Hifampitantana Amin'ny “Refugees United” Ny Global Voices

Refugees United

Refugees United

Mifandray be tsy toy ny taloha izao tontolo izao, saingy rehefa tapaka ny fifandraisana amin'ireo havan-tiana satria mandositra fifandonana na loza voajanahary ny mpialokaloka – dia mazàna mandrakizay izany. Amin'ireo mpialokaloka miisa 43 tapitrisa manerana ny tany, marobe ny isan'ireo izay tsy ho tafahoana intsony mihitsy amin'ny fianakaviany indray satria tsy ananan-dry zareo fotsiny izao ny fomba/fitaovana hanatràrany azy ireny.

Ny Refugees United dia fikambanana iray izay mampiasa ny aterineto sy ny finday hanampiana ireo fianakaviana rotika ireo. Mampakatra fotsiny ny mombamomba azy ireo heveriny fa azo zaraina ireo mpampiasa ny foto-drafitrasan-dry zareo izay ahafahan'izy ireo mijanona tsy mitonona anarana. Marobe ny olona no efa nahita ny havany na ny namany tamin'ny alàlan'ny “Refugees United”, saingy ny fitohizan'ny fahombiazan'ilay tolotra dia miankina indrindra indrindra amin'ny fahafantaran'ireo mpialokaloka hoe misy izy.

Ahoana no fomba hanatràrana azy ireo?

Hatramin'ny taona lasa, niasa niaraka tamin'ny “Refugees United” ireo mpandika lahatsoratry ny Global Voices nandika ireo antontan-kevitra fanentanana, media sosialy sy hafatra SMS mba ho amin'ny fiteny Swahili, Frantsay, Somaliana, Amharic, Sodane miteny Arabo ary ny Sodane iraisana. Nizara ihany koa ireo torohevitra avy ao an-toerana izahay mikasika ny fomba hanefena hafatra mazava sy mifanaraka amin'ny kolontsaina.

Miteny ny “Refugees United” fa mitady izay hahatratrarana olona 1 tapitrisa ry zareo hatramin'ny 2015 ary ny Global Voices dia mirehareha amin'ny fanomezana tohana ho azy.

“Ny fiaraha-miasanay amin'ny Global Voices dia porofon'ny fomba ahafahanay manatratra fianakaviana bebe kokoa amin'ny fiaraha-mandray anjara amin'ireo mpandika lahatsoratra sy bilaogera ao anatin'ny tambajotra matanjaka ananan-dry zareo,” hoy i Ida Jeng avy amin'ny “Refugees United”.

Ny herin'ny fifandrohizana

Ao amin'ny bilaogin'ny Refugees United dia misy tantara tsy tambo ho isaina mikasika ny any ambadiky ny bonga sy ireo fifandrohizana.

Ity lahatsary fanentanana ity dia milaza tantaranà vehivavy iray antsoina hoe Estelle izay nahita ny rahavaviny taorian'ny 16 taona nisarahana.

Ary ity lahatsary iray ity, iarahana aminà togole mpirahalahy tafasaraka nandritry ny 15 taona, izay tafahaona voalohany tao amin'ny “Google Hangout on Air” taorian'ny nahalalàn'ny andaniny sy ny ankilany ny toerana nisy azy tamin'ny alàlan'ny “Refugees United”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.