Vehivavy Enina Notazonina Ho Andevo Tao Libanona Atsimo

One of the 6 enslaved women in South Lebanon

Iray amin'ireo 6 noandevozina any Libanona Atsimo

Navoakan'ilay tranonkala avy any Cote d'Ivoire antsoina hoe Koaci.com ny fisian'ny vehivavy enina notazonina ho toy ny andevo tao an-tanànan'i Nabatieh ao atsimon'i Libanona. Manoratra i Akissi Kouamé, mpanoratra ny fanadihadiana:

Deux togolaise, deux burkinabé et deux ghanéennes sont séquestrées depuis plus d'une semaine et sont sévèrement battues dans la ville de Nabatieh (sud du Liban) apprend t'on suite aux témoignages de deux d’entre elles ayant réussi à joindre la rédaction ivoirienne de koaci.com

Togoley roa, Burkinabé roa ary Ghaneana roa no nohidiana mihoatra ny herinandro ary nodarohana mafy tokoa tao an-tanànan'i Nabatieh, Libanon a atsimo, araka ny fijoroana vavolombeloa nataon'ny roa tamin'ireo afaka nifandray tamin'ny biraovan'i Koaci.com eto Code d'Ivoire

Tout est arrivé après qu'elles aient tenté de fuir leurs lieux d'exploitation après s'être rendues compte d'avoir été trompées par un réseau de recrutement qui œuvre depuis le continent africain en vue de livrer du personnel de maison à moindre cout dans un pays et une culture où les noirs sont encore considérés comme des humains de second rang comme constaté par ailleurs quotidiennement dans les pays d'Afrique où ces derniers sont implantés.

Nitranga izany rehetra izany rehefa nikasa ny handositra ny toera-niasana nahazoana fampijaliana azy izy ireo rehefa nahatsiaro voafitaky ny tambajotram-pandraisana mpiasa izay niasa taty amin'ny kaontinanta afrikana mba hahazoana mpiasa an-trano mora vidy any amin'ny firenena sy kolontsaina mametraka ny mainty ho olombelona sokajy ambany araka ny efa tsikaritry ny firenena afrikana izay ahitana azy ireny.

Avy eo izy nanatsonga ny tenin'ireo vehivavy roa:

“Je veux rentrer chez moi, on m'a amené en trois fois au bureau de la mafia pour être punie corporellement parce que j'ai jugé insupportable de continuer de vivre chez la dame” livre par téléphone ce samedi soir l'une d'entre elle, une togolaise , qui après avoir réussi a joindre koaci.com depuis un mobile se l'est vu retirer par sa “maitresse”. ” On m'a roué de gifles et d'autres punitions corporelles avant de m'amener dans une vielle maison avec d'autres filles également en otage qui ont simplement voulu arrêter, comme moi, de travailler chez leurs maitresses” livrera la togolaise âgée de 24 ans. “On nous a vendues dans ce pays” nous a t'elle indiqué en pleure ajoutant: ” On a des diplômes d'apprentissage et on nous dit que nous allions seulement venir travailler ici, et voila que nous sommes devenues des esclave “.

“Te-hody any an-tranoko aho, efa in-telo nentina tao amin'ny biraon'ny mafia aho hosaziana ara-batana satria tsy nahazaka niara-nonina tamin'ilay vehivavy, hoy ny resaky ny iray tamin'izy ireo tamin'ny telefonina, Togoley, izay afa-nifandray tamin'ny koaci.com am-pinday izay noraofin'i ‘Madama’ rehefa hitany fa niantso anay izy. “Nofelapelahana ny tehamaina aho sy ny fanasaziana ara-batana hafa nialoha ny nitondrana ahy tamin'ny trano tranainy iray miaraka amin'ny zatovovavy hafa izay notazonina an-kern,y ihany koa, tahaka ahy, fa te-hiala tsy hiasa any amin'ny patiraony avy” hoy ilay togoley 24 taona. “Namidy tany amin'ity firenena ity izahay” hoy ny teniny sady nitomany ary nampiany hoe: “manana ny diplaomam-pitaizana izahay ary nolazaina fa hiasa ihany no andehananay aty, saingy efa lasa andevo izahay.”

Nialoha ny hanapahany ny fifandraisana, dia afa-nanonona ny anaran'ny patiraony mpanandevo izy.

