Horonantsary Fanadihadiana Momba Ny Ady “Tsy Hita Maso” Ataon'ny Drôna Amerikana Ao Pakistan

Nisy horonantsary fohy nivoaka vao haingana izay momba ny tsy fahitana maso ara-batana, ara-maoraly ary ara-politika ny adin'ny drôna Amerikana ao Pakistan.

Tactical Tech logo Ny “Ady Tsy taza-maso” dia notontosain'ny“Exposing the Invisible”[Mampiseho ny tsy hita maso], fisantaran'andraikitra avy amin'ny fikambanana iraisampirenena tsy mitady tombombarotra Tactical Technology Collective mampiasa ny teknolojia nomerika, , fifandraisana ary ny vaovao ho fanamafisana araka izay tratra ny fiantraikan'ny asa fiarovana ataon'izy ireo amin'ny alalan'ny horonantsary fohy.

Mitrandraka ny fetra vaovaon'ny famotopotorana ny andian'horonantsarin-dry zareo ary mizara ny tantaran'ireo olona miasa hampiseho masoandro ireo zava-miafina ambadiky ny olana ao amin'ny fiarahamonin'izy ireo.

Avy ao amin'ny tranokalan'izy ireo:

We speak to journalists, activists and experts inside and outside of Pakistan about the consequences of the strikes in the tribal FATA region, why they are possible, and how we can make the issue more visible using data and visualization tactics.

Miresaka amin'ny mpanao gazety, mpikatroka ary ny manampahaizana ao anatiny sy ivelan'i Pakistan momba fiantraikan'ny daroka any amin'ny faritra ara-poko FATA izahay sy ny antony azo nahafahana nanao izany, ary ny fomba azontsika atao ahafahana mampiseho ny olana ho hita maso kokoa amin'ny alalan'ny fampiasana ny tetikadin'ny jery ankapobeny sy ny tahirin-kevitra.

Toa azo tarafina fa ao anaty ady ao Pakistan amin'ny alalan'ny fiaramanidinatsy misy mpanamory (drôna) i Etazonia hanoherana ny fampihorohoroana ary nanatontosa fanafihana an-jatony tamin'ireo kendrena ao Avaratra-Andrefan'i Pakistana hatramin'ny taona 2004. Nandà tsy hanaiky amin'ny fomba ofisialy ny fisian'ny daroky ny drôna CIA maherin'ny 300 tao Pakistan ry zareo ary nilazalaza izany amin'ny tafatafa fohy tsy misy fandraiketam-peo. Niampanga ankarihary izany fanafihana izany ny governemanta Pakistaney teo aloha saingy namoaka kosa ny Wikileaks fa nankatò miafina izany daroka izany izy ireo (governemanta Pakistaney). Araka ny famelabelaran-kevitra avy amin'ny Washington Post, dia nifidy ny sasantsasany amin'ireo natao lasibatra ny mpitari-tafiky ny miaramila pakistaney, eny fa na dia ireo izay nitabataba mafy amin'ny daroka drôna aza.

Nilaza ny tatitra tafaporitsaka tao Pakistana fa betsaka kokoa noho ny tatitra avy amin'ny fitondran'i Etazonia ny isan'ireo lasibatra. Araka ny filazan'ny Biraon'ny Gazety mpanao fanadihadiana, dia toy izao ny tombatomban'ny vokatry ny daroka Amerikana tao Pakistan:

Pakistan 2004–2013 CIA Drone Strikes

Total strikes: 381
Total killed: 2,537-3,646
Civilians killed: 416-951
Children killed: 168-200
Injured: 1,128-1,557

Tifitry Ny Drôna Ataon'ny CIA ao Pakistan 2004–2013

     Isan'ny daroka: 381
     Isan'ny namoy ny ainy: 2.537-3.646
     Olo-tsotra namoy ny ainy: 416-951
     Ankizy namoy ny ainy: 168-200
     Naratra: 1.128-1.557

Ny antony mahamaro ny isan'ny niharam-boina dia avy amin'ny faharatsian'ny fenitry ny fanangonana ny antontan-kevitra avy amin'ny fitsikilovana tahaka ny fanamoràna ny tifitra tsy misy fahalalàna raha ilay kinendry tokoa ilay olona manana ny finday na karatra SIM arahi-maso.

Jeremy Scahill, mpanao gazety sady mpanoratra ny “Ady Maloto: Sahan'Ady izao Tontolo izao” manazava ny fomba famaritana ny hoe “loza mitatao” sy ny “fahavalo mpiady”no nofaritan'ny manampahefana Amerikana indray mba hanomezan-dariny ny daroka Drôna. Ohatra, sokajiana ho mpiady daholo ny lehilahy rehetra manana taona afa-manao miaramila ao amin'ny faritra fantatra fa anaovan'ny mpampihorohoro hetsika, sokajiana ho tsy misy ilàna azy sy azo melohina ho faty amin'ny alalan'ny daroka drôna.

Ao amin'ny “Ady Tsy Taza-Maso” no handrenesanao bebe ireo mpifanandrina amin'ny famakiana manontolo ny resadresaka nampiarahana amin'ny horonantsary. Azonao jerena ao amin'ny habaka na trohana ihany koa ilay horonantsary. Azonao vakiana ihany koa ny tantara sy manokatra adihevitra.

Efa nalefa hojerena tao Islamabad sy Karachi ity horonantsarimihetsika fohy ity ary hoan'ireo izay liana hijery ny horonantsary amin'ny manaraka na te-hampiantrano izany dia afa-mitady ny fanampim-baovao ato.

Efa nisy horonantsary roa hafa mikasika ny adin'ny drôna Amerikana ao Pakistana navoaka koa tamin'ny taon-dasa – ny Wounds of Waziristan [ratran'i Waziristan] izay notontosain'i Madiha Tahir sy ny Dirty Wars [Ady Maloto] notontosain'i Jeremy Scahill.

Nanampy tamin'ny fanatontosana ny lahatsoratra i Rezwan.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.