Ny Witness dia vondrona manome lanja ny fampiasana lahatsary sy fitantarana hoan'ireo mpikatroka amin'ny fampitam-baovao an'olo-tsotra mba hizarana vaovao fanitsakitsahana ny zon'Olombelona.
Tamin'ny 28 Marsa, nanatontosa ny #GVFace niaraka tamin'i Matisse Bustos Hawkes avy ao amin'ny Witness izahay mba hiresaka toro-hevitra mikasika ny fampiasana lahatsary hoentina hanaovana fisoloambava. Indreto sasany amin'ireo toro-hevitr'izy ireo sy fitaovana (toolkits) hoan'ireo mpikatroky ny lahatsary:
> Fitaovana famoronan-dahatsary hoan'ny fanovana, anisan'izany izay tokony hodinihana alohan'ny hanombohanao sy ny fomba famolavolàna drafitrasa. Fitaovana mamaly asa natokana hanampiana ireo mpikatroka hamolavola drafitra ara-tetikady amin'ny fampiasana lahatsary amin'ny hetsika ataon'izy ireo.
ALOHAN'NY FOTOANA
> Andian-dahatsary: fampahafantarana fohy mikasika ny lahatsary ho fisoloambava
> Anontanio aminao ireto fanontaniana 10 ireto alohan'ny hanombohanao ny fakàna sarimihetsika
MANDRITRA NY FOTOANA
> Mangalà sarimihetsika amin'ny findainao
> Andian-dahatsary: Ahoana no fomba fangalàna sarimihetsika mandritra ny fihetsiketsehana
> Toro-hevitra hoan'ireo mpikatroka: Toro-hevitra 10 lehibe voalohany hitarihana tafatafa
> Lisitra misy ireo fampiharana tsara indrindra amin'ny fangalàna sarimihetsika mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'Olombelona
> Andian-dahatsary: torohevitra sy teknika hahazoana vokatra tsara kokoa amin'ny fakana sarimihetsika
AORIANA
> Fijerena akaiky ny fiarovana ireo findainao
> Tetikady mahomby hoentina hizarana ireo votoaty
> Ahoana ny fomba fandefasana lahatsary amin'ny alalan'ny findainao
> Zon'ny mpamorona Creative Commons 101 sy Copyright 101
Jereo IHANY KOA ny bokikely Fanamarinana maimai-poana ao amin'ny aterineto
Azo jerena amin'ny teny hafa: Arabo, Swahili ary koa (tsy ho ela) Espaniola ny maro amin'ireo fitaovana ireo.