Tetikasa Fandikàn-teny Ifarimbonana Mampiroborobo Ny Teknolojian'olom-pirenena Ao Japana

Nirongatra manerantany ny fisantaran'andraikitra momba ny teknolojia hoan'ny olom-pirenena tao anatin'izay taona vitsy izay, izay mikendry hitrandraka ny teknolojia ho fanatsarana ny fiarahamonina. Tao Japana, mpitondra hevi-baovao avy amin'ny tanàna maromaro no nikarakara hackatons [hazakazaka iarahan'olo-maro mamoaka tetikasa sy mandrafitra izany] izay nampiasana raki-mbahoaka ary niafara tamin'ny fahazoana rindrambaiko sy fampihatra voarafitra tao anatin'ny fotoana fohy.

Hoan'ny ankamaroan'ny Japoney, mbola voambolana vahiny amin'izy ireo ny hoe “olom-pirenena (sivika)” sy ny “teknolojia”. Tsy mora ho azy ireo ny misaintsaina izany hoe fiarahan'ny teknolojian'ny fampafantarana sy ny fifandraisana ary ny fiarahamonim-pirenena mba hamaha ny olana ara-piarahamonina.

Tamin'ny volana Desambra 2013, nihaona tao Shibuya distrikan'i Tokyo ireo mpilatsaka an-tsitrapo ho mpandika teny mba hiady hevitra mikasika ny fomba hampidirana ohatra mivaingana mikasika ny teknolojia sivika hoan'ny Japoney. Nahita ny ”Ankoatran'ny mangarahara“ izy ireo, boky nosoratan'ny fikambanana Amerikana tsy mitady tombontsoa (Kaody hoan'i Amerika) Code for America, izay manangona ireo andrana mikasika ny fomba fianaran'ny fiarahamonina ny angona misokatra voaaron'ny lisansa Creative Commons Licence (CC-NC-SA -3.0), ary nanapa-kevitra hanatontosa tetikasa ifarimbonana mba handika izany boky izany ho amin'ny teny Japoney. Ahitana mpanao gazety mahaleotena, mpampianatra eny amin'ny oniveriste, sy mpiasa momba ny informatika ireo mpandray anjara; feno fientanam-po avokoa izy ireo handray anjara miaraka amin'ny fandikàn-teny.  

Niresaka momba ny tombontsoan'ny fandikan-teny ifarimbonana tao amin'ny bilaoginy [ja] i Hiroyasu Ichikawa, lehiben'ny tetikasa:

今回日本語化翻訳プロジェクトを始めて思ったことがあります。それは1人では出来ないことも、同じ想いや目的を持った方同志で心地よくコラボレーションが行われた際、「1+1>2」が可能になるかもしれない!ということでした。

Misy zavatra tsikaritro taorian'ny fanombohan'ny tetikasa fandikàn-teny: na dia misy olona iray tsy mahatontosa izany aza, rehefa miara-miasa amin'ny olona mitovy hevitra – olona mitovy fijery na tanjona – mitombo ny vokatra ary hahazoana  “1+1 > 2″ [mihoatra noho ny vitan'ny olona tsirairay mandeha irery roa ny vitan'olona roa miaraka]

Mampiasa Transifex ity tetikasa ity, sehatra ahafahan'ny tsirairay mandray anjara amin'ny tetikasa fandikan-teny, na dia ao anatin'ny minitra vitsy fotsiny amin'ny fotoana mampalalaka azy ireo aza. Ny ‘Kaody Hoan'ny Japàna” izay mampiroborobo ny teknolojian'Olom-pirenena ao Japàna ihany koa dia mikasa hanome sehatra fanamarinana ny lahatsoratra. Amin'izao fotoana izao, 25%n'ny lahatsoratra no efa tafiditra ao anaty aterineto [japoney], azo vakiana amin'ny teny Japoney. 

Ny tanjon'izy ireo dia ny hahavitàna ny tetikasa any amin'ny lohataona any. Rehefa vita ny fandikàn-teny, mety hitarika fisantaran'andraikitra momba ny teknolojia hoan'olom-pirenena bebe kokoa indray ao Japàna, izay antenaina fa ho ohatra hoan'ny tontolo miteny Anglisy mba hijery ny hoavy.

Ny hajiantsary dia avy amin'ny pejin'ny tetikasam-pandikanteny Beyond Transparency.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.