[StoryMaker] Vesna Dolinšek Sy Lam Echaml Ao Tonizia

Nandray anjara tamin'ny Lasin'ny StoryMaker notontosaina tao Ammam, ao Jordania ny Rising Voices tamin'ny 28-30 Janoary 2014. Amin'ny mpiara-miasa amin'ny tetikasa, fotoana nahafahana nihaona tamin'ireo mpiandraikitra voalohany mandray anjara amin'ny fampivelarana ny fampihatra sy ny fanatanterahana ny tetikasa fampiofanana sy fanorotoroana izany.

Ahitana ny Foibem-pirenena Fanazarana avy any Ejipta, Tonizia, Maraoka ary Irak ihany koa ity vondrona ity, izay tompon'andraikitra voalohany amin'ny fikarakarana ireo karazana hetsika fanazarana. Ao Tonizia, fikambanana roa no nikarakra ny fampiofanana, ka anisan'izany ny Lam Echaml. Azonao vakiana eto [fr] ny tatitr'izy ireo mikasika ny fampiofanana tao Tonizia.

Afaka niresaka tamin'i Vesna Dolinšek, teratany Slovenina, iray amin'ireo mpandrindra ny tetikasa ao amin'ny faritra izahay tao amin'ny Lasin'ny StoryMaker. Amin'ity resadresaka noraisim-peo (podcast) ity, mizara ny heviny mikasika ny Lasin'ny StoryMaker sy ny nahafahana nihaona tamin'ireo mpandrindra avy amin'ny firenen-kafa izy. Fanampin'izany, miaiky izy fa tamin'ny fanazarana tsirairay, nivoatra ny tetikasa tamin'ny fanarahana ireo torohevitra marobe sy fampiharana tsara izay nianarana nandritra ny adihevitra tamin'ny Lasy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.