Maty, Indray, Ny Mpisintaka Rosiana No. 1

Doku Umarov. YouTube Screenshot.

Doku Umarov. Pikantsary YouTube.

Roa andro taorian'ny nandrotsahan'i Krimea vato hidirana ao amin'ny Federasiona Rosiana, dia nambaran'ny sampana ofisialin'ny Emiràn'i Kaokazy, hetsika mpisintaka mitam-piadiana any Rosia atsimo, fa maty ny fahavalo voalohan'ny fitondrana Rosiana Doku Umarov. Nihoatra ny telo volana taorian'ny fanombatombanana amin'izay momba an'i Umarov sy izay misy azy no nivoahan'izao fanambarana izao.

Nieboebo ny mpitarika Tsetsenina Ramzan Kadyrov tamin'ny Desambra 2013 raha lavitra indrindra fa matin'ny tafika manokana Tsetsenina i Umarov, fa tsy nanome antsipirihany ary tsy afa-nanome porofo hampivaingana ny fanambarany. Raha iverenana ny tamin'izany fotoana izany, nolavin'ny Ivontoerana Kavkaz ny fahafatesan'i Umarov, ary namoaka lahatsary [ru] tamin'ny YouTube ho porofony. Raha jerena ilay lahatsary dia noraiketina tamin'ny Septambra 2013 raha haingana indrindra, ary niteraka fanontaniana kokoa noho ny valiny momba ny fahafatesan'i Umarov sy ny hoavin'ny fikambanana milisy.

Niteraka fanombatombanana ny asam-pampihorohoroana roa sosona tao Volgograd [tatitra Global Voices], rehefa tsy nilaza ho tompon'andraikitra amin'ny fandarohana baomba i Umarov. Taoriana kelin'izany dia nanao fanambarana hafa indray i Kadyrov fa maty i Umarov. Nilaza ihany koa izy fa manana ny porofo amin'ny fivakisana misy eo amin'ny fitarihana ny Emirà amin'izay hisolo an'i Umarov. Nisy sombim-peon-dehilahy roa niady hevitra amin'izay handimby an'i Umarov tafaporitsaka tao amin'ny YouTube taorian'ny fanehoa-kevitr'i Kadyrov.

Ny fanambaran'ny Ivontoerana Kavkaz momba ny fahafatesan'i Umarov dia toa mamaly bontana [vindicate] ny fanambaran'i Kadyrov lasa aloha kokoa, zavatra izay tsy ananan'i Kadyrov olana hireharehana ao amin'ny kaontiny Instagram [ru]:

Мы ранее говорили, что Умаров не представляет никакой угрозы для Олимпиады Сочи2014, также мы заявляли, что уничтожим его до начала олимпийских игр. В ходе одной из спецопераций Умарова ликвидировали, о чем я и написал ранее. Теперь это подтверждено самими крысятами. Что еще нужно для спецслужб и СМИ, чтобы поверить в смерть террориста?

Efa nanambara izahay taloha fa tsy hiteraka tahotra amin'ny lalao olaimpikan'i Sochi 2014 i Umarov, efa nanambara ihany koa izahay fa hamita azy mialoha ny lalao olaimpika. Nandritra ny bemidina nataon'ny hery manokana no nahafaty an'i Umarov, araka ny efa nosoratako taloha. Ankehitriny dia nohamafisin-dry ilaikary isany [dikapetaka voalavo] mihitsy izany. Inona indray no mbola tadiavin'ny mpanao raharaham-piarovana sy ny gazety be mpanaraka hinoany ny fahafatesan'ity mpampihorohoro ity?

Nangingina ihany ny tontolom-blaogy Rosiana momba ity vaovao ity, angamba noho ny efa nanambarana imbetsaka loatra ny fahafatesan'i Umarov, nefa mety noho ny vaovaon'ny fanjanahana an'i Krimea ihany koa izay nametraka ny vaovao hafa rehetra any aoriana.

Afa-nifandray tamin'i Akhmed Zakaev, mpitarika ny Tsetsenina ampielezana, izay nanambara fa mety ho efa maty tamin'ny volana aogositra raha ela indrindra tamin'ny herintaona i Umarov, ny gazety Kommersant [ru]. Napetraky ny Kommersant ihany koa fa ny anton'ny fahafatesana dia mety ho avy amin'ny fahafatesan'ny sela avy amin'ny krizin'ny diabeta. Nandà tsy mety hiresaka momba izany fivoaran-draharaha izany ny Komity Nasionaly Rosiana Miady amin'ny Fampihorohoroana.

Kely ny zavatra fantatra [ru] momba ny mpitarika vaovao, ny hany fantatra dia tsy Tsetsenina izy, fa Avar avy any Dagestan. Misokatra ny adihevitra amin'izay dikan'izany ho an'ny fiokoana any Kaokazy Avaratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.