Araho Mivantana Ny Fihetsiketsehana #Euromaidan Ao Okraina

Niafara tamin'ny famoizan'ain'olona goavana ny fifandonana teo amin'ireo olom-pirenana an'hetsiny sy ny herim-pamoretan'ny governemanta ny fihetsiketsehana tao Okraina ny harivan'ny 18 Febroary. Nosakanan'ireo manampahefana avokoa ny lalana tao an-tanàna, ary najanona ihany koa ny metro tao Kiev. Nanambara ny fahitalavitry ny mpanohitra lehibe indrindra fa tsy mandeha ihany koa ny fantson'izy ireo. Nitohy nandritra ny alina ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo polisy sy mpanao fihetsiketsehana manodidina ny kianja lehibe. Nitatitra ny Kyiv Post tamin'ny 19 Febroary fa farafahakeliny, olona 25 no namoy ny ainy ary maherin'ny 1.000 no naratra.

Ny marainan'ny 18 Febroary 2014, niezaka nanolotra volavolan-dalàna tao amin'ny Antenimiera ny mpanohitra ao Okraina  mba hamerenana indray ny lalàmpanorenana taloha tao amin'ny firenena, izay mametra mazava ny fahefan'ny filoha. Notohan'ny fihetsiketsehana Euromaidan efa ho feno telo volana izany hetsika izany – izay manao fihetsiketsehana isan'andro ao amin'ireo tanàna marobe manerana an'i Okraina ho fitakiana ny fametraham-pialan'ny governemantan'ny filoha Viktor Ianoukovitch.

 

Talohan'ny fivoriana, nanao diabe nankany amin'ny Tranoben'ny Antenimiera ireo mpanao fihetsiketsehana. Raha nandà handrakitra ilay volavolan-dalàna ny filohan'ny Antenimiera, teraka ny fifandonana teo amin'ny olona sy ny polisy. Nandao ny tranobe ireo depiote manohana ny filoha Ianoukovitch, raha toa ka tsy fantatra mihitsy izay misy ny filoha. Nanafika tao Maidan Nezalezhnosti ( Kianjan'ny Fahaleovantena), mandatehezan'ny mpanao fihetsiketsehana,  ny polisy sy ny herim-pamoretana manokana

A screencap from Maidan Nezalezhnosti [Independance Square] in central Kyiv, Ukraine. Feb. 19, 2014

Pikantsary tao Maidan Nezalezhnosti [Kianjan'ny Fahaleovantena] ao afovoan'i Kyiv, Okraina. 19 Feb 2014

Nanao fanambarana mitezitra ny mpanohitra noho ireo herisetra sy famoretan'ny polisy ny filoha Ianoukovitch. Tsy nahomby ny fifampindinihana ny ampitso teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny governemanta ary nitaky indray ny Kianjan'ny Fahaleovantena ao Kyiv ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny 19 Febroary.

Namoaka fanambarana an-dahatsary mikasika ny fandrosoana farany tao Okraina ny filohan'ny Vondrona Eoropeana José Manuel Barroso, ary nisioka ihany koa:

Taorian'ny fivoaran-draharaha tao Okraina izay nahitana fifandonana sy naha-ankona. Manantena izahay ny isian'ny fepetra manokana ilàna fahamehana eken'ny iraka manokan'ny Vondrona Eoropeana http://t.co/nsy4JsSKhA

Niverina tao amin'ny Aterineto indray ireo olom-pirenena sy ny media tsy miankina mba hitantara amin'izao tontolo izao ny zava-mitranga eny ifotony sy hahazo vaovao momba ireo habibiana mitranga ao Okraina . Azo jerena ao amin'ireo fantsona antserasera marobe ny fandefasana mivantana ireo fifandonana sy fihetsiketehana tao Kyiv:

RFE/RL: http://www.youtube.com/watch?v=ObBHW8XQvUQ
Espreso-TV: http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=Y_LFrMcoEm4
SpilnoTV: http://www.ustream.tv/channel/16555296
HromadskeTV: http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=dh3_1L9XO60
UkrStreamTV: http://www.ustream.tv/channel/16573315, http://www.ustream.tv/channel/17251372

Sehatra malaza antserasera ihany koa ny Twitter hanarahana ireo vaovao farany mivantana avy ao Kyiv. Nanangona lisitra tamin'ny sasany tamin'ireo kaonty Twitter miaraka amin'ny fitantarana amin'ny teny anglisy mikasika ny hetsika ankehitriny ao Okraina ny  Global Voices:

https://twitter.com/zeitonline/lists/ukraine
https://twitter.com/ckaratnytsky/lists/ukraine
https://twitter.com/juliacreinhart/lists/ukraine-russia
https://twitter.com/zeynep/lists/ukraine
https://twitter.com/rm867/lists/ukraine-euromaidan

Sahirana tanteraka ireo mpandika teny mpilatsaka an-tsitrapo Euromaidan, mandika ireo vaovao farany avy amin'ny zava-mitranga amin'ny fihetsiketsehana. Ny bilaogy sy pejy Facebook malaza indrindra dia ny fandikan-teny Maidan:

http://maidantranslations.wordpress.com/
https://www.facebook.com/EuroMaydanTranslations

Azo arahina ao amin'ny kaonty Facebookn'izy ireo amin'ny anglisy ireo vaovao farany avy amin'ireo mpikarakara ny fihetsiketesehana, nomena anarana hoe foiben'ny Euromaidan::

https://www.facebook.com/euromaidanpr

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.