Mali : Tohanana Ny Zon'Ireo Tanora Hianatra

Raha mbola manandrana mampiray ny faritaniny midadasika izay ravan'ny ady lava tsy mety vita eo amin'ny tavaratra sy ny sisa amin'ny firenena i Mali, ireo tanora kosa dia maika handroso hanorina ny ho avin'i Mali. My Rights, My Voice, Mali (ny Zoko, ny Feoko, Mali) dia tetikasa tarihan'ny tanora maliana ary tohanan'ny Oxfam  mba hampiroboroboana ny zon'izy ireo hahazo  fanabeazana, ny fahasalaman'ny taovam-pananahana sy ny fananahana.

Image from Facebook page for the My Rights, My Voice project. Used with permission.

Sary avy amin'ny pejy facebook-n'ny tetikasa  My Rights, My Voice.  Nahazoana alàlana.

Ny zava-misy

Na dia efa nianatra tany amin'ny ambaratonga voalohany aza ny 80%-n'ny ankizy maliana tamin'ny 2010- 2011, dia nifofotra ny hanome azy ireo fanabeazana mendrika ny rafi-panabeazana. Saiky ny antsasany anefa dia miala eny an-tenatenany raha toa ka tsy manana akory ny fototra ho amin'ny famakian-teny, ny fanoratana, ny fanisàna ireo maro izay nahatozo ny fianarany. Miatrka tsy fahampian'ny sekoly sy tsy fisian'ny mpampianatra ary ny fitaovana ny rafi-panabeazana any ambanivohitra.

High school students in Kati, Mali via wikipedia  Creative Commons Attribution 2.5 Generic license.

Mpianatra amin'ny ambaratonga faharoa any Kati, Mali. Sary avy amin'ny Wikipedia mampiasa ny lisansa Creative Commons Attribution 2.5 Generic.

Hazavain'i Laya Diarra, mpitoraka bilaogy ao amin'ny Afribone any Bamako, fa ny fahavitana ny ambaratonga voalohany  dia matetika no tsy mahavaha ny olan'ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra  [fr]: 

Il a été constaté que les enfants qui terminaient le 1er Cycle de l’Enseignement Fondamental retombaient très vite dans l’illettrisme. Cet enseignement ne garantissait pas le minimum éducatif que le système se donnait comme objectif.

Asehon'ny antontan'isa fa maro amin'ny ankizy nahavita ny ambaratonga voalohany no mora latsaka indray any amin'ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Tsy manome antoka na dia izay zavatra kely indrindra amin'ny tanjona kendrena aza io rafi-ampianarana io.

Fanampin'izay, ny elanelana misy eo amin'ny ankizilahy sy ny ankizivavy amin'ny fidirana mianatra dia mbola olana lehibe. Tamin'ny 2008, mpianatra maherin'ny 80.000 no afaka tamin'ny fanadinana hidirana amin'ny ambaratonga faharoa, manodidina ny 17.000 ihany – 40 isan-jaton'izy ireo no ankizivavy- no tsy tafiditra tany amin'ny sekoly ambaratonga faharoa. Hazavain'i Marianne Opheim, mpampianatra mpikaroka fa tsy lehibe tahàka izao isehoany izao ny elanelana misy amin'ny ankizilahy sy ny ankizivavy.

Tout en reconnaissant l'importance des facteurs particuliers au statut de la femme, je pense que la sous-scolarisation des filles est étroitement liée aux grands défis généraux de l'école malienne, tels que l'écart linguistique et culturel entre l'école et le foyer

Na dia zava-dehibe aza ny mahafantatra ny havesa-danjan'ny zava-mampiavaka mifandraika amin'ny toeran'ny vehivavy, heveriko fa mifamatotra amin'ny ady ankapobeny ataon'ny rafi-pampianarana maliana ny zara fa fanomezana vintanaho an'ny ankizivavy hianatra, toy ny tsy fitoviana eo amin'ny fianarana miteny sy ny kolontsaina any an-tsekoly sy any an-trano.

Ireo vahaolana

Miatrika tsy fahampianà mpampianatra i Mali (mpampianatra iray ho an'ny mpianatra 100 any amin'ny faritra sasany), fanofanana tsizarizary azon'ireo mpampianatra, tsy fisian'ny fitaovam-pampianarana ary fandaharam-pianarana tsy mifanaraka amin'ny toetr'andro. Fa na dia izany aza dia misy ihany ireo sekoly mahasedra ny olana, toy ny sekoly ambaratonga voalohan'i Mohamed Diallo. Asongadin'ny talen'ny sekoly amin'ity lahatsary amin'ny teny frantsay manaraka ity fa na dia nisy aza ireo olana maro isan-karazany dia tratran'ny sekoly ihany ny tanjony noho ny fandavan-tenan'ireo mpampianatra :

Ny tsy fahalavorarian'ny fandraisan'andraikitra sy ny fangaraharana eo amin'ny andraikitra sy ny fitantanam-bola dia midika fa tsy mbola voahaja ny fenitra napetraky ny lalàna ary tsy mbola nampiharina ny politikam-pirenena toy ny fampianarana ireo ankizivavy.

Miaraka amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka any Mal toy ny vovonana “Education for All” (Fanabezana ho an'ny rehetra), ny “My Rights, My Voice” dia miady hisian'ny fanatsaràna ny fandaharam-pampianaram-pirenena, ao anatin'izany ny fahaiza-miaina isan'andro, ny zo amin'ny fahasalaman'ny fitaovam-pananahana sy ny fananahana. Manofana  vondronà tanora mba hanara-maso ny politikan'ny fampiharana ireo fepetra, mba hahafahan'izy ireo mampandray andraikitra ny fitondrana amin'ny hanaja ny teny nomeny hitondra fanabeazana mendrika ho an'ny ankizy rehetra any Mali sy hampiroborobo ny fampidirana ireo ankizivavy any an-tsekoly indrindra indrindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.