Manainga Indray Ny Adihevitra Momba Ny Tsy Fandriampahalemana Ny Famonoana An'ilay Venezoeliana Mpanjakavavin'ny Hatsaran-tarehy Fahiny

El hermano de Monica Spear al frente de la procesión que lleva el ataúd de la joven actriz fallecida. 10 de enero, 2014. Foto por Carlos Becerra, Copyright Demotix

Ny anadin'i Mónica Spear mitarika ny tandahatr'ireo mpandevina nilanja ny tranovorona nisy ilay tanora mpiantsehatra nodimandry, 10 Janoary 2014. Sary avy amin'i Carlos Becerra, Fizakàmanana Demotix

Anatinà firenena iray nahitàna fahafatesana 24.763 vokatry ny herisetra tamin'ny taona lasa, fa dia inona no tsy maintsy mitranga vao tonga ho olana iadian'ny rehetra hevitra ny tsy fisian'ny fandriampahalemana, na izany eny anivon'ny vahoaka, na eny anivon'ny governenamta?

Toy ny hoe tsy maintsy niantraika taminà olo-malaza iray io herisetra ary lohahevitra saropady io, izay mitombo [es] isan-taona (efa ho folo taona no tsy nanomezan'ireo loharanom-baovao ofisialy antontanisa mikasika ny vono olona) izay vao azon'ny Filoha sy ny filazam-baovaom-panjakana lazaina ao amin'ny fahitalavi-pirenena [es], izay efa an-tanoana marobe tokoa no tsy niresaka raharaha tahaka izany

Notafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana i Mónica Spear, mpilalao sarimihetsika, sy Thomas Berry, vadiny taloha, ary Maya Berry, zanakavavin'izy ireo dimy taona raha teo ampiandrasana fanampiana taorian'ny loza nanjo ny fiara nentin-dry zareo rehefa nidofotra tamin'ny sakana napetrak'ireo olon-dratsy tamin'ny làlany mba hanerena ny mpamily hijanona. Maty teo noho eo i Spear sy ilay vadiny taloha ary voatifitra ka naratra kosa ny zanany vavy [es].

Niparitaka ny maraina taorian'io ny vaovao ary avy hatrany dia nanondraka ny tambajotra sosialy sy ireo media isan-karazany, na izany avy ao anatiny, na tany ivelan'i Venezoela. Ny antony, ankoatry ny dona naterak'ilay herisetra, dia noho izy nanamafy ny tahotry ny Venezoeliana hanampy isa ny antontanisa hafa indray.

Anaty lahatsoratra iray mitondra lohateny hoe “Rojo sobre negro” [es] ao amin'ny bilaogy Rostros de Viento [es], soritan'i José Urriola [es] ny fomba fijeriny ilay fifandonana niteraka ny loza :

Muchos venezolanos dentro y fuera de las fronteras. Nos quedamos en shock. Mudos. Indignados. Presos de pánico, dolor y frustración. Tan descolocados que no había (no hay) palabras para expresarlo. El asesinato de la actriz, modelo y ex Miss Venezuela, Mónica Spear, junto con su marido y en presencia de su pequeña hija de 5 años -quien resultara herida en una pierna cuando unos maleantes abalearon  el auto donde se habían quedados accidentados- fue como una bomba de realidad, asco y miedo que nos estalló en la cara. No significa que esta muerte pese más que las otras 25 mil que anualmente cobra el hampa en Venezuela, no se trata de que importe más porque se trate esta vez  de una figura pública querida dentro y fuera del país, sino que encaramos una muerte especialmente significativa, un símbolo más del horror impronunciable al que estamos sometidos nosotros y los nuestros en una sociedad descompuesta.

Venezoaliana marobe ato anatiny sy ivelan'ny sisintanintsika. Samy tohina avokoa. Gina. Tezitra mafy. Gadran'ny saritaka, ny hirifiry ary ny hasosorana.  Tena fanimpanina tanteraka ka tsy nisy (misy) teny ho enti-manambara azy io. Toy ny baomba nampipoaka ho eny amin'ny tavantsika ny zava-misy, mankaloiloy sy mahatahotra iainana ny famonoana an'i Mónica Spear ilay mpilalao sarimihetsika, lasibika ary Mpanjakavavin'ny hatsaràna fahiny tao Venezoala, niaraka tamin'ny vadiny taloha ary teo imason-janak'izy ireo vavy—izay naratra teo amin'ny tongony rehefa notifirin'ny sasany tamin'ireo mpandroba ny tao anatin'ilay fiara tra-pahavoazana. Izany akory tsy milaza fa hoe mavesa-danja noho ireo fahafatesana hafa miisa 25.000 ataon'ireo tsy vanona isan-taona ao Venezoela ity fahafatesana ity, tsy hoe satria olo-malaza lalain'ny eto anatiny sy ny any ivelany izy, fa noho isika miatrika fahafatesana iray tena misy dikany manokana, endrika irain'ny horohoro tsy hay faritana izay manjo antsika sy ireo havan-tsy fointsika eto anaty firenena iray mivahavaha.

