Navoaka Ny Fonja Ilay Bilaogera Ejypsiana Alaa Abdel Fattah

Navotsotra androany (23 Marsa) ilay bilaogera Ejypsiana malaza Alaa Abd El Fattah rehefa nandòa vola ary mbola miandry ny fitsarana azy, rehefa nofonjaina nandritra ny 115 andro noho izy voalaza fa nanitsakitsaka lalàna vaovao momba ny fanoherana-fihetsiketsehana.

Tany am-ponja i Abdel Fattah nandritra izany fotoana izany ary mbola tsy nandalo fitsarana. 

Ity lahatsary nalefan'i Mahmoud Salmani ity dia mampiseho an'i Abdel Fattah noarahabaina sy noraisin'ny fianakaviany sy ny namany rehefa nandao ny tobin'ny polisy izy:

Nizara ity sary ity kosa i Galal Amr izay mampiseho an'i Abdel Fattah manoroka ny vadiny Manal Hassan:

Navotsotra i Alaa Abdel Fattah (@alaa)

Tamin'ny sioka voalohany nalefany taorian'ny famotsorana azy, mampanantena ny mbola “hanohy” i Abdel Fattah:

“Mbola hanohy isika…”

Nadikan'i Nadine Marroushi tamin'ny teny anglisy ny sioka:

fandikan-teny tsara “nolokoinay tamin'ny doko ny rivotra. marina fa resy isika taoriaan'izay, saingy mbola hanohy isika” ?

Doko dia loko atifitra (spray) amin'ny fitenim-paritra Ejypsiana.

Ankoatra an'i Abd El Fattah, navotsotra androany ihany koa i Ahmed Abdel Rahman. Nosamborina niaraka tamin'i Abdel Fattha i Abdel Rahman, izay nandalo teo akaikin'ny fihetsiketsehana, raha niezaka namonjy ireo tovovavy sasany niharan'ny herisetran'ny polisy izy.

Tao amin'ny Twitter, nipoaka ny hafaliana.

Ahdaf Souief, nenintoan'i Abdel Fattah nihiaka hoe:

Hipoky ny hafaliana tao amin'ny Twitter tamin'ny famotsorana an'i @alaa. Mila maka aina ny solosaina findaiko.

Mona Seif, anabavin'i Abdel Fattah, nankalaza ny famotsarana ny anadahiny, hoy izy:

Eny an-dalana i Alaa sy Ahmed .. Ity no didim-pitsarana mahafaly indrindra manerantany

Na dia eo aza ny didy famotsorana azy, nasaina niandry nandritra ny ora maro tao ivelan'ny tobin'ny polisy ny fiankavian'i Abdel. Namariparitra izany tranga izany i Seif:

Niandry tao ivelan'ny foiben'ny polisy izahay ary tsy mazava aminay ny antony nampiandrasana anay ela be. Niantso anay ireo mpanao gazety sasany mba hilaza aminay fa rahampitso izy ireo no havoaka araka ny loharanom-baovao azon'izy ireo

Ary ho izy nanampy:

Efa nalòa ny vola ary efa fenonay avokoa ireo fomba amam-pitsipika arahina rehetra miaraka amin'ny minisiteram-panjakana sy ny tobin'ny polisy. Nandao ny fiaran'ny polisy i Ahmed Abdelrahman ary noentina tao amin'ny tobin'ny polisy nandritra ny fotoana maharitraritra. Inona no anton'ity fahatarana ity ary nahoana no misy sakantsakasana foana isaky ny misy dingana atao?

Nahemotra amin'ny 6 Aprily ny raharaha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.