Nibodo Ny Sezan'ny Sinema Higafiana Ny Andron'ny Mpifankatia Ny Shinoa Tsy Manan'Olon-Tiana

Nahavita nibodo ny seza hafa rehetra tamin'ny farafahafahakeliny tamin'ny sinema iray tao Shanghai ihany izy ireo tamin'ity taona ity nandritra ny fotoana be mpijery horonantsarimihetsika indrindra nandritra ny Andron'ny Mpifankatia.

Isan-taona alohan'ny Andron'ny Mpifankatia, vondrona antserasera tia sotasota fantatra amin'ny anarana hoe “Olon-tia Voaozona” no nanetsiketsika ireo mpikambana ao aminy mba hividy tapakilan'ny horonantsarimihetsika manana laharana tsy ankasa mba hanimbana ny fampiarahan'ireo mpifankatia mikasa hiara-hipetraka.

Ao Shina, somary miavaka manokana ny Fetin'ny Mpifankatia tamin'ity taona ity satria mifanindry amin'ny Fetiben'ny Arendrina, na Yuan Xiao Jie, fetibe izay nanomboka tamin'ny fitohizam-pitondran'ny taranaka Qin manodidina ny taona 200 alohan'ny Jesoa Kristy ka mandritra izany fotoana izany no tsy miala eny amin'ny arabe eny ambanin'ny jiron'ny arendrina ny mpitovo manantena hahita olo-tiana.

The story about single netizens occupied Valentine's Day theatre prime time show was reported by local newspapers. Image circulated widely online. (via ChinaSMACK)

Notaterin'nygazety tao an-toerana ny tantaran'ireo olom-pirenena tsy manan'olon-tiana mibodo seza mifanelanelana tao amin'ny efitra fijerena sinema mandritra ny fotoana mahabe mpijery horonantsarimihetsika indrindra tamin'ny Andron'ny Mpifankatia. Sary niely tao amin'ny aterineto (Avy amin'ny ChinaSMACK)

Noho ny mpitovo tsy manana olon-tiana mahazo fahefana kokoa sy mora hita kokoa sy noho ny famoronana maoderina ny Andron'ny Tsy Manan'Olo-Tiana tao anatin'izay taona vitsivitsy izay, dia nirongatra tao anatin'ny fiarahamonina Shinoa sy Taiwan tamin'ny taona 2005 ny fikambanana mpitovo antsoina hoe “Olon-tia Voaozona” (情侣 去死 去死 团) na “Fitia Voaozona” (恋爱 去死 去死 团). Ny kolontsaina aterineto Kuso no tompon'ilay vondrona, izay mankafy votoaty mahasosotra sy manafintohina ny hafa. Araka ny filazan'ny Wikipedia shinoa:

去死去死團號稱「對抗『戀愛資本主義』社會風氣」,以「破壞浪漫氣氛」為目的。許多民眾以為它是社會上的激進運動團體,但去死團的多數活動只是以一種戲謔方式,用KUSO、搞笑和幽默的風格表達單身的孤單,亦有人藉此表示單身也可以很快樂,並且反對「商業化」的慶祝方式。在各種節日,譬如聖誕節或情人節,可提供一種有別於浪漫過節的消遣管道。
參與去死團活動的人被稱為奉行去死去死團精神或死死精神、死死主義。創團宗旨是:「我們獨善其身,為的是要渡化那些誤入歧途的情侶們。」

Nilaza ny vondrona Fitia Voaozona fa te-hanohitra ny kolontsain'ny “fitiavana kapitalista” izy ireo amin'ny alalan'ny fanimbana “fampiarahan'ny mahafinaritry ny mpifankatia. Raha mihevitra ny maro fa fikambanana tsy tia mifampiraharaha ry zareo, kanefa ny ankamaroan'ny hetsika ataon'izy ireo dia fanalàna azy amin'ny fomba Kuso [Japoney] fotsiny  mba hanomezana sehatra ny fahatsapan'ireo mpitovo tsy manan'olon-tiana. Misy ireo mpikambana sasany te-handefa hafatra fa mety sady mpitovo tsy manan'olon-tiana ianao no sambatra na manohitra ny endrika ara-barotry ny fankalazana ry zareo. Noho izany, te hamorona fomba hafa hankalazana ny fety tahaka ny Andron'ny Mpifankatia sy ny Krismasy izy ireo. Ireo mpikambana izay nandray anjara tamin'ny hetsika “Fitia Voaozona” dia tokony hanaja ny foto-pisainana «voaozona» na «ozona». Ny iraka ampanaovina ny vondrona dia: “mpitovo isika ary mivonona hamonjy ireo izay voafandriky ny fiarahana”.

