El ‘Chapo’ Guzmán, Olona Karohina Indrindra Eto An-Tany, Voasambotra Tao Meksika

"El Chapo" Guzman es transferido a un helicóptero de la Policia Federal el 22 de febrero, 2014. Foto por Omar Franco Pérez Reyes, copyright Demotix.

“El Chapo” Guzman hampidirina amin'ny angidimbin'ny Polisy Federaly tamin'ny 22 Febroary 2014. Sarin'i Omar Franco Pérez Reyes, copyright Demotix.

Tao amin'ny moron-dranomasina ho an'ny mpizahantany ao Mazatlán ao amin'ny fanjakana Sinaloa ao avaratra atsinanan'i Meksika i Joaquín Guzmán Loera, izay fantatra ihany koa ho El “Chapo”, no natazonina vonjimaika noho ny vesatra fiampangana azy ho manao trafikan-drongony, fikambana-jiolahy ary famonoan'olona maro.

Taorian'ny famonoan'ny ekipan'ny Navy SEAL avy ao Etazonia an'i Osama bin Laden tamin'ny Mey 2011, dia i El “Chapo” Guzmán indray no olona karohina indrindra manerana izao tontolo izao. Heverina ho iray amin'ireo olona manampahefana indrindra eto amin'ny planeta ihany koa i Guzmán, araka ny gazety-boky Forbes, izay nanondro azy ho Filoha Tale Jeneralin'ny Cartel Sinaloa.

Efa notazonina tao amin'ny fomba tsara ambina indrindra tao am-ponjan'i Meksika tao amin'ny fanjakana Jalisco i Guzmán; saingy afa-nandositra tamin'ny fomba mampiahiahy tamin'ny 2001 nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha Vicente Fox.

Ny Associated Press no iray amin'ny sampana mpanangom-baovao nanely voalohany tao amin'ny kaontiny Twitter ny fisamborana tamin'ny 22 Febroary 2014:

Vaovao mafana: Ofisialy Etazonia: Voasambotry ny manampahefana ao Etazonia sy Meksika i “Chapo” lehiben'ny rongony

Narahina famoahan-kevitra tao amin'ny Twitter ny vaovao ka tonga hatramin'ny fananihaniana momba ity raharaha ity:

Tsy fantatro aho hoe niasa ho an'ny C.I.A. miaraka amin'ireto ekspera maro dia maro ao amin'ny mpitandro ny filaminana nasionaly! Miresaka momba ny fisamborana an'i Chapo

Manontany ny fotoana marina nisamborana ilay lehiben-drongony ny mpisera Pablo M. Aguilar rehefa nahita ilay fitantarana mapiady hevitra navoakan'ny gazety-boky TIME:

Mahavariana ihany raha nitranga roa andro nialoha ny namoahan'ny gazety-boky TIME ny tantaran'i EPN [Filoha Meksikana Enrique Peña Nieto] miaraka amin'ny tarigetra hoe “Manavotra an'i Meksika” ny nisamborana an'i Chapo.

Navoitran'i Isaias Villa G fa tokony hisy ny fanadihadiana lalindalina kokoa:

Tsy hoe miahiahy na manamaivana ny fisamborana an'i Chapo, fa tokony ho fantatra mazava ny halalin'ny fifandraisany amin'i Meksika sy i Etazonia

John M. Ackerman, mpanohitra fanta-daza ny fitondran'i Enrique Peña Nieto, nilaza tahaka izao momba ny fisamborana an'i El Chapo:

Chapo Guzmán no lehiben-drongony [nahazo fankatoavana] tamin'i Fox sy Calderon. Iza no mpandimby azy amin'ny vanim-potoanan'i Peña? “fifandimbiasam-pahefana” demaokratika goavana.

Ny mpanao gazety Ciro Gómez Leyva [es] niresaka momba izay mety ho fidirana an-tsehatry ny Andrim-panjakan'i Etazonia Mpampihatra ny Lalàna Momba ny Rongony tamin'ny fitazonana an'i Guzmán:

Nosotros, la DEA, atrapamos a El Chapo Guzmán junto con marinos mexicanos. Eso es al menos lo que podía leerse desde anoche en el New York Times, y que se acoplaría con la forma en que se fue conociendo la noticia el sábado.

Antes que cualquier funcionario, AP y el propio New York Times confirmaron, con todo y fotografía, la nota de la captura de El Chapo. ¿Quién les filtró menudo banquete? ¿El gobierno mexicano (por razones que podrían ser entendibles), o fue la DEA? La noticia oficial la dio el presidente Peña Nieto a las 13:43, con un retraso de casi tres horas respecto de los adelantos que salieron de Estados Unidos.

Izahay, DEA, no nisambotra an'i El Chapo Guzmán niaraka tamin'ny tafika an-dranomasina Meksikana. Izay farafaharatsiny no navoakan'ny New York Times halina, ary izay no mifanaraka tamin'ny fivoakan'ny vaovao tamin'ny Asabotsy.

Nialoha ny an'ny manampahefana no nanamafisan'ny AP sy ny New York Times, niaraka tamin'ny sary, ny fisamborana an'i El Chapo. Iza no namoaka voalohany? Ny governemanta Meksikana (noho ny antony azo takarina), sa ny DEA? Ny vaovao ofisialy dia navoakan'ny filoha Peña Nieto tamin'ny 13:43, efa ho telo ora taorian'ny nivoahan'ny vaovao tany Etazonia.

Voasambotra i El “Chapo” Guzmán rehefa miharatsy ny herisetra ao Michoacán (fanjakana fehezin'ny vondrona mitam-piadiana fahavalon'ny Cartel Sinaloa) sy taona maro nanombohan'ny “ady” amin'ny fikambanan-jiolahy – izay efa nahafatesan'olona (Meksikana) an'arivony. 

Ity no fisamborana olona ambony faharoa nandritra ny fitondrana Enrique Peña Nieto. Ny talohany moa dia i Elba Esther Gordillo, fantatra ihany koa ho ny “Maestra”,[Mpampianatra]  voasambotra tamin'ny Febroary 2013.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.