Lahatsary Fanadihadiana Nahandro Shinoa ‘Kaikitra Amin'i Shina’ Fetin'ny Maso

Shinoa mpampianatra ambony Lin Yutang, namaritra indray ny atao hoe “hasambaran'ny lehilahy” ho: 

娶一个日本女人做太太;找一个法国女人谈恋爱;雇一个中国人当厨师、找一个英国管家料理家政。

Manambady vehivavy Japoney, manana sipa Frantsay, mampiasa Shinoa mpahandro sakafo, mampiasa Britanika lehiben'ny mpiasa an-trano.

Tsy ilaina intsony ny milaza fa ny nahandro Shinoa dia iray amin'ireo endriky ny kolontsaina mampirehareha ny Shinoa indrindra. Anatin'ny andavanandro manana toerana lehibe ihany koa izany. Arkeology sady mpampianatra ambony K.C. Chang, nahita fa “variana kokoa any amin'ny sakafo ny Shinoa» sy «ny sakafo no ivony na farafahakeliny miara-dalana na manamarika ny fifampitohizan'ny fifandraisana marob ao amin'ny fiarahamonina”.

Na dia izany aza, dia tsy mbola voazava tsara na nankafizina tanteraka amin'ny mahasehatry ny kanto na dia ao Shina aza ny hatsarana sy ny zava-miafin'ny sakafo Shinoa mandra-pivoaka ilay andian-dahatsary fanadihadiana voalohany manana fizarana fito mikasika ny kolontsaina ara-tsakafon'i Shina mitondra ny lohateny hoe “A Bite of China (Kaikitra amin'i Shina)” (adika ara-bakiteny hoe “Shina eo an-tendron'ny lela») izay novokarin'ilay fampielezam-peo sy sary miankina amin'ny fanjakana China Central TV tamin'ny volana Mey 2012. Ny andian-dahatsary fanadihadiana dia mitondra ho amin'ny fampidirana araka ny hitamaso amin'ny fahamaroan-karenan'ny nahandro nentim-paharazana Shinoa sy ny karazany maro dia maro any amin'ny faritra amin'ny alalan'ny fampisehoana ireo fangaron-kanina fototra ao amin'ny faritra, ireo fomba fahandroan-tsakafo ary ny sakafo mampiavaka sy ny fomba amam-panaon'ny faritra. Miverina hatrany amin'ny tsotra indrindra ny nahandro shinoa ao amin'ny andian-tsarimihetsika: vaviantitra mitady  olatra matsutake any amin'ny tehezan-tendrombohitra tsy misy lalana, mpanjono nahazo gogo ho atao lasopy, vondrona mpamboly manangona fakam-boahirana ao anaty reniranom-potaka amin'ny ririnina.
 

Poster of "A bite of China"

Afisin'ilay andian-dahatsary fanadihadiana “Kaikitra amin'i Shina”.

Niasa nandritra ny herintaona mahery tamin'ny fakàna sary mandrakitra ilay andian-dahatsary fanadihadiana maharitra 50 minitra ny telopolo tamin'ireo mpamokatra sarimihetsika manana ny maha azy indrindra ao amin'ny firenena. Notifirin'izy ireo sary avokoa manomboka amin'ny farihy mangatsiaka hatrany anaty alam-bolotsangana.

Nanjary fahombiazana avy hatrany sy lohahevitra malaza tao amin'ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra Shinoa ilay lahatsary fanadihadiana. Maro no mihevitra fa ity no lahatsary fanadihadiana tsara indrindra mbola tsy novokarina tao Shina noho ireo fomba enti-manaitra amin'ny hita maso sy embonembona mahery vaika aterany. Lasa malaza be ilay izy ka natomboka tamin'ny Janoary 2013 ny fizarana faharoa ary fantatra fa hivoaka amin'ity taona 2014 ity. Ity no mety lahatsary fanadihadiana andrasana indrindra amin'ny 2014 ao Shina. Misy ny fikasàna hamoaka azy amin'ny fahitalavitra ny “Kaikitra amin'i Shina” ao aminà firenena 20, tahaka an'i Alemaina sy Etazonia, saingy, ao amin'ny YouTube ihany no ahitana azy aloha amin'izao fotoana izao.

Rehefa avy nijery ny fizarana  voalohany, maro ireo mpiserasera no naneho hevitra tao amin'ny habaka tambajotra sosialy douban, ary nilaza fa efa zava-dehibe ny lanjan'ilay lahatsary fanadihadiana ankoatran'ilay sakafo fotsiny: Fitsidihana ireo toerana mahafinaritra ao Shina sy tantaran'ny mponin'i Shina no hita ao amin'izany:

bug君跪求逆袭: 作为一个吃货,生长在地大物博的中国是人生最美好的事!

Amin'ny mahampankafy sakafo ahy, toa tahaka ny fitahiana ny nahaterahana teto Shina, toerana feno harena.

去他的肥肉!!: 拍得相当不错,这不仅仅是食物的故事,也是人的故事。

Lahatsary fanadihadiana mahafinaritra. Tsy miresaka momba ny sakafo fotsiny izy, fa ireo tantaran'ny mponina koa.

老尘 : 原来在华夏内地还有这么多充满文化意味的地方没有去

Tsy mba nahafantatra aho fa maro ireo toerana ara-kolontsaina mbola tsy hitako eto Shina .

Mihevitra koa ny sasany fa azo ampiasaina toy ny hery milamina tsara ilay lahatsary fanadihadiana:

掉队的猪  爱国主义教育就得这么搞!

Tokony ampianarina tahak'izany ny fitiavan-tanindrazana.

Na dia izany aza, nisy kosa ireo nalahelo fa manjavona miandalana ity fomba fiainana ity ao amin'i Shina maoderina noho ny fihazakazahana hanangana orinasa sy ny fahalotoan'ny tontolo iainana: 

阿轩  美食也是一种行将消逝传统,多少有些沉重。

Fomba nenti-paharazana an-dalam-pahaverezana ny fahandroan-tsakafo, [raha mieritreritra momba izany aho] mahatsiaro mavesatra ny foko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.