Afaka Hiaina Mandra-Pahoviana Ao Amin'i Vkontakte i Pavel Durov, ilay Zuckerberg-n'i Rosia, ?

Pavel Durov's "Die Hard" tenure as general director of Vkontakte. Images mixed by Kevin Rothrock.

Ny fotoam-piasana “Tsy Tontan'ny Ela”-n'i Pavel Durov tamin'ny naha-tale azy tao amin'ny Vokontakte. Sary nafangaron'i Kevin Rothrock

 

Rosia no iray amin'ireo firenena vitsy eto an-tany tsy anjakan'ny Facebook ho toy ny tambajotra miìbahan-toerana. Ny Vkontakte (“Mifandray hatrany”), safidy Rosiana, dia nanomboka nivoaka tamin'ny endrika hala-tàhaka ny tranonkalan'i Mark Zuckerberg fotsiny, saingy hatreo dia nitombo nanjary orinasa misanda dolara an-davitrisa maro, miaraka aminà mpandrafitra rindrambaiko sy mpampiasa azy an-tapitrisa manerana ny tontolo miteny Rosiana eran-tany. Ho an'iny taona lasa iny anefa, tafiditra anatinà tantara ratsy maro voarafitra hanerena azy hiala i Pavel Durov, mpamorona sady tale jeneralin'ny Vkontakte.

Tamin'ny Aprily 2013, voarohirohy taminà lozam-pifamoivoizana hafahafa naharatràna polisy i Durov. Marobe ny famoaham-baovao liberaly ao Rosia no namoaka ihany koa honohono milaza ny fiaraha-miasan'i Durov sy Vkontakte tamin'i Kremlin ho famoretana ireo hetsi-panoherana ara-politka nandritry ny “ririnin'ny tsy hafaliana” 2011-2012. Miely ihany koa ny tsaho fa hoe nandositra niala ny firenena ka lasa any Etazonia i Durov, toerana heverina fa anomànany ny famoahana fampiasa iray vaovao fandefasana hafatra eo noho eo, antsoina hoe “Telegram.”

Manodidina io fotoana io ihany, novidian'ilay vondrona mpampiasa vola “United Capital Partners” tampoka teo ny 48% amin'ny renivolan'ny Vkontakte. Sahala amin'ny hita ankehitriny fa ny UCP no nandrafitra ny famelezana an'i Durov, namboly tantara ho an'ireo mpampita vaovao, mba hanerena ny mpanorina ilay tranonkala hivarotra ny 12% mbola azy, nanamboatra làlana ho anà tale jeneraly iray malefaka kokoa, izay mety hisokatra kokoa amin'ny “famarotana” ilay tolotra mba hiteraka vola.

Pavel Durov tamin'ny fankalazana ny faha-26 taonany , 10 Oktobra 2010, sary an'i Gayanz Manukian, CC 3.0

Androany 20 Janoary 2014, namoaka lahatsoratra iray [ru] ilay gazety fanta-poko fanta-pirenena fa mifamatotra amin'i Kremlin, Izvestia, nilazany fa niala tsy ho mpitantana ny Vkontakte i Durov, ary nitondra ny ankamaroan'ireo mpiara-miasa taminy hiasa manodidina ny tetikasa Telegram. Nitatitra koa ny Izvestia fa ny Vkontakte dia – ary efa toy izay hatrany – mavitrika amin'ny fandraisana mpiasa misahana ny lafiny teknika avy ao amin'ny Mail.ru sy Yandex.

Afaka ora maromaro, nanoratra [ru] tao amin'ny pejiny VK i Georgii Lobushkin, sekretera mpifandray amin'ny mpanao gazety ao amin'ny Vkontakte, fa tsy nandao ny toerany amin'ny maha-tale jeneraly azy akory i  Durov, handàvany “ireo tatitra mifanohitra amin'izany.” Somary mahagaga, talohan'ny namoahana ilay lahatsoratra, Vladimir Zykov, mpanangom-baovao avy ao amin'ny Izvestia dia nangataka [ru] an'i  Lobushkin hanao fanehoankevitra ofisialy momba ireo honohono mikasika ny fialàn'i Durov, saingy tamin'izany fotoana izany dia nandà ny handiso ny tantara ilay mpitondra tenin'ny Vkontakte. (Taorian'izay, rehefa nifotetaka mazava tsara noho ny fanambaràna nataon'i Lobushkin taty aoriana izy, nanoratra [ru] tao amin'ny Facebook i Zykov fa hoe nivontirika sy nipararetra izy)

Maro hafa avy ao amin'ny Vkontakte ankehitriny no mandà ilay tatitr'i Zykov, isan'ireny i Durov izy tenany, izay nilaza tamin'ny Forbes.ru, “Fanelezana tsaho io, izay mampiseho tsara ny toetran'ny gazety Izvestia.” Ny filohan'ny “USM Advisors” ihany koa, izay mitantana ny 40% amin'ny renivolan'ny Alisher Usmanov ao amin'ny Vkontakte, dia nandà [ru] ireo vaovao milaza ny fialàn'i Durov, na dia somary nalemilemy ihany aza ny fifandraisana tamin'i Durov sy Usmanov teo aloha kely teo. (Tamin'ny Desambra 2013, niteny tao anaty tafatafa [ru] iray i Usmanov fa miara-miasa anaty “firahalahiana” izy sy Durov amin'ny fitantanana ny Vkontakte.)

Na teo aza ny valintenin'i Durov, ny tarik'i Usmanov, ary Lobushkin, mihevitra hatrany ny sasany [ru] ao amin'ny RuNet fa tsy ho ela intsony ny fandehanan'i Durov. Na avy ao anatin'ny Vkontakte aza, misy ahiahy midongizina. Ohatra, Nikolai Durov, tale teknika (rahalahin'i Pavel) dia niaro tamin'ny ampahany ny lahatsoratr'i Zykov tao amin'ny Izvestia, raha nanoratra tao anaty fanehoankevitra [ru] tamin'ny lahatsoratry ny Vkontakte hoe ahiahiany mety ho marina ireo honohono momba ny fisian'olona ao anatin'ny orinasa miezaka mandray mpandrafitra rindrambaiko vaovao, angamba hanoloana ireo mpiara-miasa rehefa voahilika i Durov sy ny tariny.

Na ho inona na ho inona ny ho fehin'ity safotofoto Durov ity, hita izao fa mitohy mameno ny fampahalalam-baovao ny fisamantsamahana eo anivon'ny Vkontakte, ka any no mipongatra ireo honohono mikasika fampifangaroana tombontsoa ataon'i Durov, ny fampiasàny tsy ara-dalàna ny fananan'ny orinasa, ary ankehitriny dia ny fialàny mihitsy aza. Ny anton'ny tsy fifankahazoana eo amin'ireo samy mpiara-miombona antoka dia tondroina ho ny tsy faneken'i Durov handray dokambarotra misimisy kokoa ao amin'ilay tranonkala, fa eo koa ny resaka mandeha momba ny fifamatorany amin'i Kremlin, ary ny fisisihan'ity farany hifehy ny Aterineto dia tena tsy azo itokiana. Afaka Hiaina Mandra-Pahoviana Ao Amin'i Vkontakte i Durov? Hilefitra alohan'ny handehanany ve ireo mpifanandrina aminy sa rehefa any ambadiky ny karakara vy izy?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.