Solombavam-bahoaka Tajik Manohitra Ny Fifanambadian'ny Mpianadahy Tsy Omby Kibo

Toa mahaliana an'i Saodat Amirshoeva, vehivavy solombavam-bahoaka avy amin'ny Antoko demokratika entim-mbahoakan'i Tajikistan (PDPT)  an'ny FilohaTajikn ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny fanambadiana. Tany amin'ny 2010, izy no nanome soso-kevitra ny handraràna ny tovovavy tsy hanambady alohan'ny faha-22 taona. Tamin'ny 2013 dia nampitandrina ireo vehivavy Tajik izy tsy hanambady tsy silamo , ” indrindra ny Shinoa”. Miverina amin'ny foto-kevitra tiany izy amin'izao amin'ny fitenenana ny parlemanta handràra ny fifanambadian'ny mpianadahy tsy omby kibo. 

MP Saodat Amirshoeva

Saodat Amirshoeva,  solombavam-bahoaka

Notantarain'i  Amirshoeva tamin'ny resaka nataony tamin'ny mpanao gazety tamin'ny 4 Martsa fa “mivaona amin'ny tokony ho izy” ny mpianadahy mpivady ary tsiniany ilay fomba fanao amin'ny finoany azy ho anton'ny isa marobe an'ireo ankizy sembana eo am-pahaterahana. Maherin'ny ampahatelon'ny ankizy 25.500 sembana any Tajikistan no naterak'ireo ray aman-dreny izay mitovy raibe sy renibe, araka ny filazan'ilay solombavam-bahoaka. 

Fomba mahazatra any Tajikistan ny maka vady ao anatin'ny fianakaviana. Tohanan'ny sasany amin'ireo mpiserasera ety anaty aterineto ny hetsik'ilay solombavam-bahoaka. Toy izao no nosoratan'i Shodi amin'ny fanehoankevitra tamin'ny tatitry ny fampielezam-peo Ozodi ( Radio Free Europe/Radio Liberty ho an'ny Tajik ) : 

Депутатхои мухтарам ин конуна хатман кабул кунед,ин бадбахтии миллат аст, бо шахсони аз авлод берун оиладор шуда риштаи хешутабориро зиед кардан лозим аст

Ry [ solombavam-bahoaka ] malala, raha sitrakareo mbà fidio io lalàna io. Tsy mitondra soa ho an'ny firenena [ny mpianadahy mifanambady]. Tokony olona ivelan'ny fianakaviany no alain'ny [Tajiks] vady sady manitatra ny fifamatorana ara-pianakaviana izany.

Nampian'i [tj] Mirkhovand:

хамхобаги бо хеши наздик бадахлокии нафратангез аст. инчо масъалаи хукумату ислом нест масъалаи ахлок аст…

Sady ratsy no mivaona amin'ny tokony ho izy ny fanaovana firaisana ara-nofo amin'ny fianakaviana akaiky. Tsy olan'ny fitondrana na ny silamo izany fa olana eo amin'ny fisainana…

Nefa na dia izany aza dia maro ny mpiserasera amin'ny aterineto no manana ny antony hitsikerany izany hatsika izany. Nanontany i Khasan  [tj]: 

О ин мардум дигар кор надоранд. ха рурз ном нав куниву хучат навкуни. ба ин корхо оё мо пеш меравем? албатта не! хар рузе дар шабакахои Руссия кудакони навзодеро нишон медихат ки нокисусакл ё бо норасоии чисмони таваллуд шудаанд. магар онхохам хешу табор буданд? кадуюмаш минталитети мо ин талаботхоро кабул намекунад. дар дехот аксаран хама кариб хешутабори доранд.

Fa tsy misy atao ve ireo olona ireo e ? Tiany hovàna foana isan'andro ny anarantsika [jereo ny tatitra nataon'ny Global voices] na ovàna ny mombamomba antsika. Manampy antsika hivoatra ve izany rehetra izany ? Tsia, mazava loatra ! Asehon'ireo fahitalavitra Rosiana saika ho isan'andro mihitsy ireo zaza teraka manana fahsembanana. Moa ve nivady mpihavana koa ny ray aman-drenin'ireo zaza ireo ? Tsy avelan'ny fisainantsika hanaiky izany hetsika izany isika. Any amin'ireny vohitra ireny, saika misy ifandraisany daholo ny mponina ao amin'ny tanàna.

Mpamaky iray tsy nitonona anarana no nisalasala ny amin'ny fanamafisan'i Amirshoeva hoe ny mivady mpihavana no mahatonga ny fahasembanana eo amin'ny zaza vao teraka : 

Тахлилро хону кайф кун. Сабабхои маризихо инхо мебошанд….
Хонахои сард.
гушнаги.
дур аз тарбяи фарзанд.
асабони будани падар.
99.9 дар сад инро тахлилхо гувохи медихад.

