Sodàna: Bilaogera Mbola Voatàna Hatrany Noho Ny Fanakianana Filoham-Pirenena

Voatàna am-ponja efa hatramin'ilay velakevitra ho an'ny mpanao gazety nataon'ny filoha Sodane sy Tsadiana tao Khartoum renivohitra Sodane tamin'ny 24 Desambra 2013, fotoana nisamborana azy, ilay Sodane bilaogera sady mpikatroka mafàna fo,Tajeldin Arja. Arja, mpikatroka mafàna fo amin'ny politika avy any Darfur Avaratra, dia nanapaka ny tenin'ilay mpandray fitenenana tamin'ny fotoam-panokafana no sady nanakiana ireo roalahy mpitondra firenena, tamin'izay nolazain'i Amnesty International ho ezaka [hitànana azy ireo] ho tomponandraikitra tmin'ireo habibiana nitranga tao Darfur.”

Avy eo izy nosamborin'ireo mpiambina, araka izay hita tsara ao anatin'ny lahatsary etsy ambany. Samy nilaza daholo ireo fikambanana ao an-toerana sy iraisampirenena mpiaro zon'olombelona fa tandindonin'ny fampijaliana henjana sy fomba fitondra tsy mendrika hafa ilay bilaogera 26 taona. Niantso fitorevahana ho fanehoana firaisankina ireo mpikatroka mafàna fo ao Sodana, hatao eo anoloan'ny kaomisionam-panjakana momba ny zon'olombelona mba hitakiana ny hamotsorana azy tsy misy hatak'andro. Fitorevahana natao ny Talata 18 Febroary teo.

Nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy tao Karthoum ny filoha Tsadiana mba hiresaka fandriampahalemana, filaminana ary olana mikasika ny sisintany any amin'ny faritr'i Darfur, miaraka amin'i Omar Al-Bashir filohan'i Sodàna. Ny andro nialoha ny nisamborana azy, Arja, izay teratany avy any Darfur Avaratra, dia nanambara tao amin'ny kaontiny Facebook ny fikasàny hanatrika ilay velakevitra ho an'ny mpanao gazety hataon'ireo filoha ary hiteny imasom-bahoaka amin'ireo nofaritany ho toy ny “mpitondra mpanararaotra vanim-potoana.” Niantso ireo mpikatroka hafa izy hanao toy izany ary haneho ny “fahatsapan-dry zareo” mikasika ilay hetsika sy ny mpandray anjara tao.

Taorian'ny nampakarana tao amin'ny Youtube ilay lahatsary fohy mikasika ny tranga nanjo azy, izay raha ny fahitàna azy dia nisy tamin'ireo mpanatrika no naka azy tsy ankiteniteny tamin'ny findainy, lasa notaterina be ilay fisamborana an'i Arja. Maneho an'i Arja mijoro ery anoloana sy mihiaka fanakianana an'ireo filoham-pirenena roa ilay lahatsary. “Mitady hamitaka sy hanodinkodina ny saim-bahoaka ianareo!”, hoy izy re niteny tamin'i Al-Bashir sy Diby. Nogiazan'ireo mpiambina avy hatrany izy ary hita nentina nivoaka ny efitrano nanaovana ilay velakevitra. Hoy ny teniny farany tao anatin'ilay lahatsary hoe “Azonareo vonoina izahay, ampijaliana koa…” Nitatitra ireo loharanom-baovao fa nogiazan'ireo olon'ny mpisahana filaminana tamin'ilay velakevitra ny fitaovam-piasan'ireo vahiny mpanao gazety iraisampirenena sy ireo fantsom-pahitalavitra tao amin'ilay fotoana, sady nisy ny fikarohana izay zavatra navoakan'izy ireny teny anaty tranonkalany ho fisongonana sahady ny mety hahavoarakitra an-tsary ilay fisamborana.

Namoaka antso hanaovana hetsika maika be ny Amnesty International hitakiana amin'ireo manampahefana ao Sodàna hanome izay fiampangàna mitombina an'i Arja na hamotsotra azy tsy misy hatak'andro, sady nampitandrina fa mbola mitoetra hatrany ho tandindonin'ny fampijaliana henjana sy endrika fitondra ratsy hafa koa izy. Notsindrian'ilay fikambanana fa Arja dia iray amin'ireo tra-pahavoazana tamin'ny politika ratsin-dry zareo manodidina ny fifandonana any Darfur:

Avy any Darfut Avaratra i Tajeldin Ahmed Arja. Nafindra toerana niaraka tamin'ny fianakaviany izy nandritr'ireo taona voalohany nipoahan'ny fifandonana tao Darfur. Nanomboka teo dia voalaza ho lasa mpanakiana ny governemanta Sodane izy ary nanoratra sy nibilaogy mikasika ny toe-draharaha ao Darfur.

