Andro Iraisampirenena Ho An'ny Angona Misokatra, Hatao Ny 22 Febroary

Ho an'ny Andro Iraisampirenena Ho An'ny Angona Misokatra (Open Data Day) hatao ny 22 Febroary 2014, hifampiresaka mivantana ety anaty aterineto na ivelan'ny aterineto ihany koa ireo bilaogera, hakers, mpanome endrika, mpikirakira antontanisa ary olon-tsotra hafa liana amin'ny “Angona Misokatra” sy ny Mangarahara. Atao mba handrisihana ny hisian'ny fisokafana bebe kokoa amin'ny angon-drakitry ny governemanta ilay hetsika.

Ny Open Data Day dia fihaonamben'ireo olona avy aminà tanàna manerana izao tontolo izao tonga hanoratra fampiasa, angona malalaka, hamorona fitaovana fijerena sy hamoaka fandalinana miainga amin'ny fampiasàna ireo angona natao ho an'ny daholobe mba hitondràny fanohanana sy fandrisihana ny hisian'ny politikan'ny fanalalahana ny angona natao ho an'ny rehetra avy amin'ireo governemanta ao an-toerana, isam-paritra ary manerana ny tany.

Ny tsirairay dia afaka mikarakara hetsika ao amin'ny tanàna misy azy ireo raha vantany hoe malalaka ho an'ny hafa ny handray anjara amin'ilay hetsika. Ny mpanatrika dia afaka mandray anjara amin'ny famoronana zavatra mifandraika amin'ny resaka “Open Data”, na io fitaovam-pijerena sy fampiasan'ny ao an-toerana na ho manerantany, amin'ny fikirakiràna ireo angona avy aminà tranonkala iray an'ny governemanta mba hahatonga azy ho azon'ny hafa kiraina, na hikarakara andianà atrikasa mihitsy aza iarahana amin'ny manampahefan'ny governemanta, mpanao  gazety na mpitan-tsoroka hafa voakasiky ny resaka “open data”.

Ny tenifototra hiasa amin'ilay hetsika dia ny #ODD2014. Ny sasany amin'ireo mpampiasa Twitter dia efa nanomboka sahady nampakatra ny fanehoankeviny tamin'io tenifototra io.

#OpenData dia vondrom-piarahamonina iray ao anaty faritr'ora akaiky anao. http://t.co/ImmMztmcUM #ODD2014 hatao ny 22 Feb ho avy izao ka dia mariho ny tetiandronao !

Ampolony ireo tanàna handray anjara amin'ilay hackathon.

International Open Data Hackathon

International Open Data Hackathon

Nisy ihany koa ny fampilazàna natao tamin'ny Twitter ho an'ireo hetsika tao an-toerana tany amin'ny toerana samihafa.

Ny “Open Data Day” tao Ejipta, http://t.co/PdqDzokxcP

Misy zavatra miainga ve ao #Cambodge  ho an'ny #ODD2014 ?

Ooooeee ! Tongasoa eto amin'ny Open Data Day 2014 – #ODD14 #ODD2014 i @antoniocuga sy Però

Raha ny fahitàna azy, toa lasan-dry zalahy tarika avy ao Japana ho azy ny #opendata 2014 #odd2014

Ampidiro ao anatin'ity lisitra ity ny tanànanao raha mbola tsy ao, ary manomboha manao fandaharanasa ho anà hetsika hatao ao an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.