GV Face: Hetsi-Panoherana Ao Venezoelà

Misedra olana ara-toekarena, politika ary sosialy i Venezoelà amin'izao fotoana izao izay nahatonga olona an'arivony maro nidina an-dalambe haneho ny tsy hafaliany. Efa maherin'ny herinandro iray no nirotsaka nanao hetsi-panoherana faobe ry zareo Venezoaliana ka, hatramin'ny anio, namoizana aina valo izany, naharatràna an-jatony ary nisamborana olona an-jatony ihany koa. Fa misy inona e?

Ao anatin'ity famoaham-baovaon'ny GV Face ity, Silvia Viñas, tonian-dahatsoratray ao Amerika Latna sy ny tenako dia niresaka tamin'i Marianne Díaz Hernández, mpanoratra ao amin'ny Global Voices sady mpahay lalàna mpiaro ny zo dizitaly, izay manaraka ireo fanivànana ny mediam-bahoaka sy tranonkala anivon'ireo fanakombonam-bava hafa napetraky ny governamanta ao Venezoelà

Miresaka ny fiainana andavanandro ao Venezoelà i Marianne – ny fiantraikan'ny tsy fahampian-kanina sy fanafody amin'ny vahoaka, ary ny nahatonga ny gazety an-tsoratra hihena be tsy hisy afa-tsy pejy efatra sisa ao amin'io firenena io noho ny tsy fahampian'ny taratasy. Manome soso-kevitra izy ny amin'ny hampiasàna ireo loharanom-baovao ety anaty aterineto izay mifantoka amin'ny fanamarinana ny zava-misy, isan'ireny ny Elperiodistacivico.com, rehefa tonga ny fotoana izay ibosesehan'ny fandisoam-baovao sy ny fampielezan-kevitra hanatsimbadihana ny sain'ireo izay miezaka manome lanja ny tena zava-mitranga.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.