Iran: Voafafa Eo Amin'ny Sarin'ny Vaovao Ny Renin'ny Bilaogera Maty

Newspaper doctors photo

Indreto ny fomba roa namoahana ny sarin'ny fihaonana tao amin'ny Masoivohon'i Autriche tao Tehran, ny iray miaraka amin'ny renin'i Sattar Beheshti, ary ny iray tsy misy. Nilaza ny gazety Javan fa namboarin-dry zareo ny sary hiarovana [ilay reny]. Loharano tsy fantatra.

Nisy ny fampitandremana sy ny fihetsiketseham-panoherana avy amin'ny Iraniana maherivaika tamin'ny faran'ny herinandro teo, rehefa nihaona tamin'ny mpikatroky ny zon'olombelona maro tao amin'ny masoivohon'i Autriche ny Lehiben'ny Vaomieran'ny raharaham-bahiny ao amin'ny Vondrona Eoropeana Catherine Ashton tamin'ny Asabotsy 8 marsa 2014.

Ny zavatra miiba voasoratra ao amin'ny lahatsoratra momba ny fihaonana, dia ny nanamboamboaran'ny gazety mpandala ny nenti-pahazarana Javan ny sary namafana an'i Gohar Eshghi, renin'ny bilaogera Sattar Beheshti, izay maty nandritra ny fampijaliana nataon'ny polisy tao an-tranomaizin'ny kaomisarià tamin'ny 2012.

Namoaka ny sary roa miaraka amin'ny fanazavana taty aoriana ny Javan, nilazany fa nosivaniny ny sary hialana amin'ny tsikera mametraka ny reny efa betaona an'ilay bilaogera ho “mpampisara-bazana”.

Tapany Saddam, tapany Ashton

Mohammad Hassan Najmi nisioka sarim-praopagandy amin'ny takelaby ahitana ny tavan'i Ashton notapahina sy nampitohizina amin'ny tavan'i Saddam Hussein.

Tao Tehran, nisy afisy sasantsasany mipetaka amin'ny takelaby mandrafitra ny ila-tavan'i Ashton amin'ny ila-tavan'i Saddam Hussein [filoha Iraqi teo aloha iza nitarika ady tamin'i Iran nandritra ny taona 1980-88].

Manao sivana ry zareo satria matahotra

Mehdi Mohseni nisioka sarim-pananihaniana ny nanapahana ny sarin'ny renin'i Sattar Beheshti:

manao sivana ry zareo satria matahotra.

Mohammad Moni nisiokantserasera tamin'ny 11 Marsa amin'ny tahaka ny fisian'ny firaisana tsikombakomban'ny eo amin'ny fitondrana amin'ny fihetsiketseham-panoherana:

Mpianatra maro manao fihetsiketsehana manohitra ny fihaonan'i Ashton amin'ny mpikatroka eo anoloan'ny Masoivohon'i Autriche. Tadidio ao an-tsaina fa mila fahazoan-dalana ianao na dia amin'ny adi-rano aza eo. [olona maro no voasambotra rehefa nilalao ady rano teny ampahibemaso tamin'ny 2011]

“Rtoa Ashton, Iran anie ka tsy Ukraine”

Nisy vondron'olona vitsy maherivaika nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny Masoivohon'i Autriche. Ny iray amin'ireo manao hoe: “Rtoa Ashton, tsy Okraina aty.”

Ity no fitsidihana voalohany nataon'ny lehiben'ny vaomieran'ny raharaham-bahinin'ny Vondrona Eoropeana tao Iran hatramin'ny2008.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.