Tonizia: Mpiserasera Facebook Nigadra Nahazo Famindra-Po, Famotsorana Tsy Voamarina

Rehefa nandany ny roa taona teo ho eo tany am-ponja, dia notaterin'ny fampitam-baovao tao an-toerana ho nahazo famindra-po avy amin'ny filoha i Jabeur Mejri izay nigadra noho ny famoahana votoaty maniratsira ny Islam.

Tamin'ny Marsa 2012 i Mejri no namoahana didy higadra fito taona sy tapany noho ny famoahana tantara an-tsary ny Mpaminany Muhammad tao amin'ny pejiny Facebook. Nahazo didy tsy natrehina mitovy amin'izany ihany koa ny namany Ghazi Beji izay namoaka eboky mitondra ny lohateny hoe “ny fanova-mason'ny Islam” rehefa nandositra ny fireneny. Monina any Frantsa moa izy io amin'izao fotoana izao rehefa navela hialokaloka tany.

Hita ho meloka tamin'ny ‘famoahana fitaovana azo raisina ho manozongozona ny filaminam-bahoaka sy ny fitondra-tena tsara’ ry zareo, ‘manompa ny hafa amin'ny alalan'ny tambajotram-pifandraisan'ny daholobe ’ ary ‘fanohintohinana ny fitondra-tenan'ny daholobe’.

Efa nolavina im-betsaka ny fangatahana famindra-po nataon'ny ekipam-pisoloambavan'i Mejri, na dia teo aza ny fampanantenana maro avy amin'ny filoha vonjimaika Moncef Marzouki ho famotsorana azy.

Efa niteny teo anoloan'ny Vaomieran'ny Fifandraisana amin'ny any Ivelany (CFR) ohatra i Marzouki tamin'ny septambra lasa teo fa “miandry ny fotoana mety ara-politika” hamotsorana an'i Mejri.

“Amin'izao fotoana anjakan'ny herisetra henjana dia henjana miaraka amin'ny Salafista izao dia mitatao ho an'ilay zalahy io ny famoahana azy ankehitriny”, hoy ny teniny izay nahazo tsikera avy amin'ny mpikatroky ny zon'olombelona izay mametraka ny fanambarany ho fialana bala mbola hitazonana an'i Mejri any am-ponja.

Ao amin'ny Facebook, nanamafy ny fisian'ny famindram-po ny Biraon'ny Filoha[ar]:

الناطق الرسمي باسم رئاسة الجمهورية السيد عدنان منصر على موجات شمس إف إم :رئيس الجمهورية أمضى منذ أيام عفوا خاصا عن جابر الماجري في القضية الأصلية

Niteny tao amin'ny Radio Shems FM ny mpitondra teny ofisialin'ny Fiadidiana ny Filohan'ny Repoblika Atoa Adnan Mansar: Andro vitsivitsy lasa izay no nosoniavin'ny Filohan'ny Repoblika ny famindram-po manokana ho an'i Jabeur Mejri amin'ny raharaha voalohany

Nanaraka ny fihetseham-po avy amin'ny Twitter:

Ghassen Yahia niankina [fr] amin'ny voalazan'ny lalampanorenana vaovao-n'ny firenena izay miantoka ny fahalalaham-pitenenana, eritreritra ary saina. Fa io sata, izay nolaniana tamin'ny Janoary io ihany koa dia mandrara ny “fanohintohinana ny zava-masina”, na izany aza.

Noafahana i Jabeur? Izany ve no fampiharana voalohany ny lalampanorenana vaovao?

Nisioka i Yamina Thabet, filohan'ny fikambanan'ny vitsy an'isa Toniziana [fr]:

#freejabeur…tara loatra, tsy resaka famindram-po intsony fa fikendrena hanonerana fanohintohinana lalina ny famendrehan'olombelona

Cartoon in support of Jabeur Mejri, by Fey

Sariitatra ho fanohanana an'i Jabeur Mejri, avy amin'i Fey

Miantso hisian'ny fahamailoana i Martin Pradel [fr]:

Efa nambara hatrny ny ela ny famindram-po, mety ho efa voasonia. Saingy, aleo mailo rehefa mbola tsy tafavoaka i Jabeur

Na dia nahazo famindram-po aza i Mejri, dia tsy mbola voamarina ny famotsorana azy. Milaza ny onjam-peo tsy miankina Shems FM fa mbola any am-ponja noho ny raharaha hafa anenjehana azy izy.

Nilaza [fr] toy izao ny komity mpanohana azy tamin'ny fanambarana navoaka tamin'ny 19 febroary 2014:

Nous ne pouvons confirmer ou infirmer, pour le moment, ce nouveau rebondissement dans le dossier de Jabeur Mejri

Tsy mbola afa-manamafy na mitsipaka amin'ny fivoaran-draharaha momba an'i Jabeur Mejri izahay amin'izao fotoana izao

Tamin'ny volana Janoary lasa telo ny Ligin'ny Zon'Olombelona Toniziana (LTDH) no nanambara fa havotsotra handeha ho any Soeda izay nahazoany fialokalofana ara-politika i Mejri.

Nisioka i Molka Chaari [fr]:

Nomena famindram-po, ok. Fa “voatery” handao ny tanindrazana???

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.