Tao anatin'ny taona vitsy, matetika manaparitaka hafatra antserasera ny vondrona amin'ny fampiasana sarimiaina sy tantara manapa-tsinay. Ohatra, nahitam-pahombiazana goavana tamin'ny Andron'ny Mpifankatia tamin'ny taon-dasa ny hira, “Mirary ireo mpifankatia mba hivadika toy ny mpianadahy tsy nifankahita hatry ny ela” izay hirain'ny tarika “Anabavy (Rahavavy) Tsara”:

Nalaina avy amin'ny lalao maoderina Shinoa “Lei Yu” ny hira izay midika hoe orambaratra izay manozona ny Andron'ny Mpifankatia. Ilay tantara mampivarahontsan'ny “Orambaratra” dia miresaka momba ireo olon-droa mifankatia izay tsy maintsy mandresy ny faneren'ny fianakaviana raha hiaraka saingy nivadika ho fihaonan'ny mpianadahy tsy nifankahita hatry ny ela izany. Toy izao ny fandehan'ny tapany voalohany amin'ny tononkira:

今天是2月14,傳說中的情人節
滿大街的男男女女,都要在今天晚上過節。
平時買的玫瑰花是兩塊錢一朵
今天晚上要翻上十倍,姑娘還是樂歪了嘴
今天是2月14,傳說中的情人節
我打算回家一個人呆著,沒事看書吃泡面
可有個傻B在QQ問我,你怎麼還是一個人
我忍不住地對他喊出這樣親切的慰問
(祝天下所有的情侶都是失散多年的兄妹
祝你今天晚上的電影院和餐館,全都沒座位
祝天下所有的情侶都是失散多年的兄妹
不管是莫泰如家7天漢庭,全都訂不到床位

14 Febroary androany, Andron'ny Mpifankatia manatantara
Mankafy ny fety eny an-dalana ny tovolahy sy ny tovovavy
Mitentina eo amin'ny 2 yan eo ny raozy amin'ny andro tsotra                                                

Lasa avo folo heny ny vidiny anio, saingy mbola mitondra ireo tsiky eny amin'ny endriny ihany ny zazavavy.
14 Febroary androany, Andron'ny Mpifankatia manatantara
Fikasako ny hody, hamaky teny sy hihinana paty masaka eo noho eo
Saingy misy hafatry ny mpisera QQ iray mahasorena manontany fa maninona aho no irery
Tsy haiko no tsy handefa ankoatra ny fijery mafana:
Maniry aho ho mpianadahy tsy nifankahita fotoana elabe ireo mpifankatia manerana izao tontolo izao
Maniry aho ho hipoka avokoa ny sinema sy ny hotely anio alina
Maniry aho ho mpianadahy tsy nifankahita fotoana elabe ireo mpifankatia manerana izao tontolo izao
Ary ho feno avokoa ny fandrian'ny fandraisam-bahinin'ny [ ] Mo Tai , Home Inn , 7-andro , Han Ting.

Tamin'ity taona 2014 ity ireo mpiserasera tsy manan'olon-tiana nanao hetsika mihoatra noho ny manao kivazivazy amin'ny tononkira. Hatreto ry zareo nahomby tamin'ny fibodoana sinema iray tao Shanghai . Araka ny Shanghai Morning Post (via ChinaSMACK), nilaza ny iray amin'ireo mpanomana ny fibodoana fa maro tamin'ireo mpandray anjara no nanao izany mba hahitana namana vaovao, manantena hamadika ny “kivazivazin-kapoka” ho “fihaonana tampoka”.

Mazava loatra fa namaly bontana ihany koa ny mpifankatia. Maro tamin'izy ireo no niteny fa faly ry zareo niara-nipetraka tamin'ny seza iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.