Olan'ny Tontolo iainana : Namono Biby An'arivony Ny Haintany Any Kolombia

[Mankany amin'ny pejy  amin'ny teny Espaniola ny rohy rehetra raha tsy misy toromarika.]

Chigüiro. Foto de Pierre Poulquin en Flickr bajo licencia Creative Commons  (CC BY-NC 2.0)

Capybara. Sary avy amin'i Pierre Poulquin ao amin'ny Flickr, lisansa Creative Commons (CC BY-NC 2.0).

Namono biby maherin'ny 20.000 ilay haintany tany Paz de Ariporo any amin'ny Departemantan'i Casanare ny haintany — ka isan'ireny ny capybaras (karazana voalavo ngeza be), mamba lehibe be voamaso ary ny ombivavy, haintany izay nahagaga izao tontolo izao sy nanaitra ireo mpikatrka mafàna fo ary ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana.

Nanaparitaka taratasy iray ny Latin American Voice (ny Feon'i Amerika Latina) izay ilazàn'ireo mpikatroka mafàna fo fa alohan'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena, ny Fiaraha-miasa amin'ny Fanjakana Amerikana, sy ny Firenena mikambana dia ny Fanjakana Kolombiana sy ireo kaompanian-tsolika no heverina fa tompon'antoka amin'ny faharavan'ny tontolo iainana. Toy izao ny famintinan'ilay taratasy :  

Solicitamos lo antes posible se lance una alerta mundial para proteger nuestros derechos humanos y animales, en especial de los habitantes de Casanare, Colombia, y le exija al gobierno colombiano tome cartas en el asunto y brinde una solución pronta y efectiva a este desastre ambiental, exigiendo a las petroleras la responsabilidad con el ambiente y reduzcan su impacto ambiental, e inste al congreso colombiano a legislar en favor del medio ambiente y moderen el modelo extractivista que tanto daño le hace a la humanidad.

Angatahanay , haingana araka izay azo tanterahina, ny hanairana izao tontolo izao mba hiaro ny zon'ny maha olona anay, sy ny bibinay, indrindra fa ireo mponina any Casanare, Kolombia, ary angatahanay ihany koa ny handraisan'ny fitondrana Kolombiana an-tànana ny raharaha sy hitondràny vahaolana haingana sy mahomby amin'ity voina mahazo ny tontolo iainana ity, amin'ny alàlan'ny fangatahana ireo kaompanian-tsolika mba handray ny andraikitra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy hampihena ireo loto manimba ny tontolo iainana, ary hanery ny Kongresy Kolombiana hanao lalàna ho fiarovana ny tontolo iainana sy hanara-maso ireo endrika  fitrandrahana izay miteraka fahavoazana maro amin'ny olombelona.

Nanao fanentanana ny fikambanana hafa, izan'izany ny Avaaz.org, mba hitsipahana ny loza mianjady tontolo iainana amin'ity tohan-kevitra ity :

Han muerto cerca de 20 mil de animales.
El hydrochaeris hydrochaeris conocido como Chiguiro o Capibara esta catalogado en peligro de extinción y con la sequía se van a extinguir totalmente.
Están acabando con nuestro país.

Las petroleras deben: Hacer excavación de pozos artesanos

Sembrar… arboles nuevamente
Ser responsables socialmente, están matando nuestros animales. 
Haz clic aquí para ver el texto completo

Biby eo ho eo amin'ny 20.000 no maty.
Raisina ho efa biby tandindonin-doza ny hydrochaeris fantatra amin'ny hoe ‘capybara’ ary mety ho lany taranaka izy ity amin'ity haintany ity.
Mandrava ny firenentsika ry zareo.

Tsy maintsy manao lavaka arteziana ny kaompanian-tsolika

Mamboly hazo indray… 
Mandraisa andraikitra ara-tsosialy, vonoiny ireo bibintsika.
Tsindrio eto raha hijery ny lahatsoratra feno. 

