Nogadrain'i Arabia Saodita Noho Ny “Tsy Finoana An'Andriamanitra Sy Ny Volo Lava” Ilay Poeta Palestiniana

Saudi Artist Ahmed Mater shared this photograph on Twitter in support of Fayadh

Mpanakanto Saodiana Ahmed Mater nizara ity sary ity tao amin'ny Twitter ho fanohanana an'i Fayadh

Any am-ponjan'i Saodia ilay mpanao tononkalo Palestiniana Ashraf Fayyad, izay voalaza fa nampiely ny tsy finoana an'i Allah – sy nanalava volo. Dimy volana izay no nisamborana ity poeta nihalehibe tao Arabia Saodita ity, raha nisy mpamaky iray nitory ary fa ahitana hevitra tsy finoana an'i Allah ny tononkalony. Tsy voaporofo ny fiampangana ka navotsotra izy ary nosamborina indray avy eo tamin'ny 1 Janoary 2014. Niely niaraka tamin'ny fanamelohana avy amin'ireo mpanoratra Arabo manerana ny faritra tany amin'ny fampitam-baovao sy ireo tambajotra sosialy ny raharaha Fayyad. Nanoratra tao amin'ny aterineto ny sasany tamin'ireo namany fa ny tena antony nisamborana azy dia angamba noho ilay lahatsary nalainy 5 volana lasa izay ahitana polisim-pivavahana ao Abha mively karavasy tovolahy imasom-bahoaka. Mbola any am-ponja tsy misy porofo ankehitriny ity poeta ity ary tsy misy vaovao momba izay fotoam-pitsarana azy manaraka. Ireto fihetseham-po fanamelohana haingana avy amin'ireo mpanoratra sy mpanakanto Saodiana, sy ny sisa hafa mijoro ho amin'ny firaisankina ny hanazava ny raharaha momba azy.

#أشرف_فياض التحرش بالذات الإلهية وتطويل الشَعر…فقط عندما تتوقف هذه التهم المضحكة/المبكية يمكننا أن نبدأ الحديث عن الحقوق والحريات ووو

@reem_tayeb: Voampanga ho “nanohintohina ny maha-andriamanitra an'Andriamanitra sy nanalava ny volony i Ashraf Fayyad .. rehefa mitsahana ireto fiampangana azy mampihomehy-mampalahelo ireto, dia afa-manomboka miresaka momba ny zo sy ny fahalalahana isika.

#أشرف_فياض اعتقاله ليس الا اعلان اننا وصلنا الى ما وصلت اليه اوروبا في العصور المظلمة !!

@MohammdaLahamdl: Ny fisamborana an'i Ashraf Fayadh no filazana fa nahatratra izay natrehan'i Eoropa tamin'ny vanim-potoanan'ny (aizina) tsy fahalalana isika.

هل تعتقد أن إيمانك حقيقي وأنت تعتقد أن الله كائن قابل للتحرش به ؟! #أشرف_فياض

@WhiteTulip01: Mihevitra ve ianao fa tena izy ny finoanao raha mihevitra ianao fa azo helingelenina Allah.

أشرف_فياض معتقل بتهمة الالحاد!!وهل الكفر تهمة!! وهل الايمان إجبار!! هذا اذا افترضنا صحة التهمة أصلا

@MusabUK: Nogadraina noho ny tsy finoana an'i Allah i Ashraf Fayadh. Vesatra (azo henjehina) ve ny tsy finoana an'i Allah? Tsy maintsy hanànana ve ny finoana? Izany no lazaina raha ekentsika fa marina ny fiampangana.

إن وجود #أشرف_فياض في السجن، مع المجرمين، والقتلة، لأنه شاعرٌ فحسب، لا يعنى سوى أن العدالة مسألة ترفيّة لدينا، سلطة وشعبا

@b_khlil: Ny mahatonga an'i Ashraf Fayyad any am-ponja ankehitriny miaraka amin'ireo jiolahy sy mpamono olona, dia satria poeta izy, lazao anay fa tombontsoa manokana ho antsika, olom-pirenena sy ny fitondrana irery ihany ny fahamarinana.

15 تهمة ملفقة للشاعر والفنان #أشرف_فياض تبدأ بالإلحاد وتنتهي بإطالة الشعر، لماذا ؟ لأنه قبل 5 أشهر صور هيئة أبها وهي تجلد شاب أمام الناس

@turkiaz: Nogadraina noho ireo fiampangana azy miisa 15 ilay poeta sady mpanakanto Achraf Fayyad, ka anisan'ny fiampangana azy ny tsy finoana an'i Allah sy ny volony lava. Nahoana? Satria naka an-tsarimihetsika polisim-pivavahana nikapoka karavasy tovolahy imasom-bahoaka izy.

#أشرف_فياض الى اعلامنا ، هل ننتظر ، القليل من المهنية ستفي بالغرض. قضية اشرف فياض علي وشك ان تكون في صفحات كل المحطات العالمية قريبا

@AhmedMater: Hoan'ny fampahalalam-baovaontsika: tokony hiandry ve isika? Mety hiandry ireo matihanina sasany? Ho lohatenim-baovao misongadina amin'ny fampahalalam-baovao iraisampirenena tsy hoela ny raharaha Achraf Fayyad.

تحولت التحقيقات مع الشاعر أشرف فياض بعد عجز المحقق أن يثبت شيئا من الاتهامات إلى أسئلة حول لماذا تدخن ؟ ولماذا شعرك طويل قليلاً ؟

@mohkheder: Raha tsy afaka nanaporofo ireo fiampangana an'i Achraf Fayyad ny mpanao famotorona, dia nanontany ny antony hifohahany sigara sy ny antony hanalavany volo indray avy eo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.