Fanomezana No Manome Aina Ny TV Mpanohitra

Images remixed by author.

Sary namboarin'i Andrey Tselikov.

Mbola mitolona ho amin'ny fisiany ny hany fantsom-pahitalavitra mahaleotena tanteraka ao Rosia, TV Rain, noho ny fanampian'ny mpijery azy. Ny telethon [tatitra Global Voices teny frantsay] naharitra herinandro niandoha tamin'ny faran'ny volana marsa dia zara raha nahafahana miodina mihoatra kely ny 53 andro [ru].

Natsangana amin'ny maha-mpampiely sary an-tserasera azy ny TV Rain tamin'ny Avrily 2010, ary nahazo mpijery mihoatra ny iray tapitrisa isam-bolana herintaona taty aoriana. Nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 2012 aza, dia mbola maromaro kokoa ny olona azony, noho izy irery manome sehatra ny mpitarika ao amin'ny fanoherana. Mialoha ny nanapahan'ny mpanome tolotra amin'ny hosina (cable) Rosiana azy hatramin'ny 90%, dia tokantrano 17,5 tapitrisa no tratrany. Fa hatramin'ny nisian'ny fahatapahana dia nidina hatrany amin'ny tokantrano 2,5 tapitrisa sisa ny mpanaraka.

Rehefa misahana hatrany amin'ny 70%-n'ny fidirambolan'ny  TV Rain ny dokambarotra amin'ny fahitalavitra, dia tsy maintsy nanova ny fomba fandraharahana ny fijotson'ny isan'ny mpijery. Nanapa-kevitra ny niangavy ny mpijery handoa sara-pisoratana anarana hijery sy hanao fanomezana ny fitantanana — fomba fahazoam-bola araka ny fanaon'ny fahitalavitra sy fampielezam-peo tandrefana sasantsasany, tahaka ny National Public Broadcasting any Amerika [Etazonia].

Nahazo fanohanana avy amin'ny mpiseraseran'ny RuNet ao Rosia sy any ivelany ny ezaka fanangonam-bola. Nisioka toy izao i Michael McFaul, masoivohon'i Etazonia tany Rosia teo aloha:

Mandalova kely ao amin'ny telethon karakarain'ny TVRain (http://t.co/EbDEKnLFJG). TVRain dia fanaovan-gazety misy kalitao sy mahaleotena ilain'i Rosia & izao tontolo izao

Manontany ao amin'ny tranonkalam-pamoahana ho an'ny mpanoratra (Proza.ru) ilay poeta Rosiana Andrei Lozhkin :

не лучше ли слышать, хоть иногда, альтернативное мнение? Если мнение будет только у государства, то с чем его сравнить будет можно?

Moa tsy tsaratsara kokoa ny mandre hevitra hafa, farafaharatsiny mba tsindraindray? Raha mba manankevitra moa ny fanjakana, amin'inona moa no hamptahanao azy ireny?

Araka ny nolazain'ny tompon'ny TV Rain [ru], Aleksandr Vinokurov, dia mila vola hatramin'ny atsasa-tapitrisa dolara (20,6 tapitrisa robla) isam-bolana ny fahitalavitra mba hiavota-tena. Izany tarehimarika izany dia atsasaky ny tetibola voalohany niomanana ho amin'ny taona 2014. Ho fampitahana, mandany 26 tapitrisa dolara (933 tapitrisa) isam-bolana ny fahitalavitry ny fanjakana Russia Today tamin'ny 2013. Nilaza i Vinokurov fa nampihena ny fandaniana araka izay tratra ny fantsom-pahitalavitra — amin'izao fotoana izao ny Filohan'ny Filakevi-Pitantanana dia mandray 14.000 robla (na $400) monja isam-bolana.

Avy any amin'ny Okrainiana ihany koa, izay mahita azy ho anisan'ny vitsy dia vitsy amin'ny loharanom-baovao rosiana azoazon'izy ireo, ny ampahany amin'ny fanohanana ny TV Rain. Araka ny Alexa, dia avy any Rosia 68.2%-n'ny mpijery ny TV Rain amin'ny aterineto ary avy any Okraina ny 11%. Na izany aza dia mihamitombo ny isan'ny Okrainiana mpijery. Tanelanelan'ny 16 ka hatramin'ny 29 marsa dia niakatra avy any amin'ny laharana faha-174 nankany amin'ny laharana faha-132 ny TV Rain tao Okraina. Niakatra ihany koa ny filaharan'ny tranonkala any Rosia, miaina avy any amin'ny laharana faha-101 nankany amin'ny laharana faha-76.

Na dia ampy vatsy ara-bola hampielezana ny feo sy sary ao anatin'ny roa volana aza ny TV Rain ary miha-miakatra ny isan'ny mpijery azy amin'ny aterineto, dia tsy misy maharo azy raha miova lalana ireo mpisahana ny sivana ao Rosia. Araka ny hita tamin'ny fanapenam-bava ny haba-tranonkalan'ny mpanohitra [tatitra Global Voices teny malagasy] nitranga vao haingana izay, dia afa-manakatona izay haba-tranonkalan'ny RuNet tsy voakitikitika ny ao Kremlin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.