“Midika Hoe Ratsy Ny Vezetarianisma” Ao Tajikistan

Zavatra iray hafa rehefa miresaka momba ny nahandrony ireo ao an-toerana. Fa tena zavatra iray hafa tanteraka koa rehefa ny mpitsidika ilay firenana no mizara ny heviny momba ny nahandro ao an-toerana.

Vahiny iray mibitsika amin'ny anarana @onlytajikistan no lasa nalaza teny anivon'ireo Tajikistanis sy ireo olona liana amin'i Tajikistan ao amin'ny Twitter nanomboka tamin'ny bitsiny voalohany tamin'ny Oktbra 2013. Fanampin'ny fanoritsoritany zavatra maro dia mahita zavatra hafahafa sy miavaka ity vahiny ity mikasika io firenena io, ambaran'i @onlytajikistan amin'ireo mpanjohy azy ny momba ny sakafo Tajik sy ny fomba nanovan'ity firenena ity azy hiala amin'ny maha-mpihinana zava-maniry fotsiny ka ho mpihinana hena.

Ireto ambany ireto ny bitsika vitsivitsy avy amin'i @onlytajikistan. Raha mbola mila bebe kokoa, araho ao amin'ny Twitter izy.

Ao Tadjikistan irery ihany no misy olona hiteny anao mba hanatona mpitsabo raha mivaky amin'izy ireo ianao fa tsy mihinana afa-tsy zavamaniry. Vezetariana = aretina #ao_ntajikistan_irery

Ao Tadjikistan, manana tsiro oy irney hoe nahandroina tany am-paradisa ireny ny mofo.

Efa lovia efatra no naroso anao. Miteny ny mpampiantrano anao fa “mbola ny fanombohana ihany” ireny. Ary tavoahanginà vodka tsy misy fiafaràny

Tena tsy vitako intsony ny mino hoe “vezetariana” aho fony tonga voalohany teto Tadjikistan

Tsy tia velively ny dite maitso aho tany aloha. Saingy fatratra tsora izao ny dite maitso aroson-dry zareo aty Tadjikistan.

Ambolana maro izao no nonina teto Tadjikistan, lasa fahatspàna ato amiko ny hoe vezetarianisma=ratsy.

Porofo iray hafa amin'ny hoe vezetarianisma=ratsy.

Zavatra iray tena ho tsaroako mandrakizay mikasika an'i #Tajikistan rehefa mandao azy aho sy sakafony lafatra.

Fanamarihana: ny sary rehetra nampiasaina ato dia nahazoana alàlana tamin'ny mpanoratra daholo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.