A nos interrogations quant au réseau, la victime aura le temps de nous livrer un nom, un certain Safi Kamal qui serait selon elle, le tout puissant patron de la nébuleuse. Il répondrait au numéro suivant 00961 037 64 569. Joint, ce dernier, nous raccrochera rapidement au nez à l'abord du sujet.

Rehefa nanontanianay momba ilay tambajotra dia nanam-potoana nilazana anarana iray izy, izany Safi Kamal izany izay, araka ny filazany, io no debaben'ny tambajotra. Araka ny voalaza dia mamaly amin'ity laharana ity izy: 00961 03 764 569. Rehefa nifandray tamin'io rangahy io izahay dia notapahiny haingana ny fifandraisana rehefa niresaka momba ny raharaha izahay.

Ora iray taty aoriana, nisy vehivavy Togoley iray faharoa niantso:

Une heure après la fin de la conversation avec l'otage, une autre, la seconde togolaise, sans nul doute motivé par sa compatriote koacinaute, tentera à son tour de nous joindre depuis ce numéro 00961 768 944 34. La conversation durera à peine 45 secondes quand, subitement, elle se coupera après avoir entendu des violents cris d'hommes et des “non ne me frappez pas” de la jeune femme sans nul doute surprise par ses geôliers libanais.

Ora iray taty aorian'ny resaka farany nifanaovanay tamin'ny notazonina an-keriny, dia nisy togoley faharoa, tsy isalasalana fa nampirisihan'ny mpiray tanindrazana aminy tao amin'ny Koaci, niezaka ny niantso anay tamin'ity laharana ity: 00961 76 894 434. Zara raha nisy 45 segondra ny fifampiresahana, dia tapaka tampoka izany rehefa re ny hiakan-dehilahy maro sy ny “aza kapohina aho!” izay tsy isalasalana fa tratran'ireo Libaney mpanagadra azy.

Nampiany avy eo:

Là encore, impossible nous sera de rentrer en contact avec la seconde victime âgée de 25 ans et originaire de Lomé. Sa dernière phrase qui nous glacera sera : “pardon, faites quelque chose pour me permettre de rejoindre ma famille en Afrique”.

Teto ihany koa, tsy nisy na inona na inona intsony nahafahana nifandray indray tamin'ilay lasibatra faharoa 25 taona avy any Lomé. Ny fehezanteny farany izay nampiontana any dia hoe: “Azafady, manaova zavatra ahafahako mifandray amin'ny fianakaviako any Afrika.”

Nandritra ny 10 andro, nijanona tao amin'ny Koaci ny vaovao, ary tsy nisy fampahalalam-baovao Libaney nahafantatra na inona na inona momba azy ity. Saingy rehefa nisy ny namoaka ny dikantsoratra tao amin'ny my blog, dia nanao famotorana (Arabic) momba ny raharaha avy hatrany i Dalal Mawad avy ao amin'ny Lebanese Broadcasting Corporation (LBC).

فما حقيقة هذه المعلومات التي تناقلها موقع إفريقي؟

Inona ny marina ao ambadiky ny filazana nataon'ilay haba-tranonkala Afrikana?

Indro ny famotorana navoaka tamin'ny teny vitsy: tamin'ny fampiasana ny laharana nomen'ny Koaci, dia nofitahan'i Dalal Mawad i Safi Kamal tamin'ny filazana fa liana izy ny hampiasa vehivavy mpanampy an-trano. Nanome toky i Kamal fa tsy azo avela hanana fotoana malalaka na hiresaka an-telefonina ilay mpanampy. Rehef ananontaniana izy hoe inona no mitranga raha manahirana ny patiraony ilay mpanampy dia nanome antoka ilay mpiantso i Kamal fa azo “karakaraina” izany. Tsy nahalala izy fa ny LBC no niantso azy, notsipahiny daholo ny zavatra rehetra rehefa taona tany Nabatiyeh hifampiresaka aminy i Mawad. Afa-nifampiresaka tamin'ny vehivavy hafa ihany, izay nilaza fa efa nokapohina indroa sy tsy navela hody, i Mawad.

Nilaza ny governemanta fa efa nanokatra ny famotorana amin'ity raharaha ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.