Ny Tambohoben'i Berlin Ho Anay Ao Siria

Ny “Syrian Students for a Better Future” (Siriana Mpianatra Mikatsaka Hoavy Mendrika Kokoa) dia bilaogy WordPress tantanan'ireo Siriana mpianatra ao amin'ny Ivon-toerana Momba ny Teknolojia ao Illinois. Mianatra any Etazonia ao anatin'ilay antsoina hoe Jusoor Initiative ho fanampiana ireo Siriana hanohy ny fianarany eny amin'ny ambaratonga ambony any ivelan'i Siria amin'ny fanolorana azy ireo vatsim-pianarana. Ilay bilaogy, izay mamoaka lahatsoratra amin'ny fiteny Arabo sy Anglisy, dia ahitàna taratra ny fanantenan'ireo mpianatra, ny fisalasalàny, ny tebiteby, ny fahatokiany, ny alahelo ny tany niaviana ary ny faniriana hsian'ny hoavy mendrika kokoa any an-tanindrazan-dry zareo.

Nanoratra ny lahatsorany “Our Berlin Wall in Syria” (Ny Tambohoben'i Berlin Ho anay ao Siria) i Safouh Takrouri tamin'ny filazana hoe:

Taorian'ny fampitambarana ny vahoaka Alemàna, nanomboka nanao drafitra ny amin'ny hoaviny ny isam-batan'olona sy ireo vondrom-piarahamonina. Hoavy lavitry ny ady, rà mandriaka ary fifandirana. Hoavy feno fahatanterahana sy fandrosoana.

Mizara ho vondrona roa ankehitriny ny olona any Siria – mety mbola hihoatra aza angamba. Manana ny fomba fijeriny ny vondrona tsirairay, ary mino izay fijeriny manokana izay ho an'ny hoavin'ny fireneny. Samy manana ny marina ireo vondrona tsirairay ireo amin'ny teboka sasantsasany; ary samy diso koa amin'ny maro hafa. Tsy isalasalàna, samy tia ny fireneny ny vondrona tsirairay ary vonona aza ny sasany hanome maimaimpoana ny ainy ho azy. Raha marobe ireo niharam-boina tamin'ity herisetra mahatsiravina ity sy niharitra hirifiry no tsy nitaky velively tambiny noho ny ainy sy ny an'ireo fianakaviany voakorontana vokatr'izany. Ny vahoaka sy ny tsirairay monina ao Siria dia manana zo hanome ny fomba fijeriny mikasika ny hoavin'ny firenena, toerana  hiainan'ny taranany aoriana, saingy ireny fomba fijery ireny – na samihafa toy ny inona aza – dia tokony ho hajaina. Fifanakalozan-kevitra mendrika, tsy mitanila, mangarahara no tokony ho tetikady entintsika miasa miaraka; io no tokony ho fepetra ara-maoraly, lalàna mifehy antsika – ary efa taonjato maro no toy io teto Siria. Ankehitriny, mandalo fotoan-tsarotra isika.

Na eo aza ireo zava-maloka tonga avy any Sira, tsy very fanantenana aho.

cropped-syrians_iitsign_iit1

Siriana Mpianatra Mikatsaka Hoavy Mendrika Kokoa. Loharano: bilaogy WordPress . Nampiasana ny BY CC 3.0

Mariela Shaker izay miofana haka ny diplaoma bakalaoreà amin'ny mozika ao amin'ny Oniversiten'i  Monmouth, ary nianatra tany amin'ny Oniversiten'i Aleppo University teo aloha, dia faly nifankahita tamin'ireo Siriana namany. Amin'ny fanantenana hoavy mendrika kokoa ho an'i Sira dia hoy izy:

Tena faran'izay manantena aho fa hanao izay faraheriny ireo Siriana rehetra mpianatra aty amin'ny Oniversite vaovao misy azy ireo, ary hanohy ny asa mafy mba hahafahanay manohy misolo tena tsara ny firenenay amin'ny sehatra rehetra, dia mba ho afaka mirehareha hatrany manana anay i Siria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.