Mandritra izany, soritsoritan'ireo bilaogera maro sy mpampiasa Facebook ny zavatra niainan-dry zareo manokana sy ny an'ireo vondrom-piarahamoniny mba hanehoana fa manenika ny firenena iray manontolo  ny fanaovana heloka bevava

Anaty naoty iray [es] ao amin'ny Facebook, nandefa izay heveriny ho nanjo ilay mpilalao sarimihetsika i Víctor Hugo Majano, amifandraisiny amin'izay mitranga eny anivon'ny vondrom-piarahamoniny:

El hecho es que no se trata de una situación aislada: en todo el país funcionan y crecen grupos delictivos con poder de fuego y suficiente locura para matar a la primera. Y además legitimados artística, cultural y socialmente. Basta con ver la cantidad de carajitos y carajitas que se toman fotos exhibiendo armas con el rostro descubierto. 

Esta mezcla de acceso a enormes recursos financieros, dirección especializada por policías corrompidos, drogas sin límite y arrojo juvenil ha conformado una maquinaria gigantesca de muerte y destrucción en todo el país. Sin duda es el momento para hacerle frente.

Ny marina dia tsy tranga maningana io: manao ny ataony manerana ny firenena ireo andian-jiolahy ary mitombo hery miaraka amin'ny herin'ny basy sy hadalàna mihoam-pampana hamonoana olona amin-javatra faran'izay bitika (eny sa tsia). Ary dia toa omena rariny ara-kolontsaina, ara-tsosialy sy amin'ny fanomezan-danja ny ataony hanana endrika artistika. Jereo fotsiny ny isan'ireo ankizy maka sary ny tenany miaraka aminà fitaovam-piadiana, tsy miafin'endrika akory

Ny fifangaroan'ny fahafahana mahita loharanom-bola goavana, ny fahazoam-baovao avy amin'ireo sampan-draharaha manokana misy polisy mandray kolikoly, ny zavamahadomelina gaboraraka ary ny tanora tsy misy tahotra, io no niteraka milina goavana famonoana sy famotehana manerana ny firenena. Tena tonga izao ny fotoana hiatrehana io olana io.

Monica Spear era embajadora de Asodeco (Asociación para el Desarrollo de Educación Especial Complementaria), una Asociación Civil sin fines de lucro que trabaja con jóvenes y adultos con discapacidad. Jóvenes de Asodeco hablan en el funeral de Mónica Spear.

 Masoivohon'ny ASODECO (Fikambanana Mampiroborobo ny Famenom-Panabeazana Manokana) i Mónica Spear, fikambanana iray tsy mikatsaka tombontsoa ara-bola ho an'ireo ankizy sy olon-dehibe mila fanampiana. Tanora solontena avy amin'ny ASODECO nandray fitenenana nandritry ny fandevenana an'i Mónica Spear. 10 Janoary 2014. Say avy amin'i Carlos Becerra, Fizakàmanana Demotix

Nisy fihetsiketsehana nokarakarain'ny Venezoeliana iray mpilalao sarimihetsika [es] hitakiana ny hanaovan'ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony hetsika hampiatoana ny heloka bevava efa niomanana. Koa satria efa zava-misy tanteraka ao Venezoela ny fisian'ny fiandaniana,  nangatahan'ireo artista izay manohana ny governemanta [es] ny tsy hamadihana ilay tranga ho any amin'ny resala politika, avy ao amin'ny Lapa Miraflores (biraon'ny sampana mpanatanteraka)

Raha maro no mino hoe tomponandraikitra amin'ny herisetra tsy voafehy ny governemanta,  ny hafa mihevitra fa ifampizaràna ny andraikitra amin'ny fianahan'ireo sary mahery setra mifanohitra amin'ny soatoavina alefan'ny media. Ao anatin'ny lahatsorany “Perdón por lo que les voy a decir (Caso Mónica Spears), Ialako tsiny izay ho ambarako amin-dry zareo / ny raharaha Mónica Spears ” [es] dia hoy i Jorge Acosta :

Aquí les va la primera razón para que me crucifiquen, la que a nadie le gusta oír, la que a nadie le agrada, y es que esa televisión que a usted y a sus hijos tanto le gusta, esa pantalla plana de no sé cuantas pulgadas que obtuvo y que pagó bien caro, es culpable en buena medida de la violencia que vive no solo Venezuela, sino el resto de las sociedades del mundo entero, con muy pocas excepciones, las cuales respondieron a este problema sin tanto vericueto. Duras legislaciones son las que han logrado reducir a su mínima expresión este flagelo. ¿Estamos preparados para ellas? ¿Estamos preparados para una pena de muerte con el poder judicial que aún tenemos? 

