Olana 99 Amin'ny Sochi No Azoko

One of the rings fails to open during the Olympic opening ceremony -- a minor setback in an otherwise masterful performance. YouTube screenshot.

Tsy voasokatra ny iray tamin'ireo kiboribory nandritry ny lanonam-panokafana ny Lalao Olaimpika — singam-bolo nandavo ny vositra tamin'ilay seho goavana be. Dikasary YouTube.

Tamin'ny herinandro lasa, tonga tany Sochi ireo vahiny mpanao gazety, ary vetivety dia nameno ireo lohateny vaventy tany andrefana sy tao Rosia ireo bitsika sy sarin'ireo asa fanorenana tsy vita. Nitaraina tamin'ny zavatra rehetra ireo mpanao gazety, miainga avy amin'ny ranon'harafesina ka hatramin'ny hidim-baravarana tsy manjary. Kaonty Twitter iray antsoina hoe @SochiProblems no noforonina, manaraby ireo lazaina ho zava-tsy manjary amin'ireo Lalao Olaimpikan'ny Andro Ririnina ao Rosia.

Ohatra, mpitati-baovaon'ny CNN nitaraina fa iray monja tamin'ireo efitrano nofandrihana ho an'ny ekipany no azo noraisina, ary nampakatra ny sariny tao an'efitranon'ny hotely misy azy izy miaraka aminà fihantonana ‘rideau’ milatsaka:

Ity no efitrano tokana eto amin'ny hotely @Sochi2014 nomena anay hatreto. Korontana

Betsaka ireo Rosiana no tsy faly loatra tamin'ilay fampafantarana manaratsy endrika. Bilaogera iray no nilaza [ru] fa mety ho ilay mpitatitra vaovao ihany no nanimba zavatra mba hamoronana tantara:

[…] гражданин, скорее всего, сам отломал держатель карниза, и теперь всем демонстрирует моральное убожество режима резидента Путина.

[…] Toa ilay bandy ity ihany no nanimba ilay fihantonana ‘rideau’, dia ankehitriny manaporofo ny fahantràna ara-tsain'ny fitondràna Putin amin'ny olona rehetra.

Mandritra izany, fitsapan-kevitra iray navoakan'ny Ivon-toerana Levada  [en] tamin'ny Alarobia no nahita fa 53% amin'ireo Rosiana no nankatoa ny fandraisan'i Rosia ny Lalao Olaimpika ao Sochi. Kanefa, 38% tamin'ireo namaly koa no nahatsapa fa ny kolikoly no tena antony voalohan'ireo Lalao. Tahàka ny manamafy ireo fahatsapàna roa ireo ny RuNet. Maro no mahatsapa fa voamarina ary ilaina ny kiana, raha ny hafa kosa (toy ny nanamarihan'ilay mpanoratra, Boris Akunin [ru] azy) mihevitra fa tokony hifantoka amin'ny fanohanana ireo atleta ka tsy hiraharaha ireo olana ireo ny vahoaka.

Tao amin'ny pejiny Facebook, Kirill Shulika avy amin'ny DemVybor nanoratra [ru]  momba ny lanjan'ny fitenenana sy ny fanakianana. Raha tsy izany, hoy izy:

Проблема-то тут как раз в том, что все разговоры о заговорах и желании навредить в проведении Олимпиады опасны тем, что и дальше все будет то же самое. Я имею в виду гигантские затраты и при этом ржавую воду, отсутствие душа или наличие граждан России, которым в нарушении всего отказано в посещении соревнований, несмотря на купленные билеты.

Ny olana dia mazava tsara fa izao tantaranà tsikombakomba sy faniriana rehetra izao hanohintohinana ny Lalao Olaimpika dia zava-doza satria ny zavatra rehetra aorian'izao dia hijanona ho ny teo ihany no eo. Ny tiako ambara dia ny sanda avo be arahan'ny ranon'harafesina, ny tsy fisian'ny trano fandroana, na ireo teratany Rosiana, izay amin'ny fanitsakitsahana amin'ny lafiny rehetra dia nolavina tsy hahazo miditra amin'ireo hetsika rehetra, na dia nividy tapakila aza.

Ilay bilaogera sady tanan-kavanan'i Alexey Navalny, Leonid Volkov, koa dia nahatsapa [ru] fa mivoaka ivelan'ny resaka ireo fanehoankevitra miiba mikasika ny kiana:

Ничего обидного нет ни в @SochiProblems, ничего страшного нет в том, что какие-то вещи не доделаны, и какие-то косяки случаются. Страшна и позорна, невероятно постыдна только неадекватная реакция на иронию – поиск “врагов” и “заговоров”, истории про “журналистов, которые специально отрывают дверные ручки.”

Tsy misy zavatra manafintohina ao anatin'ny @SochiProblems, tsy misy zava-doza amin'izay zavatra tsy vita hatramin'ny farany, ary misy olona adala. Ny tena henjana sy mahamenatra dia ny valinteny faran'izay mahamenatra sy tsy mifandanja amin'ilay esoeso – ny fikarohana ny teny hoe  “fahavalo” ary “tsikombakomba,” tantara momba ny  “mpanao gazety ninia namotika hidim-baravana”.

Fa na izany aza, hijanona hijery ireo Lalao ihany izy, hoy i Volkov

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.