug splats)’ ireo mpikirakira ny drôna mpihaza olona, rehefa hita toy ny bibikely mihintsana ny fahitana ireo vatana amin'ny alalan'ny lahatsary mangorovitsika.

Mba hanoherana ity tsy fananana fiantrana ity sy hanairana ny fisian'ireo sivily lasibatra, nametraka sary goavambe eny ambonin'ny faritra tena iraradrarahan'ny baomba indrindra, ao Khyber Pukhtoonkhwa, Pakistan ny fikambanan'ny mpanakanto. Amin'izao, raha jerena avy amin'ny fakantsarin'ny drôna, tsy zavatra tsy fantatra ao amin'ny faritra talaky maso no hitan'ny mpikirakira drôna amin'ny efijeriny fa endrika ankizy lasibatra tsy manan-tsiny.

Setting up the poster.

Mametraka afisy. Avy amin'ny habaky ny hetsika #NotABugSplat. Natao ampiasaina amin'ny gazety ny sary.

Nilaza ny habaka fa “tsy manana anarana ilay ankizy ao amin'ny afisy”. Nilaza ny Fikambanana mpandala ny zo fototra, iray amin'ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-bola miaraka amin'ity hetsika ity, fa namoy ny ray aman-dreniny sy mpiray tampo aminy mbola kely noho ny daroka drôna izy.

Saingy toa nisy mpisera Twitter iray nahavita nampitovy ny endrik'ilay tovovavy taminà sary misy ireo lasibatry ny drôna tamin'ny taona 2009:

Hevero fa ity no loharano nipoiran'ilay sary nampiasaina tamin'ny hetsika fanoherana ny drôna ao Pakistana #NotABugSplat 

Zahra Ahmer naneho hevitra tao amin'ny habaky ny hetsika:

This is a beautiful post and the girl in the photo is so innocent, so pure and the way these drones have harmed her…its scary for me to these read comments which express empathy for the children but say using these machines is necessary. I mean, it is so ingrained in your brains that this is the ONLY means to fight the Taliban. Do you actually think so? Do you actually think that with all our technology and all our creativity, this is all we can come up with? It might be the easiest. But really, the only one? Well, I’d like to ask, would you like a government to hunt down criminals in this way among you? Especially a foreign government?

Any way of hunting down terrorists in a way that puts innocent people’s lives at risk should not be used. Instead a better method should be thought about and brought to actuality. It might be easier for you to accept this girl’s fate, living comfortably in your homes, but actually for a moment try to imagine her reality and her memories and the environment she will be living in. And please, really think about it and then say, drones are necessary.

Mahafinaritra ity lahatsoratra ity ary hita ho tsy manan-tsiny sy madio ilay zazavavy eo amin'ny sary, sy ny fomba nandratran'ny drôna [ny fony] … mampatahotra ahy ny mamaky ireo fanehoan-kevitra ireo izay maneho firaisam-po amin'ireo ankizy, kanefa milaza fa ilaina ny mampiasa ireny milina ireny. Ny tiako ambara, mifikitra tanteraka ao an-tsainao fa ity no fomba TOKANA hiadiana amin'ny Talibana. Efa nihevitra izany tokoa ve ianao? Mihevitra ve ianao fa amin'ny teknolojiantsika rehetra sy ny fahaiza-mamorona, dia izany ihany no azontsika atao? Izany angamba no mety ho tsotra indrindra. Saingy, izany irery tokoa ve? Eny ary, te hanontany aho, mila governemanta hihaza ireo jiolahy amin'izany fomba izany any aminareo ve ianao? Indrindra raha governemanta vahiny?

Tsy tokony atao ny fomba fihazana mpampihorohoro mety hitera-doza ny fiainan'ireo olona tsy manan-tsiny. Fa fomba tsara kokoa no tokony heverina ary ampafantarina. Mety mora aminao , monina am-piadanana ao an-tranonao, ny manaiky ny anjaran'ity tovovavy ity, saingy saintsaino ao anatin'ny fotoana fohy ny zava-misy iainany sy ny fahatsiarovana azy ary ny tontolo iainana ivelomany. Ary saintsaino tokoa izany azafady ary lazao avy eo fa ilaina ny drôna.

Villagers with the poster. From the #NotABugSplat campaign website. Photo meant for press use.

Mponina ao amin'ny faritra miaraka amin'ilay afisy. Avy amin'ny habaky ny hetsika #NotABugSplat. Natao ho ampiasina amin'ny gazety ny sary.

John Uebersax nanoratra hoe:

This is an excellent idea. Opposing military aggression with anger and hatred fuels continued aggression. It is better to appeal to conscience, so that the aggressor wakes up and realizes “What we are doing is wrong.”

Hevitra tsara tokoa izany. Mamelona ny setrasetra hatrany ny manohitra ny herisetran'ny miaramila an-katezerana sy amim-pankahalàna. Tsara kokoa ny manentana ny hafa hahatsiaro tena, mba hahataitra ireo mpisetrasetra sy hahatongavany saina fa “Tsy mety ny antaontsika.”

Nilaza ireo mpiaro ny drôna fa mety hampihena ny isan'ny niharam-boina ny fametrahana mazava ny daroka drôna. Saingy misy ny adihevitra mikasika ny isan'ireo sivily sy mpikatroka niharam-boina tamin'ity fanafihana ity. Hatramin'ny nanasokajian'i Etazonia ireo lehilahy rehetra manana taona afa-manao miaramila ho” mpiady fahavalo”, miovaova ny isan'ny niharam-boina avy amin'ny fikambanana tsy miankina mandrakitra an-tahirinkevitra ny isan'ny matin'ny drôna. Araka ny filazan'ny Amnesty International, tsy manana fitaovam-piadiana ny maro tamin'ireo niharam-boina tamin'ny drôna ary azo sokajiana ho heloka an'ady ireo fanafihana sasany. Nilaza ny tatitra avy amin'ny Vondrona Iraisam-pirenena momba ny Krizy fa fomba “tsy mahomby” hiadiana amin'ireo mpikatroka ao Pakistana ny daroka drôna.

Tsy nisy daroka drôna intsony tao Pakistana tao anatin'izay 100 andro izay; fiatòna lava indrindra nanomboka tamin'ny taona 2011. Nitatitra ny Washington Post fa nahenan'i Etazonia ny daroka drôna taorian'ny nangatahan'ny governemanta Pakistaney filaminana satria mitady resaka milamina amin'ny Talibana Pakistaney ry zareo.
 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.