Les aseguro que todos, en el fondo, estamos conscientes del papel perturbador y nocivo que tienen la gran mayoría de las series, telenovelas, películas, etc sobre nuestra sociedad, niños sobretodo. Es un hecho científicamente comprobado. ¿Y entonces?

Ity no antony voalohany tena nankarary ny aiko, izay tsy tian'ny maro ho re akory, izay tsy lanin'ny vavonin'ny tsirairay, dia ny hoa ilay fahitalavitra ankamamianao sy ny zanakao, ny fàfana fisaka (flatscreen) izay tsy haiko na firy na firy no habeny novidianao lafo dia lafo tokoa, no tena tomponandraikitra  amin'ny ampahany betsaka amin'ny herisetra mitombo fatratra manangoly, tsy i  Venezoela irery, fa saiky ny fiarahamonina manerantany mihitsy, afa-tsy tranga maningana vitsivitsy, izay niatrika io olana io tsy nisy hambahamba. Hahomby amin'ny fampihenana io areti-mandoza io ny fisian'ny lalàna henjana. Vonona ho amin'izany ve isika? Vonona ve isika hampihatra fanamelohana ho faty miaraka amin'izay sampan-draharaham-pitsarana efa ananantsika ankehitriny?

Lazaiko marina aminareo, fa ny tena izy dia isika rehetra no mahatsapa ny andraikitra mpanakorontana sy mpanohintohina tànan'ny ankamaroan'ireo andian-tantara sy sarimihetsika amin'ny fahitalavitra sns… amin'ny fiarahamonintsika,  ny zanatsika indrindra indrindra. Zavatra voaporofo ara-tsiansa izany. Dia ahoana ?

Raharaha voavaha

Andro roa latsaka dia efa voasambotra ireo nahavanon-doza, hafainganana tsy mvola nisy toa azy raha raisina ny tahan'ireo tsimatimanota [es] ao amin'ny firenena, izay efa maherin'ny 90%. Mba hanatanterahana izany, ny filohan'ny departemanta mpampihatra lalàna voatendry hisahana ny fanadihadiana mikasika ireo vono olona tao amin'ny firenena dia nafindra manokana ho any Caracas, renivohitra, hanakaiky kokoa ny toerana nitrangan'ny heloka.

Nandeha angidimby nisidina ny faritra nitrangan'ny loza ny ministry ny Fifandraisana Anatiny, ny Fitsarana ary ny Fandriampahalemana, nahatonga hatezerana tany anaty tambajotra sosialy, satria nataony mazava tsara fa tsy mba natao toy izany ireo tranganà vono olona hafa.

Efa im-betsaka namoaka izany tao amin'ny kaontiny Twitter i Luis Carlos Díaz (@LuisCarlos) [es]  : 

Ankehitriny ianareo tsy maintsy hanamboatra tetikady iray  mba tsy ho zava-poana mandalo eo imason'ny manampahefana ny fahafatesanareo

Nanoratra koa i Luis Carlos tao amin'ny Facebook [es] n:

Es un insulto para el pueblo, sobre todo el más pobre, ver cómo el poder le da celeridad a un caso por su impacto mediático. Encienden la tele y ven un despertar ficticio al tema de la violencia, pero no por su familiar. Mañana pasará y tampoco habrá justicia ni reparo en su humilde caso.

Fanazimbazimbàna ny vahoaka, indrindra fa ireo mahantra, ny mahita ny fandraisana andraikitra malaky ataon'ny mpitondra manoloana tranga iray noho ny mety h o fiantraikany eo amin'ny resaka media. Velony ny TV dia hahita fanairana foromporonina momba ny herisetra ianao, saingy tsy natao ho an'ny ankohonanao. Ny ampitso ho lasa ihany io ary tsy hisy fitsaràna na resaka momba ny tranga tsy dia mankaiza nanjo anao

Mandritra izany, nibitsika i Víctor Amaya (@victoramaya) [es]  fa ny tsimatimanota dia vokatry ny tsy fisian'ny fahavononan'ny ampahan'ilay departemanta natao hisahana ny fanadihadiana ireo vono olona:

Androany ny Sampan-draharaha Mpanao Fanadihadiana Siantifika, Momba ny heloka Bevava (CICPC) dia nanaporofo fa rehefa tsy nahavaha olana vono olona iray ry zareo, dia satria fotsiny tsy mahatsapa ny te-hanao izany. Anaty andro roa dia efa voasambotr'izy ireo daholo ny tao anatin'ilay fikambanan-jiolahy

Mónica Spear sy Thomas Berry dia nalevina ny 10 Janoary tao Caracas. Vahoaka maro nahitànba ireo mpankafy ilay mpanjakavavin'ny hatsaràna fahiny sady mpilalao sarimihetsika no tonga teny am-pasana nanao veloma farany azy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.