Tonizia: Noafahana am-ponja i Jabeur Mejri

Voatazona am-ponja rehefa namoaka kisarisary manebaka an'ilay mpaminany Muhammad tao amin'ny Pejy Facebook i Abeur Mejri, izay noafahana omaly [4 Martsa]

Nanambara [fr] izany fahafahany izany tany amin'ny mediam-bahoaka ireo komity mpanohana an'i Mejri, ny alin'ny nahafahana azy:

Détenu depuis deux années pour s’être exprimé, Jabeur Mejri a été libéré.
Le premier prisonnier d’opinion de Tunisie depuis les évènements de janvier 2011, a été libéré ce soir.

Rehefa voatazona nandritra ny roa taona, dia noafahana i Jabeur Mejri.

Noafahana io hariva io, ilay gadra voalohany noho ny fanehoan-kevitra hatramin'ny nanombohan'ny raharaha ny volana Janoary 2011 tao Tonizia

A #freejabeur protest in the capital Tunis on September 13, 2013

hetsik'ireo mpanohana ny fanafahana an'i Jabeur tao amin'ny renivohitra Tunis ny Septambra, 2013

Voasazy an-tranomaizina nanomboka ny Martsa 2012 i Mejri. Vaoheloka fito taona sy tapany an-tranomaizina izy noho ny famoahana votoaty “voasokajy ho fanohintohinana saina sy filaminam-bahoaka”, “fanompana ny hafa amin'ny alalan'ny tambajotra fifaneraserana” ary “hetraketraka amin'ny fitsipi-pitondratena”.

Namindra fo an'i Mejri ny fiadidiana ny filoham-pirenena ny 19 Febroary. Saingy nahagaga ireo mpanohana azy indray anefa fa voatazona am-ponja, noho ny raharaha “fanodikodinam-bola” tamin'ny Jolay 2011 ity lehilahy 30 taona ity. Ao anatin'izany tranga izany, no niampangana an'i Mejri ho nangalatra 1600 dinars (vola toniziana), teti-bidin'ny tapakila an-damasinina (metro) fony izy mbola niasa tamina orinasa fitaterana an-dalamby.

Na izany aza, ny faran'ny volana Janoary 2014 vao nivoaka ny didy fampisamborana, herinandro vitsivitsy talohan'ny nanambarana ny famelana ny helony.

Nadikan'ny komity mpanohana azy ho “fanenjehana ara-pitsarana” [fr] ny fipoiran'ity raharaha 2011 ity indray.

Si cette mise en liberté est une nouvelle de première importance, et une victoire pour l’ensemble des défenseurs de la Liberté de conscience et la liberté d’expression, le Comité de soutien restera actif tant que l’ensemble des charges retenues contre Jabeur Mejri seront maintenues, et tant que Jabeur Mejri n’aura pas été réhabilité.

Nous ne manquerons pas de communiquer et d’informer sur cette seconde affaire qui n’a eu d’autres objectifs que de maintenir Jabeur Mejri en prison en dépit de la grâce présidentielle.

Raha vaovao lehibe sy fandresena ho an'ireo mpiaro ny fahalalahana ara-panehoan-kevitra ity famotsorana ity, dia mbola hiasa hatrany kosa ireo komity mpanohana raha toa ka tazonina ireo vesatra nanenjehana an'i Jabeur Mejri, sy ny tsy famerenana ny zony.

Mbola hanohy ny fampitam-baovao sy ny fampahalalàna mahakasika ny tohin'ity raharaha ity izahay; Izay tsy mikendry afa-tsy ny hitazomana am-ponja an'i Jabeur Mejri na dia eo aza ny famelan-keloky ny filoha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.