Ankona Sy Mitsiriritra Eo Ampijerena An'i Okraina I Iran

Ukraine protests

Fihetsiketsehana tao Okraina, sary avy amin'ny Farda News ao Iran

Notantaraina am-pientanampo tamin'ny fampahalalam-baovao Iraniana ny fihetsiketsehana tao Okraina sy ny fanovana fitondrana tao Kiev. Raha nahatsikaritra teti-drasy Tandrefana tarihin'i Etazonia sy Eoropa amin'izany ireo manampahefana Iraniana, nahatsiahy ny revolisiona nikarakarana fihetsiketsehana goavana indray mandeha ho fanoherana ny fitondrana ao amin'izy ireo izay tsy nahomby tao amin'izy ireo kosa ny Iraniana.

Nilaza ny minisitry ny fitsarana Iraniana fa tsy azo hampitahaina amin'i Okraina i Iran, saingy maro ireo Iraniana no nanao kisarisary mampitovy izany amin'ny Fihetsiketsehana Hetsika Maitso taorian'ny fifidianana filoham-pirenena 2009.

Nanoratra [fa] ilay bilaogera Iraniana Abgosht, fa misy antony maro no mahatonga an'i Okraina (sy Tonizia) nahomby tamin'izay tsy nahombiazan'ny Iranianao:

The short and useful answer is that the red line for Ukraine's and Tunisia's [opposition] movement leaders was democracy, while the Iranian ones would maintain the regime's [establishment] framework… their people are not traitors, their police and security forces are good people, ours are thugs who believe national interests take priority over individual ones.

Ny valinteny fohy sy mahasoa dia ny tsipika tsy azo ihoarana nodikain”ireo mpitarika ny hetsika [mpanohitra] tao Okraina sy Tonizia no demaokrasia, raha toa ka nifikitra tamin'ny rafitra napetraky ny fitondrana kosa ny Iraniana… tsy mpamadika ny olona ao amin'izy ireo, olona mendrika ny polisy sy ny mpitandro ny filaminana ao amin'izy ireo, ny antsika kosa jiolahimboto izay mihevitra fa ny tombotsoam-pirenena no laharam-pahamehana noho ny tombotsoa manokana.

Tao amin'ny Twitter, mamazivazy ny lehiben'ny tafika Iraniana i Sarah, Hassan Firoozabadi izay niteny fa “fandosiran'ny fahaleovantena mankany amin'ny fiankinan-doha ny revolisiona Okraniana.”

Nisioka [fa] tamin'ny fanatsongàna ny tenin'ilay mpanoratra Iraniana Ebrahim Nabavi izyi:

Tsy fantatro hoe nahoana ireo manampahefana Iraniana no toa miahiahy fatratra izany fahaleovantenan'ny firenena izany mihoatra amin'ny olompirenen'i Okraina, Palestina, Irak ary Liban.

Free Democratic Iran nisioka, tamin'ny fanatsongàna lohatenim-baovao tao amin'ny gazety tena mpandala ny nentim-paharazana Iraniana, Keyhan :

Mivoaka ny gazety Kayhan: “Naka fahefana indray niaraka tamin'ny fanampian'i Etazonia sy Eoropa ny Hery Laoranjy tao Okraina

@_Cafe nisioka am-piesoesoana:

Mandroso kokoa noho i Okraina isika. Izany no mahatonga ahy mila rindrambaiko manohitra-fanivanana mba ahafahako manoratra ity teny fohy ity ao amin'ny aterineto.

Nima Akbarpour nisioka hoe [fa]:

Ny toe-draharaha ao Okraina dia mampahatsiahy ahy ilay horonantsarimihetsika Zapata, izay nahazoan'ireo revolisionera ny fitondrana ary avy eo manaraka ny lalana mahazatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.