Nolanian'ny Kongresy Breziliana Ny Lalàna Momba Ny Zon'ny Mpisera Aterineto

Lany tao amin'ny Kongresim-pirenenan'i Brezila ihany nony farany ny lalàna Marco Civil ka tokony ho ao amin'ny Antenimieran-doholona indray ny latsa-bato manaraka. Nanjary lohahevitra malaza manerantany tao amin'ny Twitter ny lalàna momba ny zon'ny mpiserasera, taorian'ny fanentanana lehibe natao nandritra ny andron'ny latsa-bato tamin'ny 25 marsa 2014, tamin'ny alalan'ny diezy Twitter #MarcoCivil sy #EuQueroMarcoCivil (Mila ny Marco Civil aho).

Ny dika ankehitriny [pdf] amin'ilay lalàna dia manamafy ireo fepetra momba ny tsy fitongilanan'ny aterineto, ny fahalalaham-pitenena sy ny fiainana manokan'ireo mpiserasera.

Minisitry ny Kolontsaina sady mpanao mozika malaza, Gilberto Gil, izay nanao ny fanangonan-tsonia Avaaz “Hoan'ny aterineto maimai-poana sy demaokratika“, nisioka hoe:
 

Nandresy isika! Lany ny lalàna #MarcoCivil !! Hoan'ny habaka tsy mitongilana, fahalalaham-pitenena sy ny fiarovana ny fiainana manokana!

Ho an'i Sir Tim Berners-Lee, izany namorona ny aterineto, 25 taona lasa izay, ity no mety “fanomezana tsara indrindra hoan'ireo mpiserasera Breziliana sy hoan'izao tontolo izao”. Tamin'ny fanambarana fanohanana nivoaka andro mialoha ny latsa-bato, nilaza izy fa ny fandaniana ny lalàna Marco Civil dia “hanampy amin'ny fidirana amin'ny vanim-potoana vaovao – ka ho voaaro amin'ny alalan'ny zo nomerika ny zon'ireo olom-pirenena isaky ny firenena tsirairay ” :

Like the Web, Marco Civil has been built by its users – the groundbreaking, inclusive and participatory process has resulted in a policy that balances the rights and responsibilities of the individuals, governments and corporations who use the Internet. (…)  ultimately the draft Bill reflects the Internet as it should be: an open, neutral and decentralized network, in which users are the engine for collaboration and innovation.

Tahaka ny Habaka, natsangan'ireo mpampiasa azy ny lalàna Marco Civil – zava-baovao, iarahana sy andraisan'ny tsirairay anjara, avy amin'ny politika izay mampifandanja ny zo sy ny andraikitry ny tsirairay, ny govermanta sy ny orinasa izay mampiasa ny Aterineto. (…) ny dika farany tamin'ity lalàna ity dia taratry ny endriky ny aterineto: tambajotra misokatra, tsy mitanila ary voatsinjara, ka ireo mpiserasera ihany no milina amin'ny fiarahamiasa sy ny zava-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.