Nandrodana Trano Fonenana Miisa 3.000 i Kamerona Ary Nahatonga Olona Miisa 15,000 Tsy Manana Trano Fialofana

Nanao tatitra ny fanatrehany maso [fr] ny fandravàna trano fonenana miisa 3.000 eo ho eo tany amin'ny faritr'i Nkomba, tanànan'i Douala tao Kamerona ilay mpitoraka bilaogy antsoina hoe Mathias Mouendé Ngamo. Tombatombanana ho mihoatra ny 15.000 ireo mpibodo mipetraka ao amin'ity tobin'ireo tsy manana trano fonenana ity, hita ao amin'ny tanin'ny vondrona miasa ho amin'ny Fampandrosoana sy Fitantanana ny sehatra indostrialy, vondron'orinasam-panjakana tompon'andraikitra amin'ny famoronana faritra indostrialy ao Kamerona:

Des policiers et gendarmes empêchent aux habitants de franchir le cordon de sécurité. Plus de 150 éléments des forces du maintien de l’ordre encadrent l’opération des casses. Ils sont constitués des policiers de l’Equipe spéciale d’intervention rapide (Esir), du Groupement mobile d’intervention n°2 (Gmi2), des gendarmes et des forces spéciales de la Misca. Les hommes en tenues sont armés de fusils, de matraques et de bombes à gaz lacrymogène. Des camions antiémeutes de la police et de la gendarmerie sont garés dans un coin. Une bombe à gaz lacrymogène est lancée pour repousser les sinistrés qui défient les forces de l’ordre. La foule se disperse…

C’est la troisième journée des casses au quartier Nkomba. Les déguerpissements ont débuté mercredi 26 mars 2014, vers 5 h. Les maisons ciblées sont celles établies sur le terrain de la Mission d’aménagement et de gestion des zones industrielles (Magzi).

Manakana ny vahoaka tsy hihoatra ny arofanin'ny fandriam-pahalemana ny polisy sy ny zandary. Maherin'ny 150 ireo mpitandro ny filaminanana manara-maso io fandrodanana trano io. Polisy avy ao amin'ny vondrona manokana mpanatanteraka asa tselatra (ESIR) sy vondrona mpamita iraka No. 2 (GMI2), sy zandary, ary hery manokana izay mpikambana ao amin'ny Iraka Iraisam-pirenena Ho Fanohanana ny Repoblika Centr'Africaine (MISCA) izy ireo. Mitàna basy, kibay ary baomba mandatsa-dranomaso avy ireo mpitandro ny filaminana ireo. Misy fiarabe fandravàna korontana nentin'izy ireo mijanona eny amin'ny kihon-dalana. Baomba mandatsa-dranomaso no atsipy amin'ireo tsy manana trano fonenana izay mikasa ny hanohitra azy ireo. Amin'izay dia miparitaka ny vahoaka.

Andro fahatelo amin'io asa fandrodanana ao Nkomba ity. Fandroahana izay efa nanomboka tamin'ny Alarobia 26 Martsa 2014 tamin'ny 5:00 maraina teo ho eo. Ireo trano voakasika amin'izany dia ireo naorina teo ambonin'ny tanin'ny vondrona miasa ho amin'ny Fampandrosoana sy Fitantanana ny sehatra indostrialy (MAGZI).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.