Nolazain'i [es] Las 2 orillas fa ireo kaompanian-tsolika izay miasa amin'iny faritra iny no tompon'antoka amin'ny fahasimban'ny tontolo iainana :

La población afectada le atribuye el daño ambiental a la intervención de las compañías petroleras como Pacific Rubiales, Geo Park, Cecolsa, Ecopetrol, Petrominerales, Parex y New Granada; a propósito los estudios arrojan que para extraer un galón de petróleo se necesitan 10 galones de agua y que para refinar un galón de petróleo se necesitan 7000 mil litros del preciado liquido.

Natsipin'ireo olona niharam-boina any amin'ny asan'ireo kaompanian-tsolika toy ny Pacific Rubiales, Geo Park, Cecolsa, Ecopetrol, Petrominerales, Parex, ary New Granada ny andraikitra amin'ny faharavan'ny tontolo iainana ; hita tamin'ireo fandalinana natao fa mila rano 10 gallon (ventin-kadiry eo ho eo amin'ny 4.50 litatra = 1 gallon) ny fangalana solika iray gallon ary 7 tapitrisa gallon amin'io rano sarobidy io no ilaina mba hanadiovana solika iray gallon. 

Naverin'i Daniel Felipe García navoaka tao amin'ny Youtube ilay lahatsary avy amin'ny Fahitalavitra Caracol  izay ahitana ireo fotaka mandry nivadika ho lavaka, toerana ahafatesan'ireo biby ireo. Asehon'ilay lahatsary ihany koa ny fomba hamonjen'ireo vondrom-piarahamonina ireo biby mbola velona :  

http://youtu.be/Yggln7368Q0

Mandrtra izay fotoana izay ihany koa, naneho hevitra taoamin'nyTwitter ireo fikambanana hafa miaro ny tontolo iainana mba hisintonana ny saina ho amin'io olana ilàna vahaolana malaky io:   

Vokatry ny fiovan'ny toetr'andro ny haintany noho ireo fandraharahana ara-toekarena tsy mandray andraikitra manoloana ny tontolo iainana . 

Niantso hetsi-panoherana teo anoloan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana i Andrea Padilla ny 25 Martsa izay naverina tamin'ny 28, ora mitovy :

Talata faha 25, amin'ny 2 ora hariva, hetsi-panoherana eo amin'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana noho ireo zava-doza mianjady amin'ny biby any Casanare.

Misaotra anareo, @Lullyp noho ny DF. Haverina amin'ny alakamisy 28 amin'ny 2 ora hariva eo amin'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana. Tsy hiraviravy tànana isika.

Nitabataba tamin'ny tambajotra sosialy naneho ny hatezeranay ireo mponina, toa an'i  C Luis Alfonso Yepes:

Manafintohina ny olan'ny tontolo iainana any #Casanare, manafintohina ny valintenin'ny fanjakana, manafintohina ny “fandraisana anjara” ataon'ilay kaompanian-tsolika. Henatra tanteraka.

Ampangain'i Anibal Osorio ny familiana ny rano ataon'ilay kaompanian-tslika:

Rehefa nahodin'ny kaompanian-tsolika ny rano, an'arivony ny Capybara sy biby maro hafa no matin'ny hetaheta any Casanare.

Niteny tao amin'ny Twitter ihany koa ny Filohan'i Kolombia :

Handray fepetra manokana mba hanalefahana ny haintany any Casanare izahay miaraka amin'ny Mpanolotsaina Nasionaly momba ny loza voajanahary.

Raha toa ka lazain'ny loharanom-baovao sasany fa efa manokatra fanadihadiana ny ao amin'ny Mpampanoa lalàna ho fanampin'izay vahaolana avy amin'ireo vondrona samihafa ary efa misy ihany koa fandaharan'asa hanalefahana ny olana, dia manohy mamokatra adihevitra sy mampiroborobo ny fikatrohana dizitaly ihany ny tontolon'ny bilaogy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.