An-tapitrisany Ireo Noverezin-jo Tsy Afaka Nifidy Tao Thailandy

An elderly woman holds a sign that reads 'Respect My Vote' as she poses with her grandchild who holds a Thai national flag. Photo by Matthew Richards, Copyright @Demotix (1/15/2014)

Vavy antitra milanja sora-baventy mivaky hoe “Hajao ny Safidiko” miaraka amin'ny zafikeliny lahikely mitondra sainam-pirenena Thailandey. Sary avy amin'i Matthew Richards, Zon'ny mpamorona @Demotix (1/15/2014)

Na dia eo aza ireo fihetsiketseham-panoherana ny governemanta sy ny fanentanana tsy hifidy nataon'ny mpanohitra, afaka nanatontosa fifidianana milamina ihany i Thailandy. Saingy maro ireo Thailandey no tsy afaka nifidy na voasakana tsy afaka namonjy biraom-pifidianana akaiky noho ireo fihetsiketsehana. Araka ny filazan'ireo mpikarakara ny fifidianana, nahatontosa fifidianana ny 89,2 %-n'ny biraom-pifidianana, na biraom-pifidianana 83.813 tamin'ireo 93.532.

Tombanana ho 12 tapitrisa ny isan'ireo olona noverezin-jo tsy afaka nifidy. Ahitana mpifidy 48 tapitrisa amin'ireo mponina eo amin'ny 65 tapitrisa eo ho eo.

Tarehimarika tamin'ny fifidianana tamin'ny 2 febroary

Tao anatin'ny adilahy politika tsy mitsaha-mitombo ao amin'ny firenena no notontosaina ny fifidianana. Midina an-dalambe ao Bangkok, renivohi-pirenena ireo mpanao fihetsiketsehana, volana maromaro sahady izay ary mitaky ny fametra-pialàn'ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra. Voampanga [fr] ho manaraka ny baikon'ny zokiny lahy, Praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra i  Yingluck.

Satria mihamafy ny fihetsiketsehana, nandrava ny antenimiera i Yingluck ary nanambara fa hanatontosa fifidianana. Saingy nivoady tsy handray anjara amin'ny fifidianana ny mpanohitra ary nangataka ny hananganana Filankevi-bahoaka. Nanambara ny Antoko Demaokratin'ny mpanohitra fa tsy hisy ny fifidianana madio sy demaokratika raha avela handray anjara amin'ny fikarakarana ny fifidianana ny fianakaviana Thaksin ‘mpanao kolikoly’.

Mampiseho ny fizarazarana ara-politika ao Thailandy ity sarintany eto ambany ity. Mpanohana ny antokon'ny fitondrana avokoa ny ankamaroan'ny avaratra sy ny avaratra-atsinanan'ny firenena raha toa kosa ka manohana ny mpanohitra ny faritany atsimo, izay misy ny ankamaroan'ireo biraom-pifidianana nosakanana tamin'ny fifidianana.

Maitso = Tsy voasakana ny fifidianana; Lokom-boasary = fifidianana voasakana tamin'ny ampahany;  Mainty = fifidianana voasakana tanteraka

Manokana avy amin'ny ‘Bangkok Post’ tamin'ny angidimbinay baikon'i Sithikorn Wongwudthianun lavitra.

Marobe ireo mpifidy voasakana hifidy no nandeha nametraka fitoriana tany amin'ny polisy. Ho an'i Bangkok fotsiny, biraom-pifidianana 488 amin'ireo 7.000 eo ho eo no nikatona noho ireo fihetsiketsehana.

Nametraka fitoriana tany amin'ny polisy aho satria tsy afaka nifidy ARY nitory ny EC (Vaomieram-pifidianana) tao amin'ny tobin'ny polisy Thonglor

Mpifidy diso fanentanana tao Din Daeng manofahofa ny Karampandrony ary nihiaka hoe ‘Mila fifidianana izahay’. Tsy mba afa-nifidy izy ireo

Noho ny fahamaroan'ireo biraom-pifidianana voasakana (nikatona), mbola tsy navoaka ny valim-pifidianana ary mety mbola miandry herinandro maromaro mandra-pikarakarana fifidianana ampahany.

Nanidy ireo vatam-pifidianana ireo tompon'andraikitry ny fifidianana taorian'ny latsa-bato nataon'ireo olona tonga farany tao Bang Sue, ao Bangkok

Nanazava i Saksith Saiyasombu fa mbola afaka handatsa-bato amin'ny fotoana manaraka ireo mpifidy noverezin-jo: 

What will happen next? There’re hundreds of polling station that didn’t open today, those will have to hold elections at a later date. Those who were obstructed in last Sunday’s advance voting can cast their in by-elections on February 23. The 28 constituencies in the South that weren’t able to file a candidate will have to start the process at a later date.

Inona no mety hitranga manaraka? An-jatony ireo biraom-pifidianana tsy afaka nisokatra androany, ka tokony hikarakara fifidianana vaovao amin'ny andro manaraka izy ireo. Ireo izay tsy afaka nifidy tamin'ny fifidianana natao mialoha tamin'ny Alahady teo dia afaka hifidy amin'ny fifidianana ampahany amin'ny 23 Febroary. Tokony hijery indray izay tokony atao amin'ny andro manaraka ireo faritra 28 ao Atsimo tsy afaka nanolotra kandidà.

Naneho ny fahadisoam-panantenany manoloana ny fikarakarana ny fifidianana i @KhunPleum :

Nanjary toa mampalahelo ny zava-misim-pifidianana Thailandey

Ilaina ny diezy Twitter #ThaiVote2014 sy #vote2014 mba hanarahana ny fizotry ny fifidianana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.