Fototra 3 Enti-manakatra Ireo Hetsi-panoherana An'i Compaoré Ao Burkina Faso

Nisy hetsi-panoherana goavana nitranga ny Sabotsy 18 Janoary 2014 teo hanoherana ny fanavaozana Lalàm-panorenana naroson'ny Filoha Blaise Compaoré. Inona no dikan'ireny hetsi-panoherana ireny ary nahoana no niteraka fahalinana teny anivon'ny olom-pirenena bokninabe  ireny fanavaozana ireny ? Inona no hateraky ny krizy lavareny iray ho an'ny faritra? Ndeha hoezahantsika hitondrana fanazavàna ireo fanontaniana ireo amin'ny alàlan'ny fitetezana ireo fanehoan-kevitry ny olom-pirenena borkinabe ety anaty aterineto :

Inona no anton'ireo hetsi-panoherana

18 jan. 2014, Burkina : raha mbola misy hetsi-panoherana iray tahaka izao dia hisintaka i Blaise Comparoé (27 teo amin'ny fitondràna). Mipoa-tsatroka ! 

Ny mpanohitra no nikarakara ireo fihetsiketsehana mba hanoherana ny fanovàna lalàm-panorenana izay mety hahafahan'ny filoha Blaise Compaoré hirotsaka hofidiana haka dimy taona hitondràna  fanintelony indray amin'ny 2015. Io fanavaozana ny Toko faha-37 ao amin'ny Lalàm-panorenana io, izay milaza fa voafetra ho roa ihany ny fe-potoam-pitondran'ny filoha, dia toherin'ny ampahany maro amin'ny kilasy pôlitika sy ny mpifidy. 

Ny vanja nandrehitra ny afo ho an'ny hetsi-panoherana dia niainga tamin'ny herinandro talohan'io rehefa nametra-pialàna ny mpikambana 75 tamin'ireo olon'ny antoko eo amin'ny fitondràna ho fanoherany ny tsy fisian'ny fahamaroan-kevitra eo anivon'ny antoko. 

Governemanta efa notoherina hatrany amboalohany

Tsy vao voalohany akory no efa tra-pahasahiranana ny fahefan'ny filoha  Compaoré nandritra ity fe-potoam-pitondràna dimy taona ity. 

Tamin'ny febroary 2011, efa nipoaka ny hetsi-panoherana tao  Ouagadougou sy tany amin'ny ambiny sisa tao amin'ny firenena, taorian'ny nahafatesan'ny mpianatra iray noho ny daroky ny polisy tao  Koudougou.

Blaise Compaoré, président du  Burkina Faso depuis 1987 via wikipédia CC-NC-BY

Blaise Compaoré, filohan'i Burkina Faso hatramin'ny 1987 nalaina tao amin'ny wikipédia CC-NC-BY

Mba hampitoniana ireo hetsi-panoherana, nanaisotra ireo governorany rehetra tany aminà faritra niisa telo ambinifolo i Blaise Compaoré ary nandroso fepetra ho fampiakarana ny fahefa-mividin'ireo mpianatra. Ireo herisetra ataon'ny polisy sy ny famonoana ireo mpanohitra ny filoha Blaise Compaoré dia tahaka ny niverimberina teo anelanelan'ny 1990 sy 2000. Ny rohy iraisan'ireo korontana ireo dia ny fanoherana ny fangoronan-karena ataon'ny fianakavian'ny filoha sy ny kolikoly mandady toy ny trambo. 

Ny fiantraikan'ny krizy lavareny ho an'ilay faritra

Ny fiantraikan'ireny hetsi-panoherana ireny tsy hoe mijanona fotsiny  hatreo amin'ny sisintanin'i Burkina Faso. Noraisin'ny filoha Compaoré  ny filohan'ny antenimieran-doholona Ivoariana, Guillaume Soro, ho toy ny mpanelanelana amin'ilay krizy. Théophile Kouamouo, ivoariana bilaogera, dia manao ity fandalinana manaraka ity momba io fihaonana io :

Hatramin'ny nanambaràna ny fametraham-pialàna faobe nataon'ireo mpikambana maro manana ny lazany avy ao amin'ny “Congrès pour la démocratie et le progrès (CDP)” , antokon'ny filoha borkinabe Blaise Compaoré, efa ho folo andro lasa izay, ireo endrika tena fantatra ao amin'ny fitondran'i Ouattara dia sahala amin'ny mahatonga antsika hieritreritra hoe ny hany hevitra hahita an'ilay ranamana efa nanjaka tao Ouagadougou nandritry ny 27 taona handeha hisotro ronono dia mety hahatonga azy ireo tsy hahafehy tena sy hanosika azy ireo hisalasala ny amin'ny hoaviny ara-politika [..] Ary raha toa tokoa moa ka i Guillaume Soro izay mahita tombony kokoa amin'ny fihazonana an'i Blaise Compaoré eo amin'ny fahefana, no arosony ho toy ny « mpanolotsainy» ? Mety ho azo eritreretina ny hoe mila ny fikolokoloan'ny olo-matanjak'i Ouaga, mba tsy ho rendrika ao anatin'ny fifanoherana, ny fifandanjan'ny fifandraisana efa tsy dia mazava hatrizay eo amin'i Ouattara sy ny « mpandimby azy araka ny lalam-panorenana ».

Laye Doulougou, Borkinabe monina any Côte d'Ivoire dia manana fomba fijery hafa an'ity fanelanelanana ity :

Mitandrema ianareo tsy “hitsabatsabaka” amin'ny raharahan'i Fasso rehefa mba misy olona tsara fanahy, entanin'ny firaisankina avy any amin'ny faritra, manampy azy hitahiry ny fiandrianam-pireneny sy ny maha iray azy.
Izahay Borkinabe sasany dia mbola mahatadidy tsara ireo tantara tsy dia ela akory momba ny krizy niainan'i  Côte d’Ivoire ary tsy maniry ny hahita ny firenenay hiaina vanim-potoana tahaka izany. Mino ny hisian'ny Afrika iray milamina izahay, Afrika itambaran'ireo afrikana rehetra mandry fahalemana ary mivoatra noho ny fanelanelanana toy io misy io

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.