Nitatitra ny Al-Taghyeer [ar], gazety iray tsy miankina ety anaty aterineto fa araka ny nambaran'ny havany akaiky afaka nitsidika an'i Arja tany am-ponja dia tazonina aminà toerana mitokana ity bilaogera ity ary iharan'ny daroka sy fampijaliana tsy mitsahatra:

وقال المصدر للـ (التغيير الالكترونية) إن علامات الاعياء والتعذيب ظهرت بوضوح علي المعتقل الذي قال انه ظل يتعرض منذ اعتقاله “لعمليات تعذيب متواصلة توقفت قبل الزيارة بيومين”. وقال عرجة، انه وضع طوال مدة اعتقاله في “حبس إنفرادي وتم تحويله قبل ايام لسجن كوبر في معتقل جماعي”.

وابلغت السلطات اسرة عرجه انها لن تتمكن من مقابلته إلا بعد مرور خمسة عشر يوما علي مدة الزيارة الاولي.

Nolazain'ny loharanom-baovao tamin'ny Al-Taghyeer ety anaty aterineto fa hita soritra ety ivelany ny mariky ny harerahana sy ny fahatrotrahana eny amin'i [Tajeldهn] Arja, izay nilaza fa iharan'ny “fampijaliana sy daroka tsy misy fitsaharany” izy hatramin'ny nisamborana azy ary andro roa monja talohan'ny nisian'ilay fitsidihana azy no mba nitsahatra izany”. Nolazain'i Arja fa natoka-monina izy nandritry ny fitànana azy, ary andro roa talohan'izao no nafindra ho ao amin'ny fonjan'i Kober.

Felaka Tehamaina Ho An'ny Kabary Tsara Lahatry ny Governemanta

Nanoratra lahatsoratra am-bilaogy iray i Amjed Farid, bilaogera sady mpitarika mpikatroka mafàna fo, nametrahany ho ao anaty vanim-potoana ny teo-javatra iainan'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Sodàna ny fisamborana an'i Arja, sy ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ho avy amin'ny 2015:

Tsy ny nanjo an'i Tajeldin Arja irery akory, na dia ampy hampibaribary ny tsy mety aza izy io. Mampihatra sivana henjana be amin'ireo gazety an-tsoratra mpiseho isanandro ny governemanta ao Sodàna, ka misy telo amin'izy ireny (Almidan, Rai Alsha’ab sy Altayar) no  noraràna tsy nahazo nanonta mihitsy nandritry ny efa ho taona telo izao nefa tsy misy antony ofisialy nambara (fanontàna ofisialy anà antoko politika voasoratra ara-dalàna iretsy roa voalohany).  Fanampin'izany, nandritry ny Septambra sy Oktobra tamin'ny taona lasa iny, nitàna politisiana sy mpikatroka mafàna fo marobe avy any an-tranonyny fitondràna ary ny antony dia noho ny fijery sy toerana politika noraisin-dry zareo ireny. Ny fitànana am-ponja no ampahany tsotra indrindra amin'izany, an-jatony hafa no maty novonoina an-kitsirano teny an-dalambe noho ny nanaovany hetsi-panoherana ny fisondrotam-bidim-piainana sy ireo fepetra ara-toekarena tamin'ny Septambra 2013.

Ilay hetsiky ny tanora “Sudan Change Now” – Miova Sodàna Ankehitriny – dia niantso tao amin'ny pejiny Facebook [ar] hisian'ny vondrom-piarahamonin'ny fikatrohana ao Sodàna hanatontosa fitorevahana am-pilaminana ny 18 Febroary 2014 eo anoloan'ny Kaomisiona momba ny Zon'Olombelona tantanan'ny governemanta (HRC) hitakiana ny famotsorana avy hatrany an'i Arja.

Napetrak'ireo mpanaramaso fa ny tsy nahavitàn'i Al-Bashir namoaka didim-panjakana hamotsorana ireo gadra politika rehetra no mahatonga ny fiteny vaovaon'ny governemanta momba ny fifanakalozan-kevitra misokatra, fanavaozana ary fampihavanana ho “fandresen-dahatra poak'aty”, satria ry Tajeldin Arja sy ireo mpikatroka mafàna fo maro hafa mbola mihitsoka any am-ponja raha misitraka ny tsimatimanota kosa ireo mpanao heloka bevava sy mpanitsakitsaka zon'olombelona .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.