Korea Atsimo: Tsy Maintsy Mametaka “Marika Volafotsy” Amin'ny Fiarany Ireo Saofera Efa Antitra

Image of Senior Bus Driver, South Korea

Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Young Sok Yun (CC BY NC ND 2.0)

Nametraka volavolam-pitsipika vaovao ny polisy ao Korea Atsimo manery ny olona efa nahazoazo taona dia tokony hametraka “autocollant (sary na marika apetaka)” ao aorian'ny fiarany mba hahalalàna fa olona efa lehibe no mitondra ilay fiara.

Fiarahamonina miha-antitra vetivety [ko] i Korea Atsimo. Mahita ny Tahiry ofisialy fa amin'ny taona 2017, olona 65 taona mahery avokoa ny 17 isan-jaton'ny mponina. Milaza tahaka izany ihany koa ny tahiry avy amin'ny polisy [ko]: tsy ireo saofera efa antitra ihany no 10 isan-jaton'ny fitambaran'ny olona mitondra fiara, fa miakatra be ihany koa ny lozam-piarakodia nahafatesana olona izay mahavoarohirohy ireo olom-pirenena antitra, tsy tahaka ny tahan'ny lozam-piarakodia ankapobeny nahafatesan'olona, izay nahitam-pijotsoana.

Nahatonga ny governemanta handray fepetra izany. Nampiditra fipitsika ny polisy izay mitaky amin'ireo saofera lazondazony mba hametaka ilay antsoina hoe “marika volafotsy” [ko] – marika apetaka hita maso aorian'ny fiara izay milaza fa saofera efa antitra no mitondra ilay fiara (tahaka ity ohatra ny santionan'ny marika nataon'ny distrikam-paritra). Nampanantena ihany koa izy ireo fa tsy handefitra amin'ireo saofera antitra intsony ny polisy misahana ny fifamoivozana satria hoe antitra izy ireo. Ity ambany ity lahatsoratra vaovao [ko] mikasika izany lohahevitra izany, mivaky toy izao ny iray amin'ireo fanehoan-kevitra mahavariana:

일이삼사: 실버마크, 아줌마마크, 음주 전과자마크, 1년미만 초보마크, 정신병 이력자마크 등등등 다 의무화 해라. 이게 지금 대책이라고 내 놓은거냐??

Mpiserasera ID 1234: Ankoatra ilay marika volafotsy”, maninona raha manao marika Ajumma ihany koa [marika Koreana hoan'ny vehivavy antitra manambady], marika DUI, marika hoan'ny saofera vaovao natokana hoan'ireo izay mbola  latsaky ny herintaona no nitondrany fiara, marika ara-tsaina, ary manao izany ho tsy maintsy atao? Izany tokoa ve no fepetra tena noraisinareo?

Miahiahy kosa ny mpisera Twitter sasany fa karazana fanavakavahana ara-tsosialy hafa mifototra amin'ny taona indray ity ary nilaza ihany koa izy ireo fa mety hampidi-doza kokoa ireo olona antitra izany noho ireo jiolahy miandry kendritohina olona mora azo atao lasibatra.

Nivoaka ny vaovao mikasika ireo fitsipika vaovao izay mitaky amin'ireo saofera antitra hametaka ilay antsoina hoe “marika volafotsy”. http://t.co/XJSLZFxTwW Saingy karazana fanavakavahana hafa indray ve ity? Ny zavatra tokony nataon'izy ireo dia mametraka fepetra fanivànana henjakenjana kokoa rehefa mamoaka taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara. Tsy fantatr'izy ireo ve fa mety hohararaotin'ireo jiolahy miandry haza izao toe-javatra izao?

Fa inona loatra? Mety hitarika any amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona izany. Tokony ataon-dry zareo ho toro-hevitra fotsiny izany farafaharatsiny fa tsy atao didiko-fe-lehibe tsy maintsy arahina. Ary tsy ny marika velively no hahatonga ireo saofera hafa hitandrina kokoa manoloana ireo saofera antitra.

Sioka ofisialy (hosoka): Mitovy lokanga amin'ny fanaovana marika volafotsy napetraky ny governemanta hoan'ireo saofera antitra, ry namana mpisera Twitter, azafady, apetaho ny marika volafotsy raha olona efa antitra ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.