Kiobà: Miakatra Daholo Afa-tsy Ny Karaman'ny Mpiasam-panjakana

Los precios de los productos alimenticios se han incrementado durante los últimos tiempos en Cuba (Foto cortesía de la autora)

Miakatra ny vidi-tsakafo ao Kiobà, tsy miova kosa ny karaman'ny mpiasa (Sarin'ny mpanoratra)

Nanamafy izay efa voalaza ny Kongresy nifarana vao haingana nokarakarain'ny Foiben'ny Mpiasa ao Kiobà (CCT), fikambanana tokana amin'ny karazany ao amin'ny firenena, fa raha misy ny fitomboan'ny vokatra, dia tsy hisy ny fiakaran'ny karaman'ny mpiasam-panjakana Kiobàna.

Ao Kiobà, 15 dolara isam-bolana araka ny sandam-bola Kiobàna ny salan-karaman'ny mpiasam-panjakana ao Kiobà. Mandritra izany fotoana izany, niakatra ny vidim-piainana tao anatin'izay taona vitsy izay, taorian'ny fanatanterahana ireo fepetra ara-toekarena tahaka ny fanafoanana ny fanohanan'ny fanjakana ny vidin-tsakafo sasany. Ankoatra izany, nahitam-pisondrotana goavana ihany koa ireo vidin-tsakafo eny amin'ny tsena tsy miankina.

Araka ny filazan'ny filohan'i Kiobà, Raúl Castro,

sería irresponsable y con efectos contraproducentes disponer un aumento generalizado de los salarios en el sector estatal, ya que lo único que causaría es una espiral inflacionaria en los precios, de no estar debidamente respaldado por un incremento suficiente de la oferta de bienes y servicios.

“Manaonao foana sady tsy mitera-bokatsoa ny fampiakarana ny karama ankapoben'ny mpiasam-panjakana, satria hiteraka fiakaran'ny vidim-piainana ankapobe raha tsy arahin'ny fitomboan'ny tolo-draharaha sy ny vokatra eny an-tsena”.

Nampiverina indray ny adihevitra nahavoafandrika an'i Kiobà ho ao anaty ranomodin'ny ny fampifandraisana ny fampiakarana ny karama amin'ny fitomboan'ny vokatra.

Nanipika ny voka-dratsin'izany ny sekretara vaovao voafidy tao amin'ny CCT, Ulises Guilarte:

Los problemas del salario se identifican como el principal obstáculo para el incremento de la productividad y la eficiencia, señalándose en no pocos lugares como causa de desmotivación, apatía y desinterés por el trabajo, con las consiguientes afectaciones en la disciplina laboral, el éxodo de trabajadores calificados hacia actividades mejor remuneradas pero menos exigentes desde el punto de vista profesional, produciéndose sin dudas un proceso de descapitalización de la fuerza de trabajo, lo que ha impactado fundamentalmente en las ramas industriales básicas, el Ministerio de la Construcción y otros, además de la negativa cada vez más frecuente a ser promovidos a responsabilidades de dirección.

Ny olan'ny karama no vatomisakana lehibe hampitomboana ny vokatra sy ny fahombiazana any amin'ny toerana maro, miteraka fahalainana sy tsy mampazoto miasa izany, izay miantraika any amin'ny fitsipi-pifehezana sy ny fandosiran'ny mpiasa kinga mankany amin'ny asa aman-draharaha ahazoam-bola kokoa sy tsy mitaky zavatra be loatra, ka mampihena be dia be ny herin'ny asa izay mahatratra hatrany ifotony ny indostria, ny minisiteran'ny fananganana tao-zava-baventy, ary ny hafa, ary ny fandavana ny fampakarana amin'ny toera-pitarihan'olona.

Nanamafy tamin'ny kabariny Raúl Castro fa hahazo fisondrota-karama ny mpiasan'ny fahasalamana, “satria ny fidiram-bola voalohan'ny firenena dia avy amin'ny asan'ireo dokotera an'arivony manolotra ny fahaizany ho an'ny any ivelany.”

Tamin'ny Janoary 2011, nanambara [es] ny ambasadera Breziliana ao Havana fa mahatratra 11.000 ny dokotera Kiobàna miasa any amin'ny faritra tena mahantra sy lavitry ny tanàndehibe ao amin'ny fireneny tamin'io taona io.

Noho ny fiarahamiasan'ny samy (ilabolantany) Tatsimo, dia mandrotsaka vola 500 tapitrisa dolara isan-taona amin'i Kiobà ny Fikambanana panamerikanan'ny fahasalamana.

Ao amin'ny bilaoginy mitondra ny anarana hoe Esquinas de Cuba i Alejandro Ulloa no mandresy lahatra [es]:

(…) De no lograr abundantes inversiones extranjeras, al igual que la recapitalización de importantes sectores productivos, la economía cubana estará moviéndose en este círculo vicioso, que atenta a todas luces contra el incremento del poder adquisitivo de los salarios, verdadero problema que afecta a la población hoy.

(…) Raha tsy misy fampiasam-bola vahiny betsaka, sy ny fanatsofohana anaty renivola ny sampan'asa lehibe mamokatra, dia ho tafahitsoka ao anatin'io ranomody io ny toe-karena Kiobàna, ranomody mandrahona mivantana ny fampakarana ny fahafaha-mividy, olana miantraika mivantana amin'ny mponina ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.