Fihetsiketsehana Noho Ny Fahafatesan'ireo Mpifindra-monina Tao Ceuta, Espaina: “Tsy Misy Olona Tsy Ara-dalàna”

Image from Fotomovimiento taken at the Barcelona protest

Sary avy amin'ny Fotomovimiento nandritra ny fihetsiketsehana tao Barcelona. Zon'ny mpamorona CC License.

Vondron'olona 200 eo ho eo avy tao Maraoka no niezaka niditra tao Espaina tamin'ny alalan'ny filomanosana mihodidina ny fefin'i Ceuta, sisintany Espaniola miorina ao Maraoka, ka Afrikanina Atsimon'ny Sahara 14 no nilentika sy maty an-drano tamin'izany. Nomelohin'ireo mpifindra-monina sy fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena maromaro ny Guardia Civil (Mpiambina Sivily), nilaza izy ireo fa tsy mba namonjy ireo [es] mpifindra-monina na nampandre ny mpamonjy voina andranomasina mba hamonjy ireo olona tao anaty ranomasina ny Guardia Civil . Nomelohin'izy ireo ihany koa ny fampiasana bala fingotra sy baomba mandatsa-dranomaso natifitra teny amin'ireo mpifindra-monina mba hanakanana azy ireo tsy hiampita ny sisintany.

Notsipahin'ny Guardia Civil ireo fiampangana azy ary niteraka saritaka tamin'ny fanovana isan'andro ny fanazavan'izy ireo [es] mikasika ny zava-nitranga tamin'ny Alakamisy 6 Febroary.

Map of the border zone between Morocco and Spain - Wikipedia

Sarintany Wikipedia faritry ny sisintany eo anelanelan'i Maraoka sy Espaina – Wikipedia

Herinandro taty aoriana, nisy ny fihetsiketsehana natao tao amin'ireo tanàna Espaniola 15 ho fanamelohana ny fahafatesan'ireo mpifindra monina. Tamin'ny fihetsiketsehana tao Madrid ohatra, ny ankamaroan'ny teny filamatra malaza dia: “Tsy maty an-drano izy ireo, fa novonoina”, “Na teratany na vahiny, samy sarangan'ny mpiasa daholo isika”, “Tsy misy olona tsy ara-dalàna” ary koa hoe “Aiza ireo tena mpiaro-aina ?”, ity farany dia milaza momba ireo izay manohana ilay fanovana mampiadi-hevitra momba ny lalàna manohitra ny Fanalan-jaza izay eo am-pamolavolana izany ny governemanta mpandala ny nentim-paharazana (konservativa) Espaniola.

Niaiky ihany ny minisitry ny atitany Espaniola, Jorge Fernandez Díaz fa nampiasa fitaova-pamoretana ny mpitandro ny filaminana, na dia nilaza aza izy fa nampiasaina “ho fomba fanakanana” fotsiny izany, mba hisorohana ireo mpifindra-monina tsy hiampita ny sisintany. Raha niatrika ny Antenimiera ny minisitra ary namaly ireo fanontaniana sy fiampangana avy amin'ny antokon'ny mpanohitra, nanjary sehatra nanehoan'ireo olona ny fahatezerany ny Twitter tamin'ny alalan'ny diezy malaza #muertesCeuta (ireo maty tao Ceuta) :

Toa midadasika kokoa ny sisintany raha fikarohana solitany no atao fa tsy famonjena aina. #muertesceuta

Manaiky ny minisitra fa nisy ny fampiasàna bala fingotra saingy tsy natifitra tamin'ny olona izany…. fa iza ary no notifirin'izy ireo? voron-dranomasina?

Misy ny zavatra tokony tsy avelantsika hitranga mihitsy.

Mitifitra ao anaty rano eo akaikin'ireo olona diso fanantenana sy tsy mahay milomano, tsy fanakanana azy ireo noho ny “antony maha-olona” izany, zavatra hafa tanteraka

Mbola maro ireo fanontaniana mila valiny:

Autor Dani Gago - DISO Press

Saripikan'i Dani Gago – DISO Press. ‘Tetezana maro kokoa, fa tsy rindrina’

Inona no arofenitra misy hiatrehana sy hitantanana ny fidiran'ireo mpifindra-monina? Nanaja ny lalàna sy ny zo maha-olona an'ireo mpifindra-monina ve ny Guarda Civil ao Ceuta? Tafaverina ao Maraoka ve ireo mpifindra-monina sasany tafiditra tao amin'ny sisintanin'i Espaina, na dia eo aza ny tsy maha-ara-dalàna izany? 

Mpisera iray namehy izany tranga izany ny amin'ny tokony handraisana andraikitra hisian'ny mangarahara:

Maninona ny minisitra raha manome fanazavana mikasika ity tranga tao #Ceuta ity? Indrindra indrindra mba hoan'izy ireo (mpifindra monina)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.