Rehefa Tsy Mandray Andraikitra Ny Polisy Dia Miditra An-Tsehatra Ny Olon-Tsotra Tia Mampita Vaovao

Fotoana fohy taorian'ny famoahan'ireo olon-tsotra tia mampita vaovao ny fihoara-pahefana mivandravandra nataon'ny polisy iray volana lasa izay, dia mbola manohitra ny tsy fitantarana ny fahadalàn'ny polisy ao an-tanànan'i Ghardaîa ihany izy ireo, ary tamin'ity indray mitoraka ity dia noho ny tsy fidirany an-tsehatra hiaro ny lehilahy iray izay novonoina ampahibemaso rehefa nalain'ny andian-jiolahy iray tao an-toerana azy.

Avo tokoa ny fifanenjanana ara-pivavahana ao anivon'ny lemak'i M'zab ity. Miezaka mafy ny mpikatroka an-tserasera sy ny olon-tsotra tia mampita vaovao mampiseho ny fifandonana maherisetra misy eo amin'ny vitsy an'isa Ibadites (izay fantatra ihany koa ao amin'ny faritra ho Mozabites) sy ny ankamaroan'ny olona izay saiky avy amin'ny fiarahamonina miozolomana sonita, amin'ny alalan'ny famoahana porofo video ao amin'ny YouTube. Nahatonga ny manampahefana alzerana hanao famotorana sy hanasazy ireo polisy tafiditra amin'ity raharaha ity ny fielezan'ny lahatsary navoakan'ny mpikatroka mampiseho ny fihoara-pahefana ataon'izy ireo amin'ny Ibadites.

Mazava ny tanjon'ireo olon-tsotra tia mampita vaovao ireo: mizara ny zavamisy eny an-toerana misy ny vahoaka alzeriana, izay takonan'ny tsy fitateran'ny gazety be mahazatra ny fampafantarana ny toe-draharaha. Ny marina dia tsy misy mitatitra ny marina sy ireo singa mandrafitra ny toe-draharaha. Raisina ho ohatra amin'izany ny zara fa fitateran'ny fampahalalam-baovao ny firaisana tsikombakomba misy eo amin'ny polisy sy ny jiolahimboto ao an-toerana izay mandroba sy ny manimba zavatra ao an-tanàna mba hiteraka fifanandrinana ara-pivavahana eo aminn'y Ibadites sy ny Sonita. Ny sary nopihan'ny mpikatroka Mozabites eto ambany no mampiseho ny zavamisin'ny heloka bevava mitranga ao Ghardaïa eo ambany mason'ny polisy:

Photo gardaia activistes

Sary nivoaka ao amin'ny Facebook avy amin'ny mpikatroka ao Ghardaia mampiseho ny porofon'ny heloka mitranga ao an-tanàna. Sary nahazoana alalana.

Anisan'ny heloka bevava nasehon'ny mpikatroka ny raharaha nahazo an'ilay tanora Mozabite 21 taona antsoina hoe Babaousmail Azzedine. Nisy nidaroka ampahibemaso i Azzedine rehefa nalain'ny jiolahy tao an-toerana an-keriny tamin'ny 5 Febroary 2014. Maty noho nyy ratra nahazo azy  ilayy tanora, taorian'ny tsindron'antsy 21 nahazo azy!

Nanohina an'i Ghardaïa hatrany amin'ny lalina indrindra ny raharaha. Mbola miriaria hatrany ireo namono an'i Azzedine. Nangonin'ny mpikatroka sy natohitohiny avokoa ny sary mbamin'ny lahatsary nalain'ny nanatri-maso ary nampiany fanazavana ny fizotry ny raharaha sy ny toerana ara-jeografika nitrangàny. Asehon'ny horonantsary eo am-pamonoana ireo nidaroka an'i Azzedine

Niely haingana ilay lahatsary ary niteraka fanafintohinana rehefa navoakan'ny tranonkalan'olo-tsotra tia mampita vaovao Envoyés Spéciaux Algériens (Iraka Manokana Alzeriana) [fr, ar] sy ny tranonkalam-baovao mahaleotena Algérie-Focus [fr] tamin'ny alalan'ny YouTube. Nivoaka indrindra izany tamin'ny fotoana nandehanan'ny Minisitry ny Atitany sy ny Lehiben'ny Polisy Alzeriana nitsidika tany amin'ny faritra handamina ny raharaha. Fa mbola mila misambotra izay rehetra tafiditra amin'ity raharaham-pamonoan'olona ity ny tompon'andraikitra ao an-toerana, saingy efa nisy ny famotorana nataon'ny tafi-pirenena hisamborana ireo mpamono an'i Azzedine, izay azo fantarina tsara ao amin'ity lahatsary ity:

Mandritra izany fotoana izany, maro ireo fikambanana an-tserasera no niara-miasa hanaitra ny manampahefana alzeriana amin'ny toe-draharaha ao amin'ny faritra sy hanery azy ireo handray andraikitra hanoherana ny herisetra ara-pivavahana misy ao M'zab. Ny Ghardaïa News [fr] sy ny Ahdath Ghardaïa [fr, ar] no tranonkalam-baovao roa izay tsy mitsahatra ny mitolona hitatitra ny herisetra mahazo ny mponina Mozabite.

Tsy very maina ny asa goavana nataon'ireo mpikatroka ireo. Nivoaka ampahibemaso ny tsy fanasaziana ireo mpamono olona, ka mahadikidiky ny manampahefana Alzeriana sy manery azy ireo handray andraikitra. Tsy mbola mitsahatra ny herisetra ao Ghardaïa, saingy izao no dingana tsara (fandresena) vita ho an'ny mponina ao an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.