Mandrisika Ireo Vehivavy Hanatratra Ny Tanjony Ny Fikambanana “Lean In Beijing”

Nahazo aingam-panahy tamin'ny boky ”Miroso: Vehivavy, Asa sy ny Finiavana Hitantana” (“Lean In: Women, Work, and the Will to Lead”) nosoratan'i Sheryl Sandberg, mpitantana ny Facebook, sy ny fikambanany iraisam-pirenena “Lean in”, nanangana ny “Lean in Beijing” ny vondrom-behivavy ao Shina mba hanampiana ireo vehivavy Shinoa hahatanteraka ny nofinofiny sy ny fikasany.

Ny fikambanana “Lean in” dia mandrisika ireo vehivavy mba hamorona “faribolana” ahitana vehivavy enina ka hatramin'ny folo hafa hivelaran'ny fifampizarana sy ny fifanohanana. Ankehitriny dia eo amin'ny 8000 eo ny faribolam-behivavy “Lean in” mifanampy manerantany. Natsangana tamin'ny Jiona 2013 ny “Lean in Beijing” ary mandrisika ny vehivavy mba hiara-hiasa ao Shina ho fanatratrarana ny tanjon'izy ireo amin'ny alalan'ny fampianarana sy ny fifanakalozana eo amin'ny fikambanana.

Mikarakara fihaonana sy adihevitra isam-bolana ny “Lean In Beijing” izay hizaran'ireo vehivavy ny tantarany sy ny traikefany mikasika ny asa sy ny fiainany andavanandro. Iray tamin'ireo lohahevitra ny “Ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny asa fanaovan-gazety” izay nahavoriana tanora matihanina sy mpianatra maniry hiditra eny an-tsehatra.

Mampiasa trano famakiam-boky “Lean In” iraisam-pirenena  fampianarana antserasera maimaipoana ho an'ny daholobe miresaka ireo lohahevitra tahaka ny fitarihana olona sy ny fifandraisana ihany koa ny fikambanana miorina ao Beijing. Mandritra izany fotoana izany dia mikasa hampivelatra trano famakiam-boky miorina ao an-toerana sy mampiasa fitaovana manokana mampiasa teny roa nampifanarahana amin'ny fanamby manokana ho an'i Shina ny fikambanana miorina ao Beijing.

Nitombo isa niainga avy amin'ny vehivavy Shinoa sy vahiny 70 mahery tamin'ny fivoriana voalohany tamin'ny volana Aogositra ka tafakatra maherin'ny 120 tao anatin'ny volana vitsy ny vondrona. Nizara tantara tamin'ny alalan'ny media sosialy ihany koa izy ireo. Manana mpanaraka WeChat maherin'ny 1000 ankehitriny ny vondron'izy ireo antsoina hoe “mpandini-draharaha” (think tank).

Book: Lean In

Bokin'i Sheryl Sandberg, “Lean In”

Tamin'ny taon-dasa, nanatontosa fanadihadiana ny “Lean in Beijing” mba hamaritra ireo olana maika indrindra momba ny asa, fianakaviana sy ny fiainana manokana izay atrehin'ireo vehivavy Shinoa. Araka ny vokatry ny fanadihadiana, ny fanamby atrehin'ireo tanora vehivavy Shinoa marobe dia ny teritery ara-tsosialy sy ara-pianakaviana mba hanambady tanora. Na dia eo aza ny fandrosoan'ny toekarena haingana eo amin'ny tontolo maoderina, mbola manjaka ireo lanjan'ny fomba amam-panao nentim-paharazana izay ny fianakaviana aloha no tokony omen'ny vehivavy lanja voalohany vao ny anton-draharaha. Tsy misy ny fandrisihana ireo vehivavy mba hiasa sy hanatratra ny tanjona eo amin'ny fiainany. 91% tamin'ireo olona natao fanadihadiana dia mbola tsy nandre izany hoe fikambanana momba ny fampandrosoana arak'asa ho an'ny vehivavy izany mihitsy, izay manamafy ny hevitr'i Sheryl Sandberg fa tsy mba misy fanohanana ny vehivavy eo amin'izany sehatra izany.

Nilaza i Charlotte Han, mpikambana ao amin'ny “Lean in Beijing” nandritra ny resadresaka tamin'ny gazety Atsimon'i Shina, Morning Post fa:

Chinese girls are educated to Customizebe gentle, quiet and passive, to find a stable job and a suitable man, get married and settle down. Ambition isn’t considered a good thing for women. After reading the book, I want to take a proactive attitude to pursuing what I want and engage in meaningful and challenging work that helps me to learn and grow.

Ampianarina ireo tovovavy Shinoa mba ho hendry, mangina sy mandefitra, mba hahita asa maharitra sy lehilahy sahaza, ary hahazo vady sy trano. Tsy sokajiana ho zavatra tsara ho an'ny vehivavy ny fananana hambo handroso. Rehefa avy namaky ilay boky aho dia te-hihetsika mafy am-pivitrihana hitozo hahazoako izay iriako ary hirotsaka an-tsehatra amin'ireo tetikasa lehibe sy feno fanamby izay manampy ahy hianatra sy hitombo.

Ny olana hafa izay atrehin'ny vehivavy maro Ao Shina dia amin'ny ankamaroan'ny tranga, tsy mitovy ny fampisondrotan-toerana sy karama azon'ny vehivavy raha oharina amin'ireo lehilahy mpiara-miasa aminy. Tamin'ny 2010, 67% amin'ny karama raisin'ny lehilahy no azon'ny vehivavy shinoa monina ao an-tanàndehibe, ary 56% kosa no azon'ny vehivavy eny ambanivohitra, araka ny fanadihadiana notontosain'ny Federasion'ny Vehivavy Shinoa miankina amin'ny fanjakana.

Nandritra ny fitsidihana tany Shina tamin'ny taona 2013, nihaona tamin'ireo mpikambana maromaro avy ao amin'ny “Lean In Beijing” i  Sheryl Sandberg tamin'ny 12 Septambra. Nanoratra fanambarana mikasika ny toe-javatra “tokana” iainan'ny vehivavy ao Shina tao amin'ny pejy Facebook-ny izy:

The fact that women could be seen as too educated to be desirable for marriage in a country with 24 million unmarried men shows that cultural norms about the balance of success within couples run deep.

Ny fahitana vehivavy sokajiana ho avara-pianarana loatra ka sarotra iriana hovadiana ao amin'ny firenena ahitana lehilahy tsy manambady 24 tapitrisa dia mampiseho fa tafapaka hatramin'ny lalina indrindra ny fenitra ara-kolontsaina momba ny fifandanjan'ny fahombiazana eo amin'ny mpifankatia.

Raha nanontaniana momba ny fanantenan'ny vehivavy amin'ny “Lean In Beijing” ny mpiara-manorina, Maggie Zhang nandritra ny resadresaka dia nilaza fa

I hope our activities encourage more people to want to be themselves, unafraid of society‘s judgment, to find out what they really like, and to chase their dreams and goals, even after they become a mother or wife.

Manantena aho fa handrisika olona maro kokoa hitady ny maha-izy azy, tsy hatahotra ny fitsaran'ny fiarahamonina, hahita izay tena iriany ary hahatanterahany ny nofinofiny sy tanjony ny lahasa ataonay, eny fa na dia efa lasa ramatoa na renim-pianakaviana aza ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.