Haren'ny Fiteny Arabo Hoan'ireo Mpikatroky Ny Fampitam-baovaon'ny Fiarahamonina

Ny SMEX, Social Media Exchange (Fifanakalozana amin'ny Media Sosialy), dia fikambanana ” manatanjona handrisika ny olona sy hanitatra ny fahafaha-manao amin'ny alalan'ny fampiroboroboana ny fampiasana ara-stratejika ny media vaovao ao anatin'ny toe-javatra isan-karazany. Miorina ao Libanona ry zareo ka mifantoka amin'ny fiarahamonina , ny fiteny ary ny kolontsaina arabo ny tontolo iasan'izy ireo.

Tasharuk, dia tetikasa vao haingana hamondronana ny fitaovana hoan'ireo mpikatroka amin'ny fampitam-baovaon'ny fiarahamonina izay azo vakiana amin'ny teny Arabo (sy amin'ny teny anglisy). Ny Tasharuk, midika hoe “miara-miasa” amin'ny teny Arabo, dia mandahatra sy manasokajy ireo harem-pahalalana – misy tompony saingy azo ampiasaina avokoa ny ankamaroany. Hoy izy ireo:

The aim of the site is to make it easier and faster for new trainers and community media groups to locate high quality content related to digital and social media for empowerment and advocacy. By doing so, we hope not only to accelerate adoption and innovation in the strategic use of digital and social media but also to help local trainers lead in their communities.

We also think of Tasharuk as a first step toward convening a community of practice for media empowerment trainers across the region.

 Ny tanjon'ny habaka dia ny hanamora sy hanafaingana hoan'ireo mpampiofana vaovao sy ireo vondrona fampahalalam -baovaon'ny fiarahamonina hanondro votoaty tsara kalitao mifandraika amin'ny media sosialy sy media nomerika ho amin'ny fampatanjahana sy ny fiarovana. Manantena izahay, amin'ny fanaovana izany, tsy hanafaingana ny fandraisana sy ny fanavaozana ny fampiasana ara-stratejika ny media sosialy sy nomerika ihany fa mba hanampy ireo mpampiofana ao an-toerana ihany koa ao amin'ny fiarahamonina misy azy.

Mihevitra ihany koa izahay fa ny Tasharuk dia dingana voalohany mankany amin'ny fampivondronana fiarahamonin'ny fanazarana ho an'ny media mampiofana mpanazatra manerana ny faritra.

Amin'ny herinandro sy volana ambony no hampahafantarinay ao amin'ny Facebook sy Twitter ireo fitaovan'ny Tasharuk.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.