Vakio ity fanadihadiana ity dia mifalia ! Ireto antony manaraka ireto no mahatonga ny fahasembanana [amin'ny ankizy] :
trano mangatsiaka
tsy fanjarian-tsakafo
fahatezeran'ny ray
Inoako 99.9% ny hanamarina an'io ny fanadihadiana.

Nanolo-kevitra  [tj] i Amir fa misy fomba tsara kokoa azo hampihenana ny isan'ny zaza sembana eo am-pahaterahana: 

…Маслихати ман ин аст; вакто мехохед чомеаи солим ба дунё биёяд, хешаст ё бегона пеш аз карори хостгори чавон писару духтарро аз муоинаи тибби бигзаронанд, хамчуноне,ки дар кодекс Чумхури (tjk) мавчуд аст. Хамун конуни бударо сахт гиранд, ин рохи осонаст. Дар Точикистон ин конун мувофикат намекунад. Ин фикри хатост. Издивочи хешутабори бадахлоки нест…

…Toy izao ny toro-hevitro : Raha te-hanan-janaka salama ianareo, dia tokony hanamarina ny toe-pahasalamany ireo tanora lahy sy vavy [ hanorin-tokatrano]  na ao anatin'ny fianakaviana ianao no maka vady na any ivelany. Misy andininy iray momba an'io raharaha io ao amin'ny  [lalàna] Tajik. Mora ny mampihatra ny lalàna. Tsy misy ilàna azy intsony ny lalàna [fanakanana ny mpianadahy tsy omby kibo tsy hivady] any Tajikistan. Hevitra tsy izy izany. Tsia, tsy mivoana amin'ny tokony ho izy izany ny fifanambadian'ny mpianadahy tsy omby kibo.

Ahiahian'i  [tj] Firuz fa avy any amin'ny firenena Tandrefana io fanapahan-kevitra fanakanana ny fivadian'ny mpianadahy tsy mby kibo io :

…Оё хамаи он анбиё ва уламову авлиёе,ки бо хешутабор издивоч карда буданд дур аз ахлок буданд? Кабули ин конун зидди шариъати Исломи буда ба ойини мо точикон мухолифат дорад!!!!! ИН афкори ГАРБЗАДАХО аст!!!!

…Heverinareo ve fa ireny mpaminany sy mpitondra fiangonana manao firaisana ara-nofo amin'ny havany ireny dia tsy mivoana amin'ny tokony ho izy ? Mety mifanohitra amin'ny lalàna sharia Silamo sy ny fomba amam-panao Tajika ny fandaniana io lalàna io ! Fisainana avy amin'ny olona maka ny fomba tandrefana izany !

Mpisera anankiray izay manoratra amin'ny solon'anarana hoe  ‘Mukhojir’ [Mpifindra monina], no nilaza [tj] fa mandany ny heriny amin-javatra hafa ny solombavam-bahoaka Tajik :

Ин конунро якуним хазорсол мешавад дар ягон давлати мусалмон зиндагимекардаги инро маън накардаанд.шумо намояндахои халк проблема кам доред ки боз ин конунхои хандаовар мебароред.бисери конуни кабулкардаи шумо хандаовар аст.як конун кабул кунед ки ба фоидаи халк бошад.кудакони навзоди точик ки аз хамма бисер мемуранд ин аз руи хешутабори нест ин аз руи кашоки бевитамини беназоратии духтурон аст.масъалаи порагиро бубинед кормандони давлати руирост пора мегиранду ягон чора дида намешавад…

Nandritra izay 1.500 taona lasa izay tsy nisy na dia [vondrom-piarahamonina] Silamo iray aza nandrara ny mpianadahy tsy omby kibo tsy hivady. Ianareo, solontenan'ny vahoaka indray no mibaribary izao fa manana olana ka manao izany lalàna mampihomehy izany ? Mampihomehy ny lalàna izay [ketrehinareo]. Nahoana no tsy lalàna ho an'ny tombontsoan'ny vahoaka no soratanareo ? Ny ankamaroan'ny zaza vao teraka maty any Tajikistan dia noho ny fahantrana, tsy fahampianà otrikaina, ary tsy ampy fikarakarana ara-pahasalamana. Ny olana amin'ny kolikoly no tokony ho vahanareo : Manaiky an-kalalahana [na mangataka] tolotolotra kely ny mpiasam-panjakana, nefa tsy misy na inona na inona natao momba izany….

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.